LESONA 14

Nahoana no Voalamina Tsara ny Vahoakan’Andriamanitra?

Nahoana no Voalamina Tsara ny Vahoakan’Andriamanitra?

1. Nahoana ny Israelita fahiny no voalamina tsara?

Nalamin’Andriamanitra ho firenena iray ny taranak’i Abrahama, ary nomeny lalàna. Nantsoiny hoe “Israely” ilay firenena, ary nanankinany ny teniny sy ny fivavahana marina. (Salamo 147:19, 20) Afaka nandray soa koa àry ny firenena rehetra, tatỳ aoriana.—Vakio ny Genesisy 22:18.

Ny Israelita no nofidin’Andriamanitra ho vavolombelony. Hita avy amin’ny tantaran’izy ireo, fa tena mahasoa ny mankatò ny lalàn’Andriamanitra. (Deoteronomia 4:6) Nahafantatra an’ilay tena Andriamanitra ny olon-kafa, rehefa nandinika ny Israelita.—Vakio ny Isaia 43:10, 12.

2. Nahoana koa ny Kristianina no voalamina tsara?

Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony ny Israelita, ka ny fiangonana kristianina no nataony solony. (Matio 21:43; 23:37, 38) Ireo Kristianina indray àry no lasa vavolombelona misolo tena an’i Jehovah.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:14, 17.

Nalamin’i Jesosy tsara ireo mpanara-dia azy, mba hitory sy hampianatra any amin’ny firenena rehetra. (Matio 10:7, 11; 24:14; 28:19, 20) Efa kely sisa dia ho vita io asa io, satria efa andro farany izao. Olona an-tapitrisany avy amin’ny firenena rehetra izao no miara-manompo an’i Jehovah, ary mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy hatramin’izay! (Apokalypsy 7:9, 10) Voalamina tsara ireo Kristianina marina ireo, ary mifanampy sy mifampahery. Mitovy ny fampianarana ara-baiboly azon’izy ireo rehefa mivory, na aiza na aiza misy azy eran-tany.—Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

3. Ahoana no nampisy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?

Taorian’ny 1870 no nanomboka nisy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Tsy fantatra intsony ny tena fampianaran’ny Baiboly tamin’izany. Nisy olona vitsivitsy anefa niara-nianatra, ary nahita ny marina. Fantany hoe nalamin’i Jesosy ny fiangonana kristianina, mba hamita ny asa fitoriana. Nanomboka nitory àry izy ireo, ary nitatra eran-tany izany. Nandray an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, tamin’ny 1931.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:8; 2:1, 4, 11; 5:42.

4. Ahoana no andaminana ny Vavolombelon’i Jehovah?

Efa nisy fiangonana maro tany amin’ny tany samihafa, tamin’ny taonjato voalohany. I Jesosy no Lohan’ny fiangonana, fa nampiasa ny apostoly sy anti-panahy vitsivitsy izy, mba hitarika ny asa. (Asan’ny Apostoly 16:4, 5) Misy anti-panahy vitsivitsy tena mahay koa ankehitriny, mitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Filan-kevi-pitantanana no iantsoana azy ireo. Mamoaka boky sy gazety ara-baiboly io Filan-kevi-pitantanana io. Adika amin’ny fiteny 600 mahery izy ireny, ary atao pirinty any amin’ireo biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Filan-kevi-pitantanana avokoa no manara-maso an’izany. Mahazo fampaherezana sy tari-dalana avy ao amin’ny Soratra Masina àry ireo fiangonana 100 000 mahery eran-tany. Isaky ny fiangonana koa dia misy lehilahy matotra atao hoe anti-panahy mikarakara ny ondrin’Andriamanitra.—Vakio ny 1 Petera 5:2, 3.

Voalamina tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hitory ny vaovao tsara sy hanao mpianatra. Mitory isan-trano izy ireo, toy ny nataon’ny apostoly. (Asan’ny Apostoly 20:20) Ampianarin’izy ireo Baiboly koa ny olona tso-po. Tsy mpiara-mivavaka fotsiny anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, fa toy ny fianakaviana mihitsy, ka i Jehovah no Rainy. Mifankatia izy ireo, ary toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy. (2 Tesalonianina 1:3) Tena sambatra izy ireo, satria manao ny sitrapon’i Jehovah sy manampy ny hafa, ary voalamina tsara izay ataony.—Vakio ny Salamo 33:12; Asan’ny Apostoly 20:35.