FIZARANA 20

Novonoina i Jesosy Kristy

Novonoina i Jesosy Kristy

Nanomboka fankalazana vaovao iray i Jesosy. Nisy namadika izy, ary nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana

FANTATR’I Jesosy fa kely sisa dia hifarana ny fiainany teto an-tany, rehefa avy nitory sy nampianatra telo taona sy tapany izy. Niray tetika hamono azy ny mpitondra fivavahana jiosy, nefa natahotra sao hisavorovoro ny vahoaka, izay nihevitra an’i Jesosy ho mpaminany. Nampirisihin’i Satana hamadika an’i Jesosy i Jodasy Iskariota, anisan’ny apostoly 12. Nomen’ireo mpitondra fivavahana farantsa volafotsy 30 izy, ka namadika an’i Jesosy.

Niara-nankalaza ny Paska tamin’ny apostoliny i Jesosy, ny alina talohan’ny hahafatesany. Nanomboka fankalazana vaovao antsoina hoe Sakafo Harivan’ny Tompo izy, rehefa avy nandefa an’i Jodasy. Nandray mofo izy, dia nivavaka, ary nanome an’izany an’ireo apostoliny 11. Hoy izy: “Ity no vatako izay homena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” Toy izany koa no nataony tamin’ny divay, ary hoy izy: “Ity kaopy ity [izany hoe ny divay tao anatiny] no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako.”—Lioka 22:19, 20.

Nilaza zavatra maro i Jesosy tamin’iny alina iny. Nomeny didy vaovao ny apostoliny, dia ny hoe tokony hifankatia tsy misy fitiavan-tena izy ireo. Hoy izy avy eo: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Nilaza koa izy fa tsy tokony hitebiteby izy ireo noho ny loza madiva hiseho. Nivavaka mafy ho azy ireo i Jesosy taorian’izay. Nihira fiderana izy ireo, ary lasa nankany amin’ny zaridainan’i Getsemane.

Rehefa tonga tany izy ireo, dia nandohalika i Jesosy ary namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah. Tsy ela taorian’izay dia tonga hisambotra azy ny miaramila sy ny mpisorona ary ny olon-kafa, izay samy nirongo fiadiana. Nanatona i Jodasy ary nanoroka azy mba hahafantarana hoe izy no Jesosy. Nofatoran’ny miaramila i Jesosy avy eo, ka nandositra ny apostoly.

Rehefa teo anoloan’ny fitsarana avo jiosy i Jesosy dia nilaza hoe Zanak’Andriamanitra izy. Niampanga azy ho nanevateva an’Andriamanitra ilay fitsarana, ka nilaza fa mendrika ho faty izy. Nentina tany amin’i Pontio Pilato Governora Romanina izy avy eo. Hitan’i Pilato fa tsy meloka i Jesosy, nefa mbola natolony an’ilay vahoaka, izay nitaky ny hamonoana azy.

Nofantsihan’ny miaramila romanina teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy, rehefa tonga tany Golgota. Nisy fahagagana tamin’izay, satria lasa maizina ny andro, nefa antoandrobenanahary. Maty ny tolakandron’iny i Jesosy, ary nisy horohoron-tany lehibe. Nalevina tao amin’ny fasana iray nolavahana teo amin’ny vatolampy izy. Nanidy tsara an’ilay fasana ireo mpisorona ny ampitson’iny, ary nasiany mpiambina teo. Maty tao foana ve anefa i Jesosy? Tsia. Nadiva hitranga ilay fahagagana lehibe indrindra.

​—Avy ao amin’ny Matio toko faha-26 sy 27; Marka toko faha-14 sy 15; Lioka toko faha-22 sy 23; Jaona toko faha-12 ka hatramin’ny faha-19.

^ feh. 15 Raha mila fanazavana momba ny hasarobidin’ny soron’i Jesosy ianao, dia jereo ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, toko 5.