FIZARANA 22

Sahy Nitory ny Apostoly

Sahy Nitory ny Apostoly

Nitombo haingana ny fiangonana kristianina na teo aza ny fanenjehana

NIVORY tao Jerosalema ny mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo, folo andro taorian’ny niakarany tany an-danitra. Pentekosta taona 33 tamin’izay. Nisy feo mafy tampoka toy ny rivo-mahery nanenika ny trano nivorian’izy ireo. Nahagaga fa lasa niteny tamin’ny fiteny samihafa mbola tsy hainy izy ireo. Nahoana? Satria nilatsahan’ny fanahy masina.

Nisy olona maro avy tany amin’ny tany samihafa tonga tao an-tanàna, noho ilay fety. Gaga be izy ireo satria lasa nahay tsara ny fiteniny ny mpianatr’i Jesosy. Nanazava àry i Petera fa tanteraka ny faminanian’i Joela hoe ‘handatsaka’ ny fanahiny i Jehovah, ka hanana fahaizana mahagaga izay olona hilatsahan’izany. (Joela 2:28, 29) Noho izany fiasan’ny fanahy masina izany, dia hita fa nisy fiovana lehibe nitranga: Tsy ny firenen’ny Israely intsony no nankasitrahan’Andriamanitra, fa ny fiangonana kristianina izay vao niforona tamin’izay. Izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra àry dia tsy maintsy nanara-dia an’i Kristy.

Nitombo ny fanoherana, ary nogadraina ny mpianatr’i Jesosy. Nosokafan’ny anjely anefa ny fonja, indray alina, ary nirahiny hanohy ny fitoriana izy ireo. Vao maraina be àry dia niditra ny tempoly izy ireo, ary nampianatra ny vaovao tsara momba an’i Jesosy. Tezitra be ireo mpitondra fivavahana ka nandrara azy ireo tsy hitory intsony. Tsy natahotra anefa ny apostoly fa namaly hoe: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—Asan’ny Apostoly 5:28, 29.

Nihamafy ny fanenjehana. Notoraham-bato i Stefana, satria niampanga azy ho nanevateva an’Andriamanitra ny Jiosy sasany. Nanatrika teo i Saoly, tovolahy avy any Tarsosy, ary nankasitraka izany. Nankany Damaskosy izy avy eo hisambotra an’izay nanara-dia an’i Kristy. Teny an-dalana anefa, dia nisy hazavana avy tany an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy. Nisy feo nilaza hoe: “Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao?” Lasa tsy nahita izy ka nanontany hoe: “Iza moa ianao, tompoko?” Dia hoy ilay feo: “Izaho no Jesosy.”—Asan’ny Apostoly 9:3-5.

Nasain’i Jesosy nampahiratra ny mason’i Saoly i Ananiasy, telo andro taorian’izay. Natao batisa i Saoly ary sahy nitory momba an’i Jesosy. Nantsoina hoe apostoly Paoly izy, ary lasa anisan’ny olona narisika teo anivon’ny fiangonana.

Tamin’ny voalohany, dia ny Jiosy sy ny Samaritanina ihany no nitorian’ny mpianatr’i Jesosy ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nasain’ny anjely iray nampaka ny apostoly Petera anefa i Kornelio, manamboninahitra romanina natahotra an’Andriamanitra. Nitory tamin’i Kornelio sy ny ankohonany àry i Petera sy ny namany. Mbola tsy tapitra anefa ny teniny, dia nilatsaka tamin’ireo tsy Jiosy ireo ny fanahy masina, ka nasain’i Petera natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy izy ireo. Hita nanomboka teo fa afaka ny hahazo fiainana mandrakizay ny olona any amin’ny firenena rehetra. Vonona hampiely ny vaovao tsara hatraiza hatraiza ny fiangonana taorian’izay.

​—Avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:1–11:21.