FIZARANA 6

Tsy Nivadika Mihitsy i Joba

Tsy Nivadika Mihitsy i Joba

Nilaza i Satana fa hivadika amin’Andriamanitra i Joba. Tsy nivadika mihitsy anefa izy

HISY olona tsy hivadika amin’Andriamanitra ve na dia iharam-pitsapana mafy aza, ary na dia toa tsy misy soa azo aza amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra? Nipoitra tamin’ny andron’i Joba, havan’i Abrahama, io fanontaniana io, ary voavaly tamin’izany fotoana izany koa.

Nipetraka tany Arabia i Joba, raha mbola tany Ejipta ny Israelita. Nivory tany an-danitra ny anjely tamin’izany, anisan’izany i Satana mpikomy. Nilaza teo anatrehan’izy ireo i Jehovah hoe natoky an’i Joba mpanompony. Nilaza koa izy fa tsy nisy olona tahaka an’i Joba raha ny amin’ny tsy fivadihana. Nanizingizina anefa i Satana fa matoa i Joba manompo an’Andriamanitra, dia satria notahiny sy narovany. Nilaza izy fa hanozona an’Andriamanitra i Joba, raha hesorina aminy izay rehetra ananany.

Navelan’i Jehovah hitsapa an’i Joba àry i Satana, ka nataony fongana ny harenany, ary novonoiny ny zanany. Nataony koa izay hampaharary azy. Tsy takatr’i Joba hoe nahoana Andriamanitra no namela azy hiharan’izany rehetra izany, satria tsy fantany fa i Satana no nahatonga izany. Tsy nivadika mihitsy anefa izy.

Namangy an’i Joba ny namany telo lahy taorian’izay. Mahafeno pejy maro ao amin’ny bokin’i Joba ny tenin’ireo namana sandoka ireo. Tian’izy ireo hino i Joba hoe nanasazy azy Andriamanitra satria nanao fahotana miafina izy. Nilaza mihitsy aza izy ireo hoe tsy mba faly amin’ny mpanompony Andriamanitra, ary tsy matoky azy ireo. Tsy nanaiky an’izany hevi-diso izany anefa i Joba. Nanizingizina izy fa tsy hivadika mandra-pahafatiny!

Diso koa anefa i Joba, satria ny hanamarina ny tenany no tena noeritreretiny. Nanitsy azy àry i Eliho, lehilahy tanora kokoa izay nihaino ny resak’izy efa-dahy. Nohazavainy fa ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra no zava-dehibe kokoa noho ny fanaporofoana hoe marina ny olona iray. Nanariny mafy koa izy telo lahy.

Nanitsy ny fomba fisainan’i Joba i Jehovah Andriamanitra avy eo. Nasainy nandinika zavaboary maro mahatalanjona i Joba, mba hahitany fa tena bitika ny olona raha oharina amin’Andriamanitra. Nanetry tena i Joba ka nanaiky nahitsy. Nanasitrana azy àry i Jehovah, izay ‘be fitiavana sady mamindra fo.’ (Jakoba 5:11) Nanome azy zanaka folo sy harena avo roa heny noho ny nananany teo aloha koa izy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Joba, na dia niharan’ny fitsapana faran’izay mafy aza. Voaporofony tamin’izany fa diso ilay tenin’i Satana hoe hivadika amin’Andriamanitra ny olona raha iharam-pitsapana.

​—Avy ao amin’ny bokin’i Joba.