FIZARANA 17

Nampianatra Momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy

Nampianatra Momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy

Nampianarin’i Jesosy zavatra maro ny mpianany, fa ny Fanjakan’Andriamanitra no tena foto-kevitra noresahiny

INONA no nanirahana an’i Jesosy teto an-tany? Hoy izy: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:43) Io Fanjakana io no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy. Ireto misy hevitra efatra nampianariny momba azy io:

1. Izy no Mpanjaka ao amin’izy io. I Jesosy mihitsy no nilaza fa izy ilay Mesia nambara mialoha. (Jaona 4:25, 26) Nasehony koa fa izy ilay Mpanjaka hitan’i Daniela mpaminany tamin’ny fahitana. Nilaza tamin’ny apostoly i Jesosy fa hipetraka eo amin’ny “seza fiandrianany be voninahitra” izy, indray andro any, ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana koa izy ireo. (Matio 19:28) “Ondry vitsy” no niantsoan’i Jesosy an’ireo hiara-manjaka aminy. Nomarihiny koa fa manana “ondry hafa” ankoatra an’ireo izy.—Lioka 12:32; Jaona 10:16.

2. Hampanjaka ny rariny ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanala baraka ny anaran’i Jehovah i Satana, nanomboka tamin’ny fikomiana tany Edena. Nilaza i Jesosy fa hanaisotra izany zavatra faran’izay tsy rariny izany ilay Fanjakana ary hanamasina an’io anarana io. (Matio 6:9, 10) Tsy nizaha tavan’olona mihitsy koa i Jesosy. Nampianariny avokoa na lahy na vavy, na manankarena na mahantra. Nanampy ny Samaritanina sy ny tsy Jiosy izy, na dia ny hampianatra ny Israelita aza no tena nanirahana azy. Tsy mba niangatra na nanavakavaka toa an’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny izy.

3. Tsy anisan’ity tontolo ity ny Fanjakan’Andriamanitra. Niaina tamin’ny fotoana nisian’ny korontana politika i Jesosy. Vahiny mantsy no nifehy ny tanindrazany. Na izany aza, dia “niala” izy, rehefa nisy nanandrana nampiditra azy tamin’ny politika. (Jaona 6:14, 15) Hoy izy tamin’ny mpanao politika iray: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Hoy koa izy tamin’ny mpanara-dia azy: “Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 15:19) Tsy navelany hampiasa fiadiana izy ireo, eny fa na dia hampiasain’ny mpianany hiarovana azy aza.—Matio 26:51, 52.

“Nitety tanàna sy vohitra i Jesosy ... ka nitory sy nanambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.”—Lioka 8:1

4. Ho mpitondra be fitiavana i Kristy. Nampanantena ny olona i Jesosy hoe hamelombelona azy ireo sy hanamaivana ny entany. (Matio 11:28-30) Izany tokoa no nataony. Nanome torohevitra mahasoa sy feno fitiavana izy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, mba hanampiana ny olona hiatrika ny fanahiana, hanatsara ny fifandraisany amin’ny hafa, tsy ho tia harena, ary ho sambatra. (Matio 5:1–7:29) Tsapan’ny olona avy amin’ny saranga samihafa fa mora ifandraisana i Jesosy. Na ireo nohambanian’ny hafa aza, dia nirohotra nanatona azy, satria natoky fa hanaja azy ireo izy ary ho tsara fanahy aminy. Ho mpitondra hahafinaritra tokoa àry i Jesosy.

Nampiasa fomba hafa tena mandaitra koa i Jesosy mba hampianarana momba ny Fanjakan’Andriamanitra: Nanao fahagagana maro izy. Andeha hojerentsika hoe nahoana izy no nanao izany.

​—Avy ao amin’ny bokin’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.

▪ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa 1) izy no Mesia Mpanjaka? 2) hitondra araka ny rariny izy? 3) tsy anisan’ity tontolo ity ny Fanjakany? 4) ho mpitondra be fitiavana izy?