Iza no Tena Mpitondra An’​izao Tontolo Izao?

Iza no Tena Mpitondra An’​izao Tontolo Izao?

Ahoana ny hevitrao:

  • Andriamanitra ve?

  • Ny olombelona ve?

  • Satana ve?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Izao tontolo izao manontolo [dia] eo ambany fahefan’ilay ratsy.”—1 Jaona 5:19, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

‘Handrava ny asan’ny Devoly ny Zanak’Andriamanitra.’—1 Jaona 3:8.

INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

Mazava aminao ny antony isian’ny olana eran-tany.—Apokalypsy 12:12.

Matoky ianao hoe hihatsara ny fiainana.—1 Jaona 2:17.

TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Eny! Ireto misy antony telo:

  • Tsy maintsy ho rava ny fitondran’i Satana. Nanapa-kevitra i Jehovah hoe tsy havelany hitondra ny olombelona intsony i Satana. Mampanantena izy fa ‘hanafoana ny Devoly’, ary hanala tanteraka ny zava-dratsy rehetra nataon’i Satana.—Hebreo 2:14.

  • Nifidy an’i Jesosy Kristy mba hitondra ny tany Andriamanitra. Tsy mifaditrovana ilay mpitondra ny tany ankehitriny sady tia tena. Tsy toy izany mihitsy anefa i Jesosy. Hoy Andriamanitra momba ny fitondran’i Jesosy: “Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy. ... Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”—Salamo 72:13, 14.

  • Tsy mandainga Andriamanitra. Mazava ny lazain’ny Baiboly: ‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra.’ (Titosy 1:2) Rehefa mampanantena zavatra izy, dia tsy maintsy tanteraka izany. (Isaia 55:10, 11) “Horoahina ... ilay mpitondra an’izao tontolo izao.”—Jaona 12:31.

FANONTANIANA HOSAINTSAININA

Hanao ahoana izao tontolo izao rehefa esorina ilay mpitondra azy?

Mamaly izany ny Baiboly ao amin’ny SALAMO 37:10, 11 sy APOKALYPSY 21:3, 4.