Isaky ny mivoaka ny trano ianao, dia mieritrereta fomba azonao anombohana resadresaka. Mivavaha momba an’ilay izy, ary angataho i Jehovah mba hitarika anao any amin’ny olona vonona hihaino anao
Miezaha ho sariaka ary asehoy amin’ilay olona iresahanao hoe miahy azy ianao. Miezaha hahafantatra momba an’ilay olona, amin’izay ho hitanao hoe inona ny foto-kevitra ara-baiboly mety hahaliana azy
Raha tsy mampaninona an’ilay olona, dia alaivo ny nomeraon-telefaoniny ary omeo azy ny anao
Aza kivy raha tsy afaka nitory akory ianao
Eritrereto foana ilay olona aorian’ny resaka nifanaovanareo. Andefaso rohy ahitana andinin-teny na lahatsoratra ao amin’ny jw.org izy mba hampisehoana hoe miahy azy ianao
Andramo izao: Raha misy manontany anao hoe: ‘Nanao ahoana ny faran’ny herinandro?’, dia resaho aminy ny zavatra nianaranao tany am-pivoriana. Azonao atao koa ny milaza aminy hoe mampianatra Baiboly ianao.