FIZARANA 7

Nanafaka ny Israelita Andriamanitra

Nanafaka ny Israelita Andriamanitra

Namely an’i Ejipta tamin’ny loza maromaro i Jehovah. Nitarika ny Israelita niala tany amin’io tany io i Mosesy, ary nampiasa azy i Jehovah mba hanomezana Lalàna ho azy ireo

TANY Ejipta nandritra ny taona maro ny Israelita, ary nihananan-karena sy nihamaro. Mpanjaka lozabe anefa ilay Farao vaovao tao, sady tsy nahalala an’i Josefa. Natahotra izy io rehefa nihamaro ny Israelita, ka nataony andevo izy ireo. Namoaka didy koa izy hoe hatsipy ao amin’ny Reniranon’i Neily ny zazalahy israelita rehetra vao teraka. Niaro ny zanany anefa ny vehivavy iray be herim-po, ka nametraka azy tao anaty vata kely ary nanafina azy teo anelanelan’ny bararata naniry. Hitan’ny zanakavavin’i Farao ilay zaza, ka nomeny anarana hoe Mosesy, ary nobeaziny tao an-dapa.

Nahita olana i Mosesy tamin’izy 40 taona, satria niaro andevo israelita iray nokapohin’ny Ejipsianina, lehiben’ny mpiasa. Nandositra izy noho izany, ka nipetraka tany an-tany hafa. Nasain’i Jehovah niverina anefa izy rehefa 80 taona, mba hangataka an’i Farao hanafaka ny Israelita. Nanaiky izy, ary niresaka tamin’i Farao.

Tsy nety mihitsy anefa i Farao, ka nandefa loza folo Andriamanitra. Taorian’ny loza voalohany, dia nolazain’i Mosesy an’i Farao foana ny fomba hisorohana ny loza manaraka. Tsy nankatò anefa i Farao sady nanamavo an’i Mosesy sy Jehovah. Novonoin’i Jehovah àry ny lahimatoa rehetra, tamin’ny loza fahafolo. Avotra kosa ny lahimatoan’ireo nankatò ny tenin’i Jehovah hoe hosorana ny ran’ny zanak’ondry atao sorona ny tolàm-baravarana. Nolalovan’ilay anjely mpandringana fotsiny ny tranon’izy ireo. Nankalazain’ny Israelita isan-taona io fanafahana mahagaga io, ary nantsoiny hoe Paska ilay fety.

Maty koa ny lahimatoan’i Farao, ka nasainy niala tao Ejipta ny Israelita. Niomana haingana ny vahoaka ary niara-niainga. Nenjehin’i Farao indray anefa izy ireo, ary nitondra miaramila sy kalesy maro be izy. Toa tapi-dalan-kaleha àry ny Israelita, teo amoron’ny Ranomasina Mena. Nosarahin’i Jehovah anefa ny rano, ka lasa toy ny rindrina goavana teo amin’ny sisiny roa! Nandeha tamin’ny tany maina àry ny Israelita. Nirohotra nanaraka avy ao aoriana i Farao sy ny tafiny, nefa naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny ny rano ka tototra tao izy ireo.

Nanao fifanekena tamin’ny Israelita i Jehovah, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ka i Mosesy no mpanelanelana. Nanome lalàna hitari-dalana sy hiaro azy ireo i Jehovah tamin’izay. Raha tsy mivadika izy ireo fa manaiky an’i Jehovah ho Mpitondra, dia homba azy ireo izy, ary amin’ny alalan’izy ireo no hitahiana ny firenen-kafa.

Tsy natoky an’i Jehovah anefa ny ankamaroan’ny Israelita, ka tezitra izy. Nataony nirenireny 40 taona tany an-tany efitra izy ireo. Taorian’izay, dia notendren’i Mosesy handimby azy i Josoa, lehilahy nanao ny marina. Tonga teo akaikin’ilay tany nampanantenaina an’i Abrahama ihany àry ny Israely tamin’ny farany.

—Avy ao amin’ny Eksodosy; Levitikosy; Nomery; Deoteronomia; Salamo 136:10-15; Asan’ny Apostoly 7:17-36.