FIZARANA 14

Naniraka Mpaminany Andriamanitra

Naniraka Mpaminany Andriamanitra

Nanendry mpaminany i Jehovah hampahafantatra ny didim-pitsarany, hanambara fa haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio, ary hilaza izay hataon’ny Mesia

TAMIN’NY andron’ny mpanjakan’ny Israely sy Joda no nanomboka nisongadina ny mpaminany. Nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy ireo, ary tena nanam-pinoana sy be herim-po. Ireto misy loha hevitra lehibe efatra noresahin’izy ireo:

1. Horavana i Jerosalema. Efa ela be no nisy mpaminany nilaza fa ho rava sy ho lao i Jerosalema. Anisan’izy ireny i Isaia sy Jeremia. Nohazavain’izy ireo fa tezitra tamin’ny mponin’i Jerosalema i Jehovah, noho izy ireo nihambo ho nisolo tena azy, nefa nanaraka ny fanaon’ny fivavahan-diso, nahery setra, ary nanao zava-dratsy hafa. Azo sary an-tsaina tsara ny teny nampiasain’ireny mpaminany ireny.—2 Mpanjaka 21:10-15; Isaia 3:1-8, 16-26; Jeremia 2:1–3:13.

2. Haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Hafahana avy any Babylona ny vahoakan’i Jehovah, rehefa avy babo tany 70 taona. Hiverina any Jerosalema, tanàna efa lao, izy ireo ka hanorina indray ny tempolin’i Jehovah. (Jeremia 46:27; Amosa 9:13-15) Nilaza i Isaia fa i Kyrosy no handresy an’i Babylona sy hamela ny vahoakan’i Jehovah hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Nolazainy tamin’ny tsipiriany mihitsy aza ny tetikady hafakely hampiasain’i Kyrosy. Roanjato taona teo ho eo talohan’ny nahatanterahan’izany i Isaia no nilaza an’io faminaniana io.—Isaia 44:24–45:3.

3. Ho tonga ny Mesia ary hisy zavatra maro hitranga aminy. Ao Betlehema no ho teraka ny Mesia. (Mika 5:2) Hanetry tena izy, ka hitaingina ampondra hiditra an’i Jerosalema. (Zakaria 9:9) Tsara fanahy izy, nefa tsy ho tia azy ny olona ary maro no handa azy. (Isaia 42:1-3; 53:1, 3) Ho faty amin’ny fomba mahatsiravina izy. Ho vita hatreo ve anefa ny fiainany? Tsia, satria hatsangana amin’ny maty izy. Tsy hanan-kery mantsy ny sorona hataony raha tsy velona izy, nefa io sorona io no hahazoan’ny olona maro famelan-keloka.—Isaia 53:4, 5, 9-12.

4. Hitondra ny tany ny Mesia. Tsy afaka mampisy fiadanana ny mpitondra olombelona, izay tsy lavorary, fa hantsoina hoe Andrianan’ny Fiadanana kosa ny Mesia. (Isaia 9:6, 7; Jeremia 10:23) Rehefa izy no hitondra, dia hihavana ny olona rehetra, sady hihavana amin’ny biby rehetra. (Isaia 11:3-7) Tsy hisy intsony ny aretina. (Isaia 33:24) Na ny fahafatesana aza ho foana mandrakizay. (Isaia 25:8) Hatsangana ny maty ka hiaina eto an-tany.—Daniela 12:13.

​—Avy ao amin’ny bokin’i Isaia, Jeremia, Daniela, Amosa, Mika, ary Zakaria.