MIRESADRESAHA ALOHA Jaona 4:6-9 LESONA 1 Zavatra Mahaliana Resahina HANDEFA Zavatra Mahaliana Resahina Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Torolalana: “Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany.”—1 Kor. 13:4, 5. Ahoana no nataon’i Jesosy? VIDEO: Miresaka Amin’ilay Vehivavy eo Am-pantsakana i Jesosy 1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 4:6-9. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo: Inona no tsikaritr’i Jesosy talohan’ny niresahany tamin’ilay vehivavy? Izao no nolazain’i Jesosy: “Mba omeo rano aho hosotroiko.” Nahoana izany no nety tsara mba hanombohana resadresaka? Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy? 2. Raha zavatra mahaliana an’ilay olona no anombohanao ny resaka, dia tsy hihafahafa aminao izy. Tahafo i Jesosy 3. Mahaiza mandanjalanja. Aza misisika hiresaka an’ilay hevitra efa nomaninao, fa atombohy amin’izay zavatra eritreretin’ny olona amin’izao ny resadresakareo. Saintsaino izao: ‘Inona no resahin’ny vaovao?’ ‘Inona no resadresahin’ny mpiray tanàna, mpiara-miasa na mpiara-mianatra amiko?’ 4. Mahaiza mandinika. Saintsaino izao: a. ‘Inona izao no ataon’ilay olona? Inona no mety ho ao an-tsainy?’ b. ‘Inona ny zavatra inoany na ny kolontsainy raha jerena ny fitafiany, ny paozipaoziny, na ny tranony?’ d. ‘Izao ve no fotoana mety hiresahana aminy?’ 5. Henoy izy. Aza be resaka. Ampirisiho hilaza ny heviny ilay olona. Mametraha fanontaniana raha ilaina izany. JEREO KOA IRETO Mat. 7:12; 1 Kor. 9:20-23; Fil. 2:4; Jak. 1:19 Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Zavatra Mahaliana Resahina TIAVO NY OLONA KA AMPIANARO Zavatra Mahaliana Resahina Tenin’ny Tanana Malagasy Zavatra Mahaliana Resahina https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102023301/univ/art/1102023301_univ_sqr_xl.jpg lmd 1