LESONA 15

Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly Foana?

Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly Foana?

1. Nahoana no mahasoa ny mianatra Baiboly foana?

Azo inoana fa lasa tia kokoa an’i Jehovah ianao izao, rehefa avy nianatra an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Mila ampitomboina anefa izany fitiavana izany. (1 Petera 2:2) Tokony hianatra Baiboly foana ianao mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah, satria miankina amin’izany no hahazoanao fiainana mandrakizay.—Vakio ny Jaona 17:3; Joda 21.

Hatanjaka ny finoanao rehefa mitombo ny fahalalanao. Ny finoanao indray no hanampy anao hahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Hebreo 11:1, 6) Ho vonona hibebaka ianao amin’izay, ka hanova ny fomba fiainanao.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19.

2. Vonona hizara izay nianaranao ve ianao?

Afaka manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah ianao

Mahafinaritra ny milaza vaovao tsara. Azo inoana àry fa ho tianao ny hizara amin’ny hafa ny zavatra nianaranao. Tohizo foana ny fianaranao, dia ho hainao ny mampiasa andinin-teny mba hanazavana ny zavatra inoanao.—Vakio ny Romanina 10:13-15.

Azonao atao aloha ny miresaka amin’ny namanao na ny havanao. Mahaiza anefa mandanjalanja. Aza tonga dia miteny hoe diso ny fivavahany, fa lazao azy fotsiny ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra. Tadidio fa raha tsara fanahy ianao, dia izay no manohina ny fony kokoa fa tsy izay lazainao loatra.—Vakio ny Timoty 2:24, 25.

3. Inona no soa ho azonao raha miezaka hatrany?

Handroso ara-panahy ianao rehefa mianatra Baiboly foana. Hanana fifandraisana manokana amin’i Jehovah ianao raha miezaka hatrany. Horaisiny ho anisan’ny fianakaviany ianao amin’izay.—Vakio ny 2 Korintianina 6:18.

4. Inona no ezaka mbola tokony hataonao?

Tohizo foana ny fianaranao mba handroso hatrany ianao. (Hebreo 5:13, 14) Mianara indray an’ilay boky hoe Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?, miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao mainka hihatsara ny fiainanao, arakaraka ny ianaranao ny Tenin’Andriamanitra.—Vakio ny Salamo 1:1-3; 73:27, 28.

Avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra falifaly, ny vaovao tsara. Ho akaiky kokoa azy ianao raha miaraka akaiky amin’ny vahoakany. (Hebreo 10:24, 25) Tohizo foana ny ezaka ataonao hanompoana an’i Jehovah. Hahazo ny tena fiainana ianao amin’ny farany, dia ny fiainana mandrakizay. Tena tsy misy tsara noho ny hoe akaiky an’i Jehovah!—Vakio ny 1 Timoty 1:11; 6:19.