FIZARANA 8

Niditra ny Tany Kanana ny Israelita

Niditra ny Tany Kanana ny Israelita

Nitarika ny Israelita haka ny tany Kanana i Josoa. Nomen’i Jehovah hery ireo mpitsara, mba hanafahana ny vahoakany amin’ny fampahoriana

EFA nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa ho azon’ny taranany ny tany Kanana. Nadiva haka an’io Tany Nampanantenaina io tokoa ny Israelita, taonjato maro taorian’izay, ary i Josoa no nitarika azy ireo.

Nofenoin’ny Kananita fanao mamoafady sy fandatsahan-dra i Kanana, ka hitan’Andriamanitra fa mendrika horinganina izy ireo. Nasaina nandrava tanteraka an’izay tanàna kananita resin’izy ireo àry ny Israelita.

Naniraka mpitsikilo roa lahy i Josoa, talohan’ny hidirana ny tany Kanana. Nijanona tao amin’ny vehivavy iray atao hoe Rahaba izy roa lahy, rehefa tonga tao Jeriko. Fantatr’i Rahaba fa Israelita izy ireo, nefa nampiantranoiny sy narovany. Lasa nino an’i Jehovah Andriamanitry ny Israelita mantsy i Rahaba, satria reny fa efa imbetsaka Izy no namonjy ny Israely. Nasainy nianiana àry ireo mpitsikilo mba hiaro azy mianakavy.

Niditra ny tany Kanana tokoa ny Israelita tatỳ aoriana, ka nanafika an’i Jeriko. Nanao fahagagana i Jehovah, ka nirodana ny mandan’ilay tanàna. Nirohotra niditra tao ny tafik’i Josoa ary nandrava an’i Jeriko. Tsy novonoin’izy ireo kosa ry Rahaba. Nanafika foana i Josoa, ka azony tao anatin’ny enin-taona monja ny ankamaroan’ireo faritra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nozaraina tamin’ireo fokon’ny Israely ilay tany taorian’izay.

Namory ny vahoaka i Josoa, taloha kelin’ny hahafatesany. Nampahatsiahy ny soa nataon’i Jehovah tamin’ny razamben’izy ireo izy, ary nampirisika mafy azy ireo hanompo an’i Jehovah. Rehefa maty anefa i Josoa sy ireo anti-panahy niara-niasa taminy, dia nanompo andriamani-kafa ny Israelita. Matetika izy ireo no tsy nankatò ny lalàn’i Jehovah, ka navelany hampahorin’ny fahavalony, anisan’izany ny Filistinina. Naharitra 300 taona teo ho eo izany. Naniraka mpitsara hamonjy azy ireo anefa i Jehovah, rehefa niantso vonjy taminy izy ireo. Nisy mpitsara 12 teo amin’ny Israely.

Tantaraina ao amin’ny bokin’ny Mpitsara ny fotoana nisian’izy ireo. I Otniela no mpitsara voalohany ary i Samsona, lehilahy natanjaka indrindra teto an-tany, no farany. Izao no hevi-dehibe miverimberina ao amin’io boky tena mahaliana io: Tahin’i Jehovah izay mankatò azy, fa mahita loza kosa izay tsy mankatò.

—Avy ao amin’ny Josoa; Mpitsara; Levitikosy 18:24, 25.