Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Aminao ve izy io...

  • zavatra ao am-po?

  • Sa fanjakana any an-danitra?

  • Sa zavatra hafa?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra.”​—Daniela 2:44, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

‘Ho mpanjaka mandrakizay i Jesosy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.’​Lioka 1:33.

INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Eny! Ireto misy antony roa:

  • I Jesosy mihitsy no nampahafantatra hoe inona no hataon’io Fanjakana io. Nampianariny hivavaka ny mpianany hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.” (Matio 6:9, 10) Nasehony koa hoe inona no hitranga rehefa tanteraka izany.

    I Jesosy no Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra, ka noporofoiny tamin’izy tetỳ an-tany fa hanao zavatra tsara be ho an’ny vahoakany izy. (Apokalypsy 11:15) Nanome sakafo an’izay noana, ohatra, izy, nanasitrana ny marary, ary nanangana ny maty.—Matio 15:29-38; Jaona 11:38-44.

  • Efa tena ratsy izao ny fiainana, ka midika izany fa kely sisa dia hanjaka etỳ an-tany io Fanjakana io. Nilaza i Jesosy fa mbola hisy ady sy mosary ary horohoron-tany aloha, vao hitondra ny tany izy io.​—Matio 24:3, 7.

    Efa kely àry sisa dia hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, matoa ratsy be hoatr’izao ny fiainana. Tsy ho ela izy io dia hanafoana ny olana rehetra mahazo antsika.

FANONTANIANA HOSAINTSAININA

Hanao ahoana ny fiainana rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra?

Mamaly izany ny Baiboly ao amin’ny SALAMO 37:29 sy ISAIA 65:21-23.