LESONA 54

Nandefitra Be Tamin’i Jona i Jehovah

Nandefitra Be Tamin’i Jona i Jehovah

Ratsy toetra be ny olona tao Ninive, tanàna anankiray tany Asyria. Nirahin’i Jehovah ho any àry i Jona mpaminany, mba hiteny amin-dry zareo hoe mila miova ry zareo. Nandositra tany amin’ny lalan-kafa anefa i Jona, ka nandeha sambo nankany Tarsisy.

Nanonja be mihitsy ny ranomasina sady nifofofofo be ny rivotra, rehefa teny an-dranomasina ilay sambo. Natahotra daholo ny tantsambo ka samy nivavaka tamin’ny andriamaniny. Dia hoy ry zareo: ‘Fa maninona izao no mitranga?’ Hoy i Jona avy eo tamin-dry zareo: ‘Izaho no mahatonga an’izao. Nandositra mantsy aho fa tsy nankatò an’i Jehovah. Atsipazo any an-dranomasina aho, dia tsy ho ratsy intsony ny andro.’ Tsy te hanipy an’i Jona ny tantsambo, tamin’ny voalohany. Tsy maintsy nanipy azy ihany anefa ry zareo, ka nijanona ilay andro ratsy.

Nieritreritra i Jona hoe ho faty. Rehefa nilentika àry izy dia nivavaka tamin’i Jehovah. Nandefa trondro ngezabe i Jehovah avy eo. Natelin’ilay trondro i Jona nefa tsy maty. Nivavaka izy tao an-kibon’ilay trondro hoe: ‘Ao fa hankatò anao foana amin’izay aho.’ Nijanona telo andro tao i Jona, ary narovan’i Jehovah. Nasain’i Jehovah naloan’ilay trondro teny amin’ny tany maina izy avy eo.

Novonjen’i Jehovah i Jona. Tsy nila nankany Ninive intsony ve izany izy? Tsy izany mihitsy. Nasain’i Jehovah nankany indray izy dia nankatò amin’izay. Hoy izy tamin’ny olona tany: ‘Ho rava i Ninive rehefa afaka 40 andro.’ Tsy nampoiziny mihitsy fa nihaino azy ny olona ka niova. Hoy ny mpanjakan’i Ninive tamin’ny vahoakany: ‘Mila mivavaka amin’Andriamanitra isika, dia miova. Amin’izay isika mba tsy haringany.’ Rehefa hitan’i Jehovah hoe niova ry zareo, dia tsy noravany indray i Ninive.

Tezitra be mihitsy i Jona fa tsy noravana akory ilay tanàna. Eritrereto ange e! I Jehovah mba nandefitra sy namindra fo tamin’i Jona ihany, nefa i Jona tsy namindra fo tamin’ny olona tao Ninive. Lasa izy nankeny ivelan’ny tanàna, ary nipetraka teo ambany alokaloky ny voatavomonta sady nilongilongy be. Maty ilay zavamaniry avy eo ka tezitra be i Jona. Dia hoy i Jehovah taminy: ‘Ianao izao nalahelo an’io zavamaniry io. Dia izaho ve tsy halahelo ny olona ao Ninive? Izaho izao namindra fo tamin-dry zareo dia tsy maty ry zareo.’ Te hiteny i Jehovah hoe sarobidy kokoa noho ilay zavamaniry ny olona tao Ninive.

‘Manam-paharetana aminareo i Jehovah, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.’—2 Petera 3:9