FIZARANA 11

Hira Mampahery sy Ianaran-javatra

Hira Mampahery sy Ianaran-javatra

Namorona hiram-pivavahana i Davida, ary nisy olon-kafa koa nanao toy izany. Misy 150 amin’ireny hira ireny ao amin’ny bokin’ny Salamo

FITAMBARANA hira masina ny bokin’ny Salamo, izay boky lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly. Arivo taona teo ho eo no nanoratana azy io. Misy teny mampiseho finoana ao, ary mampihetsi-po be izy ireo. Hita ao koa na ny teny maneho fifaliana, fiderana, fisaorana, na ny fihetseham-po noho ny fibebahana, alahelo, ary fisaonana. Miharihary fa nifandray akaiky tamin’Andriamanitra sy natoky azy ny mpanoratra salamo. Ireto ny hevitra sasany voaresaka ao amin’ny Salamo:

I Jehovah no manana zo hitondra, ka mendrika hivavahana sy hoderaina. Hoy ny Salamo 83:18: “Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Hira fiderana an’i Jehovah ny salamo sasany, noho izy namorona ny zavaboary, toy ny lanitra feno kintana, ny zavamananaina mahatalanjona eto an-tany, ary ny vatan’olombelona mahavariana. (Salamo faha-8, 19, 139, 148) Misy indray fiderana azy, noho izy mamonjy sy miaro an’ireo tsy mivadika aminy. (Salamo faha-18, 97, 138) Misy koa fankalazana azy, noho izy manao ny rariny ka manamaivana ny fijalian’ireo ampahorina sy manasazy ny ratsy fanahy.—Salamo 11, 68, 146.

Manampy sy mampahery an’ireo tia azy i Jehovah. Ny Salamo faha-23 angamba no malaza indrindra. Resahin’i Davida ao fa Mpiandry be fitiavana i Jehovah, ka mitari-dalana ny olony sady miaro sy mikarakara azy ireo. Ny Salamo 65:2 indray mampahatsiahy fa “Mpihaino vavaka” i Jehovah. Tena mampahery an’ireo nanao fahotana lehibe koa ny Salamo faha-39 sy faha-51. Hita ao ny fihetseham-pon’i Davida tamin’izy nibebaka noho ny fahotana lehibe nataony sy ny fatokisany hoe hamela azy i Jehovah. Ny Salamo 55:22 kosa mampirisika antsika hatoky an’i Jehovah, ka hametraka aminy an’izay manavesatra antsika.

Hanova an’ity tontolo ity i Jehovah amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia. Misy andinin-teny maro momba ny Mesia, na ilay Mpanjaka nampanantenaina, ao amin’ny Salamo. Milaza ny Salamo faha-2 fa handringana an’ireo firenena ratsy fanahy sy manohitra azy, io Mpanjaka io. Asehon’ny Salamo faha-72 fa hanafoana ny hanoanana sy ny tsy rariny ary ny fampahoriana izy. Ny Salamo 46:9 indray milaza fa hamarana ny ady sy hanapotika ny fiadiana rehetra Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia. Hita ao amin’ny Salamo faha-37 koa hoe horinganina ny ratsy fanahy, fa ny olo-marina kosa hiaina mandrakizay eto an-tany ao anatin’ny fandriampahalemana.

—Avy ao amin’ny bokin’ny Salamo.