Nanafika ny Israely foana i Beni-hadada mpanjakan’i Syria. Tsy nahavoa mihitsy anefa izy, satria isaky ny hanafika izy dia notenenin’i Elisa mpaminany mialoha ny mpanjakan’ny Israely. Te hisambotra an’i Elisa àry i Beni-hadada. Fantany hoe nipetraka tany Dotana i Elisa, ka nandefa miaramila syrianina tany izy hisambotra azy.
Tonga alina tao Dotana ny Syrianina. Rehefa nifoha maraina ny mpiasan’i Elisa, dia nahita miaramila syrianina be dia be nanodidina ny tanàna. Natahotra be izy ka niantsoantso hoe: ‘Elisa a, inona no hataontsika?’ Dia hoy i Elisa: ‘Ao fa betsaka lavitra ny miaraka amintsika noho ny miaraka amin-dry zareo.’ Nataon’i Jehovah hitan’ilay mpiasan’i Elisa hoe feno soavaly sy kalesy afo ny tendrombohitra nanodidina ny tanàna.
Rehefa hisambotra an’i Elisa ny Syrianina, dia nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, ataovy jamba ry zareo.’ Tsy hoe lasa tena jamba akory ry zareo, fa lasa tsy fantany ny toerana nisy azy. Dia hoy i Elisa tamin-dry zareo: ‘Tsy ity ilay tanàna tokony halehanareo. Andao dia hatoroko anareo ilay olona tadiavinareo.’ Nanaraka an’i Elisa hatrany Samaria àry ry zareo, nefa tany no nipetraka ny mpanjakan’ny Israely.
Tonga saina ihany ny Syrianina saingy efa tara loatra. Hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Elisa: ‘Hovonoiko ve ireo?’ Namaly faty an’ireo Syrianina ireo ve i Elisa? Hoy izy: ‘Aza vonoina izany ry zareo. Omeo sakafo izy dia asaivo mody.’ Nanaovan’ny mpanjaka fety be àry ry zareo, dia nalefany nody.
“Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”—1 Jaona 5:14