LESONA 8

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?

1. Nanomboka oviana no nisy ratsy teto an-tany?

Afaka nanandrana fitondrana isan-karazany ny olona, ka voaporofo hoe tsy vitan’izy ireo ny manafoana ny zava-manahirana eto an-tany

Lasa nisy ratsy teto an-tany rehefa namitaka an’i Eva i Satana. Anjely tsara izy tamin’ny voalohany, saingy “tsy nifikitra tamin’ny marina.” (Jaona 8:44) Nanjary te hivavahana izy, nefa Andriamanitra irery no tokony hivavahana. Nandainga izy mba hitaomana an’i Eva tsy hankatò. Io no lainga voalohany indrindra. Nanaraka ny tenin’i Satana tokoa i Eva. Tsy nankatò koa i Adama, ka lasa nisy ny fijaliana sy ny fahafatesana.—Vakio ny Genesisy 3:1-6, 19.

I Jehovah irery no manana zo hitondra an’izao rehetra izao. Notoherin’i Satana anefa izany. Raha ny marina, rehefa namitaka an’i Eva izy, dia ny olombelona sy ny anjely rehetra mihitsy no tiany hotaomina. Nikomy nanaraka azy tokoa ny ankamaroan’ny olona. I Satana àry no lasa “mpitondra an’izao tontolo izao.”—Vakio ny Jaona 14:30; 1 Jaona 5:19.

2. Andriamanitra ve no tsy nahay namorona?

Tonga lafatra ny zava-drehetra noforonin’Andriamanitra. Afaka mankatò azy tsara àry ny olona sy ny anjely. (Deoteronomia 32:4, 5) Tsy tereny anefa isika fa omeny safidy na hanao ny tsara na hanao ratsy. Hifidy ny hankatò azy isika, raha tena tia azy.—Vakio ny Jakoba 1:13-15; 1 Jaona 5:3.

3. Nahoana Andriamanitra no mbola miandry?

Mbola mandefitra amin’ireo tsy manaiky ny zony hitondra i Jehovah hatramin’izao. Navelany hanandrana fitondrana isan-karazany ny olona, amin’izay miharihary hoe loza foana ny vokany rehefa tsy ekena ny fahefany. (Mpitoriteny 7:29; 8:9) Efa 6 000 taona izay no lasa, ary voaporofo hoe tsy vitan’ny mpitondra olombelona ny nanafoana ny ady, heloka bevava, aretina, ary ny tsy rariny.—Vakio ny Jeremia 10:23; Romanina 9:17.

Tena mahasoa kosa ny manaiky ny fahefan’i Jehovah. (Isaia 48:17, 18) Tsy ho ela dia hofoanany ny fanjakan’olombelona rehetra. Ireo manaiky ny fahefany ihany no hiaina eto an-tany.—Isaia 11:9.—Vakio ny Daniela 2:44.

Jereo ilay video hoe Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?

4. Inona no mila porofoinao?

Nilaza i Satana hoe tsy misy olona tena tia an’i Jehovah izany. Mitady tombontsoa, hono, ny olona matoa manompo Azy. Tianao ve ny hanaporofo hoe tsy marina izany? Asehoy amin’ny fomba fiainanao àry fa ny fitondran’Andriamanitra no tianao!—Vakio ny Joba 1:8-12; Ohabolana 27:11.

5. Inona àry no tokony hataonao?

Hita amin’ny fomba fiainanao ve fa ny fitondran’Andriamanitra no fidinao?

Tadiavo ny fivavahana marina, izay manaraka ny voalazan’ny Baiboly, ary io no araho. (Jaona 4:23) Mandà ny fahefan’i Satana ianao, raha manahaka an’i Jesosy ka tsy miditra amin’ny politika sy ny ady.—Vakio ny Jaona 17:14.

Maka fanahy ny olona i Satana mba hanao ratsy sy haloto fitondran-tena. Rehefa tsy manao an’ireny ianao, dia mety hisy havana na namana ho tezitra aminao na haneso anao. (1 Petera 4:3, 4) Mbola hankatò ny lalàn’i Jehovah ve ianao, ka olona tia azy no hataonao namana? Anao ny safidy! Raha manao safidy tsara ianao, dia hanaporofo fa mpandainga i Satana. Nolazainy mantsy fa tsy hisy olona hankatò an’Andriamanitra rehefa ao anatin’ny sarotra.—Vakio ny 1 Korintianina 6:9, 10; 15:33.

Azo antoka fa hanafoana ny fijaliana Andriamanitra, satria tena tiany ny olona. Hiaina mandrakizay ianao raha mino fa ny fitondran’Andriamanitra no tena tsara, ary manaporofo izany eo amin’ny fiainanao.—Vakio ny Jaona 3:16.