LESONA 55

Niaro An’i Hezekia ny Anjelin’i Jehovah

Niaro An’i Hezekia ny Anjelin’i Jehovah

Resin’ny Asyrianina ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. I Sankeriba no mpanjakan’i Asyria, ary tiany halaina koa ny fanjakan’ny foko roan’i Joda. Resiny daholo ny tanànan’i Joda, saingy i Jerosalema no tena tiany halaina. Tsy fantany anefa fa i Jehovah no niaro an’i Jerosalema.

I Hezekia no mpanjakan’ny Joda tamin’izay. Nomeny vola be i Sankeriba mba tsy hanafika an’i Jerosalema. Noraisin’i Sankeriba ilay vola, nefa mbola nalefany hanafika an’i Jerosalema ihany ny miaramilany. Natahotra be àry ny olona tao fa nihananatona ny Asyrianina. Hoy anefa i Hezekia: ‘Aza matahotra fa hataon’i Jehovah matanjaka kokoa noho ny Asyrianina isika.’

Nirahin’i Sankeriba hanambanimbany ny olona tao Jerosalema i Rabsake. Teo ivelan’ny tanàna izy no niantsoantso hoe: ‘Aza manaiky hofitahin’i Hezekia ianareo fa tsy afaka manampy anareo izany i Jehovah. Tsisy andriamanitra afaka miaro anareo aminay mihitsy!’

Nanontany an’i Jehovah i Hezekia hoe inona no tokony hataony. Dia hoy i Jehovah: ‘Aza matahotra amin’ny tenin’i Rabsake, fa tsy ho resin’i Sankeriba izany i Jerosalema.’ Nandefasan’i Sankeriba taratasy i Hezekia avy eo, hoe: ‘Tsy aleonao ve manaiky ho resy e? Tsy hamonjy anao izany i Jehovah!’ Nivavaka àry i Hezekia hoe: ‘Mba vonjeo izahay, Jehovah ô, amin’izay fantatry ny rehetra hoe ianao irery no tena Andriamanitra.’ Dia hoy i Jehovah: ‘Tsy ho tafiditra ao Jerosalema ny mpanjakan’i Asyria, fa izaho mihitsy no hiaro an’ilay tanàna.’

Natoky be i Sankeriba hoe kely sisa dia ho resiny i Jerosalema. Nandefa anjely anankiray anefa i Jehovah, ny alin’iny, dia novonoin’ ilay anjely daholo ny miaramila asyrianina 185 000! Tsy nanana miaramila natanjaka be intsony i Sankeriba Mpanjaka, ka voatery nody fa resy. Tena niaro an’i Hezekia sy ilay tanàna tokoa i Jehovah e? Ho natoky an’i Jehovah hoatr’izany koa ve ianao, raha tao Jerosalema ianao?

“Ny anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina an’izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.”—Salamo 34:7