Mahafaly antsika ny manazava amin’ny olona ny zavatra inoantsika, rehefa manontany antsika amim-pahatsorana momba ny zavatra tsy azony na tsy ekeny izy. Mety hoe manana “toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay” mantsy izy.—Asa. 13:48.
Ahoana anefa raha tezitra ilay olona na te hiady hevitra na tsy te hiresaka amintsika? Raha izany, dia farano ny resaka ary miezaha ho tony sy tsara fanahy. (Ohab. 17:14) Miezaha hanaja azy, amin’izay izy mety ho vonona hihaino antsika amin’ny manaraka.—1 Pet. 2:12.