LESONA 1

Inona Ilay Vaovao Tsara avy Amin’Andriamanitra?

Inona Ilay Vaovao Tsara avy Amin’Andriamanitra?

1. Inona moa ilay vaovao tsara?

Tian’Andriamanitra ho sambatra ny olona. Tia antsika izy matoa namorona ny tany sy ny zava-drehetra. Tsy ho ela izy dia hanafoana ny fijaliana rehetra. Hiadana ny olona eran-tany ary ho tsara be ny hoavy.—Vakio ny Jeremia 29:11.

Mbola tsy nisy mihitsy fitondrana nahavita nanafoana ny herisetra sy ny aretina ary ny fahafatesana. Ny vaovao tsara anefa dia hoe: Hesorin’Andriamanitra ny fanjakan’olombelona rehetra, ary ny Fanjakany no hitondra ka hiadana sy ho salama ny olona.—Vakio ny Isaia 25:8; 33:24; Daniela 2:44.

2. Nahoana izany no mila torina haingana?

Efa handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra, ary tsy hisy intsony ny fijaliana aorian’izay. (Zefania 2:3) Rahoviana izany no hitranga? Tsy ho ela intsony, satria efa miseho ny famantarana nolazain’ny Baiboly. Manaporofo izany ireo zava-dratsy be dia be misy ankehitriny.—Vakio ny 2 Timoty 3:1-5.

3. Inona no tokony hatao?

Ilaina ny mianatra Baiboly. Toy ny taratasy avy amin’Andriamanitra izy io, ary nalefany ho antsika zanany. Hazavainy ao izay tokony hatao mba hananana fiainana tsara kokoa sy hahazoana fiainana mandrakizay. Mety hisy olona hisakana anao, satria tsy tiany hoe misy mampianatra Baiboly ianao. Aza kivy anefa, fa ataovy izay hahazoanao fiainana mandrakizay!—Vakio ny Ohabolana 29:25; Apokalypsy 14:6, 7.