FIZARANA 19

Naminany Momba ny Hoavy i Jesosy

Naminany Momba ny Hoavy i Jesosy

Nisy lafin-javatra maromaro nolazain’i Jesosy mba ho famantarana ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka azy sady hamantarana ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity

VAO avy nilaza i Jesosy fa horavana ny tempoly tao Jerosalema. Efa niresaka momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” koa izy, talohan’izay. (Matio 13:40, 49) Eo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy sy ny mpianany izao, ary tazana tsara erỳ ambany i Jerosalema sy ny tempoliny. Nanatona azy mitokana ny apostoliny efatra, ary nanontany hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”—Matio 24:3.

Namaly i Jesosy, ary nilaza izay hitranga alohan’ny handravana an’i Jerosalema. Ho tanteraka maneran-tany koa anefa ny teniny, ela be atỳ aoriana. Rehefa miara-miseho ireo zavatra nolazainy, dia izay no famantarana fa efa manomboka manatrika amin’ny maha Mpanjaka azy i Jesosy any an-danitra, izany hoe nomen’i Jehovah azy ilay Fanjakana nampanantenaina hatry ny ela. Izany koa no famantarana fa madiva hanaisotra ny faharatsiana sy hitondra ny tena fandriampahalemana ho an’ny olombelona ilay Fanjakana. Rehefa miseho àry ilay famantarana, dia midika izany fa kely sisa dia hifarana ity tontolo ity (izany hoe ny fivavahan-diso sy ny fikambanana ara-politika ary ny rafitry ny fiaraha-monina ankehitriny), ary efa ho tonga ny tontolo vaovao.

Inona avy no nolazain’i Jesosy fa hitranga eto an-tany mandritra ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka azy? Nilaza izy fa hisy ady iraisam-pirenena, mosary, horohoron-tany lehibe, ary aretina miely patrana. Hitombo ny fandikan-dalàna. Hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny tena mpianany, ary hanao izany maneran-tany. Aorian’izay dia hisy “fahoriana lehibe” izay mbola tsy nisy toa azy.—Matio 24:21.

Ahoana kosa no hahalalan’ny mpanara-dia an’i Jesosy hoe efa akaiky io fahoriana io? ‘Makà lesona amin’ny aviavy’, hoy i Jesosy. (Matio 24:32) Rehefa misy ravina ny aviavy, dia fantatra avy hatrany hoe akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa fa rehefa miara-mitranga ao anatin’ny fotoana iray ireo zavatra nolazain’i Jesosy, dia ho fantatra avy hatrany hoe akaiky ny farany. Tsy misy afa-tsy ny Ray anefa no mahalala ny andro sy ora hanombohan’ny fahoriana lehibe. Nampirisika ny mpianany àry i Jesosy hoe: “Miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro.”—Marka 13:33.

​—Avy ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25; Marka toko faha-13; Lioka toko faha-21.

^ feh. 14 Mba hahafantaranao misimisy momba ny faminanian’i Jesosy, dia jereo ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, toko 9.