FIZARANA 15

Nahazo Fahitana Momba ny Hoavy ny Mpaminany Iray

Nahazo Fahitana Momba ny Hoavy ny Mpaminany Iray

Nilaza momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fiavian’ny Mesia i Daniela mpaminany. Resy i Babylona tatỳ aoriana

NISY Jiosy avy tany Joda nentina ho babo tany Babylona, talohan’ny handravana an’i Jerosalema. Nomen’ireo mpaka an-keriny fahafahana sasany anefa izy ireo. Anisan’ireny ny tovolahy tsy nivadika atao hoe Daniela. Niaina taona maro tany Babylona izy, ary nahazo fitahiana be dia be tamin’Andriamanitra. Narovan’i Jehovah tsy ho faty mihitsy aza izy tao an-davaky ny liona. Nomeny fahitana momba ny hoavy koa izy. Momba ny Mesia sy ny fitondrany ny faminaniana lehibe indrindra nolazain’i Daniela.

Nolazaina tamin’i Daniela ny fotoana hiavian’ny Mesia. Nolazaina taminy fa ho tonga ny “Mesia Mpitarika” rehefa afaka 69 “herinandro” aorian’ny hivoahan’ny didy hanarenana sy hanamboarana ny mandan’i Jerosalema. Tsy fito andro ny herinandro resahina eo, fa fito taona. Noho izany, dia 483 taona ireo 69 herinandro (69 x 7). Tamin’ny taona 455 T.K. no nivoaka ilay didy. Raha manisa 483 taona àry isika manomboka eo, dia tonga amin’ny taona 29 A.K. Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka izay nitranga tamin’io taona io. Nilaza koa i Daniela fa “hovonoina” ny Mesia mba handrakofana ny fahotana.—Daniela 9:24-26.

Ho lasa Mpanjaka any an-danitra ny Mesia. Nahazo fahitana i Daniela. Hitany nanatona ny seza fiandrianan’i Jehovah any an-danitra ny Mesia, izay “toy ny zanak’olona.” Nomen’i Jehovah azy avy eo ny “fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana” izay haharitra mandrakizay. Mahaliana koa fa nolazaina tamin’i Daniela hoe hisy antokon’olona hiara-manjaka amin’ny Mesia, ary antsoina hoe “olona masin’ilay Andriamanitra Fara Tampony” izy ireo.—Daniela 7:13, 14, 27.

Hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo fitondrana eto an-tany. Nampahafantarin’i Jehovah an’i Daniela ny hevitry ny nofy nanahiran-tsaina an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Izao ilay nofy: Nisy sarivongana ngezabe nanana loha volamena, tratra sy sandry volafotsy, kibo sy fe varahina, ranjo vy, ary tongotra vy nifangaro tanimanga. Nisy vato avy eo niendaka tamin’ny tendrombohitra, ka namely an’ireo tongotra marefo sy nanorotoro an’ilay sarivongana. Nohazavain’i Daniela fa manondro an’ireo firenena matanjaka mifandimby ireo tapany samihafa amin’ilay sarivongana. I Babylona no loha volamena ka izy no voalohany. Nilaza koa izy fa hanafoana ny fitondrana rehetra eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny andron’ilay fanjakana farany eo amin’ity tontolo ratsy ity. Hanjaka mandrakizay izy io aorian’izany.—Daniela toko faha-2.

Efa antitra be i Daniela no resy i Babylona, ary nanatri-maso an’izany izy. Resin’i Kyrosy Mpanjaka tokoa izy io, araka ny efa nambaran’ny mpaminany. Tsy ela taorian’izay dia nafahana avy tamin’ny fahababoana ny Jiosy. Nitranga tamin’ilay fotoana nolazain’ireo mpaminany izany, izany hoe rehefa tapitra ny 70 taona nahalao ny tanin’izy ireo. Voaorin’izy ireo indray i Jerosalema sy ny tempolin’i Jehovah tamin’ny farany, teo ambany fitarihan’ireo governora sy mpisorona ary mpaminany mendri-pitokisana. Inona anefa no hitranga rehefa tapitra ireo 483 taona?

​—Avy ao amin’ny bokin’i Daniela.