8. Mianara avy Amin’ny Filipo Mpitory ny Vaovao Tsara
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Misy ohatra tsara sy ratsy be dia be ao amin’ny Baiboly. Mitaky fotoana sy ezaka ny mianatra avy amin’ny nataon’izy ireo. Tsy ampy ny hoe mamaky fotsiny ny fitantaran’ny Baiboly momba azy ireo, fa ilaina koa ny misaintsaina momba ny lesona ianarantsika avy aminy, ary avy eo manitsy ny fitondran-tenantsika.
Kristianina nalaza ho “feno fanahy masina” sy “manam-pahendrena” i Filipo mpitory ny vaovao tsara. (As 6:3, 5) Inona avy ny lesona azontsika ianarana avy aminy?
Alefaso ilay VIDEO hoeMianara Amin’izy Ireo: Filipo, Ilay Mpitory ny Vaovao Tsara. Anontanio ny mpanatrika avy eo hoe inona avy no ianaran’izy ireo avy amin’ireto:
Ny zavatra nataon’i Filipo rehefa niova tampoka ny fiainany.—As 8:1, 4, 5