Ahoana no nanasongadinan’i Jesosy hoe mikarakara antsika i Jehovah?
Na dia nahafantatra zavatra be dia be momba ny vorona aza i Jesosy, dia nataony tsotra ny fampianarany. Inona ny tsipiriany tena nifantohany? Nahoana izany no nandaitra?
Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
2. Ho mora tadidin’ny olona sy hanohina ny fony ny fampianarantsika raha tsotra.
Tahafo i Jesosy
3. Aza be resaka. Mifantoha amin’ny hevitra ao amin’ny fitaovana fampianarana ampiasainareo fa aza resahina aminy daholo izay rehetra fantatrao momba an’ilay foto-kevitra. Isaky ny avy mametraka fanontaniana ianao dia omeo fotoana kely izy mba hieritreretana ny valiny. Raha diso ny valin-teniny na tsy fantany izay havaly, dia mametraha fanontaniana fanampiny mba hampisaintsainana azy. Mifindrà amin’ny hevitra manaraka raha vao azony ny hevi-dehibe.
4. Ampio izy hahita ny ifandraisan’ny zava-baovao ianarany amin’izay efa fantany. Manaova, ohatra, famerenana fohy momba ny hoe manao ahoana ny maty alohan’ny handinihanareo ny lesona momba ny fitsanganana amin’ny maty.