LESONA 56

Tia ny Lalàn’Andriamanitra i Josia

Tia ny Lalàn’Andriamanitra i Josia

Lasa mpanjakan’ny Joda i Josia, tamin’izy valo taona. Nilalao ody ny olona tamin’izany, sady nanompo sampy. I Josia kosa te hahafantatra hoe inona no tokony hatao rehefa mivavaka amin’i Jehovah. Vao 16 taona izy tamin’izay. Nopotehiny ny sampy sy ny alitara eran’i Joda, tamin’izy 20 taona. Rehefa 26 taona indray izy, dia nasainy namboarina izay simba tamin’ny tempolin’i Jehovah.

I Hilkia no mpisoronabe tamin’izay. Hitany tao amin’ny tempoly ny horonam-boky misy ny Lalàn’i Jehovah, angamba ilay nosoratan’i Mosesy mihitsy. Nentin’i Safana, sekreteran’ny mpanjaka, tany amin’i Josia ilay horonam-boky, ary novakiny mafy. Fantatr’i Josia Mpanjaka àry hoe efa ela be ny vahoaka no tsy nankatò an’i Jehovah. Hoy izy tamin’i Hilkia: ‘Tezitra be amintsika izao i Jehovah, fa mandehana anontanio izy hoe inona no tokony hataontsika.’ Nasain’i Jehovah namaly i Holda mpaminanivavy hoe: ‘Hosaziko ny vahoaka ao Joda fa tsy miraharaha an’ahy. Tsy hataoko amin’ny andron’i Josia anefa izany, satria izy manetry tena.’

Rehefa henon’i Josia izany, dia nankany amin’ny tempoly izy, ary nasainy nankany daholo koa ny vahoaka. Novakiny mafy avy eo ny Lalàn’i Jehovah. Dia nivoady izy sy ny vahoaka rehetra hoe hankatò an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.

Efa ela be ny olona tany Joda no tsy nankalaza ny Paska. Novakin’i Josia tao amin’ny Lalàna anefa fa tokony hankalazaina isan-taona ilay fety. Hoy àry izy: ‘Andao isika hankalaza ny Paska.’ Dia nanomana biby be dia be hatao sorona i Josia, ary nasiany mpihira tao amin’ny tempoly. Nankalaza ny Paska àry ny vahoaka, dia avy eo nankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay nandritra ny fito andro. Mbola tsy nisy Paska hoatr’izany mihitsy taorian’ny andron’i Samoela. Tena tia ny Lalàn’Andriamanitra i Josia e? Tia mianatra momba an’i Jehovah koa ve ianao?

“Jiro ho an’ny tongotro ny teninao, sady fahazavana ho an’ny lalako.”—Salamo 119:105