Loharanon-kevitra ao Amin’ny “Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana”

Loharanon-kevitra ao Amin’ny “Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana”

Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

© 2024 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania

1-7 JOLAY

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 57-59

Ataon’i Jehovah Mandamòka ny Tetiky ny Mpanohitra

bt 220-221 § 14-15

“Any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany”

14 Nitory tamim-pahasahiana i Stefana talohan’ny namonoan’ny fahavalony azy. (Asa. 6:5; 7:54-60) Nisy ‘fanenjehana mafy’ tamin’izany, ka niparitaka eran’i Jodia sy Samaria ny mpianatra, afa-tsy ny apostoly. Tsy nampitsahatra ny fitoriana anefa izany. Nankany Samaria i Filipo mba ‘hitory an’i Kristy’, ary nahita vokatra tena tsara. (Asa. 8:1-8, 14, 15, 25) Hoy koa ny Baiboly: “Tonga hatrany Fenisia sy Sipra ary Antiokia ireo mpianatra niparitaka vokatr’ilay fanenjehana taorian’ny namonoana an’i Stefana. Tsy nitory ny teny afa-tsy tamin’ny Jiosy anefa izy ireo. Ary nisy tamin’izy ireo avy any Sipra sy Kyrena izay tonga tany Antiokia. Niresaka tamin’ny olona miteny grika izy ireo, ka nitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompo.” (Asa. 11:19, 20) Nampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana ny fanenjehana, tamin’izany.

15 Nitranga koa ny toy izany, tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Vavolombelon’i Jehovah an’arivony no natao sesitany tany Siberia, indrindra taorian’ny 1950. Naparitaka tamin’ny toerana samihafa izy ireo, ka niely eran’io faritra midadasika io ny vaovao tsara. Tsy ho nahita vola handehanana hitory hatrany amin’ny 10 000 kilaometatra ny Vavolombelona maro be toy izany. Ny fanjakana mihitsy anefa no nandefa azy ireo eran’ilay tany. Hoy ny rahalahy iray: “Tanteraka izany noho ny nataon’ny fitondrana, ka olona tso-po an’arivony no nahalala ny fahamarinana, tany Siberia.”

8-14 JOLAY

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 60-62

Mahatonga Antsika Tsy Hanana Ahiahy i Jehovah, ary Miaro Antsika sy Azo Ianteherana

it “Tilikambo”: “Tilikambo an’ohatra”

Tilikambo

Tilikambo an’ohatra. Hoy i Davida: “Ianao [Jehovah] no fialofako, sy tilikambo mafy ho ahy, eo anoloan’ny fahavaloko.” (Sl 61:3) Tena ho voaro àry ireo mino sy mankatò an’i Jehovah. Voalaza fa “ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.” Midika izany fa tsy misy atahoran’ireo manaiky ny dikan’ny anarana hoe Jehovah, sy matoky izany, ary mitondra an’io anarana io ka tsy mivadika.​—Oh 18:10; ampit. 1Sa 17:45-47.

it “Tranolay”: “Heviny an’ohatra” § 4

Tranolay

Manana heviny an’ohatra hafa koa ny hoe “tranolay.” Afaka naka aina tao an-tranolainy ny olona iray, ary tsy azon’ny hainandro sy orana. (Ge 18:1) Tia nandray vahiny koa ny olona fahiny, ka nanantena ny mpitsidika nampiantranoina tao an-tranolay fa horaisina tsara sy hohajaina izy. Ho voaro sy tsy hanana ahiahy (Sl 61:3, 4) àry ny vahoaka be rehefa “hamelatra ny tranolainy eo ambonin’izy ireo” Andriamanitra. (Ap 7:15) Niomana handray an’ireo zaza haterany i Ziona na ny vadin’Andriamanitra, ka nasaina ‘hanalalaka ny tranolainy’ (Is 54:2), izany hoe hanalalaka ny toerana hiarovana ny zanany.

w02 15/4 16 § 14

Mahasoa Antsika ny Lalàn’Andriamanitra

14Tsy miova mihitsy ny lalàn’Andriamanitra ka azo ianteherana. Toy ny vatolampy mafy orina nisy hatrizay ka ho mandrakizay i Jehovah, amin’izao fotoana misafotofoto izao. (Salamo 90:2) Hoy izy: “Izaho Jehovah dia tsy miova.” (Malakia 3:6) Mendri-pitokisana tanteraka ny fitsipik’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, fa tsy miovaova lava toy ny hevitry ny olona. (Jakoba 1:17) Nilaza, ohatra, ny manam-pahaizana, nandritra ny taona maro, fa tokony havela hanao izay tiany ny ankizy. Nisy niova hevitra anefa izy ireo ary niaiky fa diso ny toroheviny. Miovaova matetika ny fitsipika sy ny tari-dalana omen’izao tontolo izao momba ny fitaizana. Tsy mba toy izany anefa ny Tenin’i Jehovah. Efa taonjato maro no nanoroan’ny Baiboly hevitra momba ny fitaizana zanaka amim-pitiavana. Hoy ny apostoly Paoly: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” (Efesiana 6:4) Tena mahafaly ny mahafantatra fa azontsika ianteherana ny fitsipik’i Jehovah, satria tsy hiova mihitsy!

15-21 JOLAY

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 63-65

“Tsara Noho ny Aina ny Fitiavanao sy ny Tsy Fivadihanao”

w01 15/10 15-16 § 17-18

Iza no Hampisaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra?

17 Zava-dehibe aminao ve ny fitiavan’Andriamanitra? Mitovy hevitra amin’i Davida ve ianao? Hoy mantsy izy: “Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro hidera Anao. Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ny anaranao no hanandratako ny tànako.” (Salamo 63:3, 4) Misy zavatra tsara kokoa noho ny fitiavan’Andriamanitra na ny fisakaizany ve, eto amin’ity tontolo ity? Ohatra, aleo ve asa ahazoam-bola be, toy izay ny fiadanan-tsaina sy ny fahasambarana azo avy amin’ny fihavanana amin’Andriamanitra? (Lioka 12:15) Nisy Vavolombelon’i Jehovah tsy maintsy nisafidy hoe: Hiala amin’i Jehovah sa ho faty? Maro no niatrika izany tany amin’ny toby fitanana nazia, nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy nety nisaraka tamin’ny fitiavan’Andriamanitra ny ankamaroan’ny rahalahintsika, ka vonona ny hamoy ny ainy mihitsy, raha nilaina izany. Ireo izay mitoetra hatrany ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, dia afaka matoky fa homeny hoavy mandrakizay. Tsy afaka hanome izany mihitsy izao tontolo izao. (Marka 8:34-36) Mbola misy zava-dehibe kokoa noho ny fiainana mandrakizay anefa.

18 Marina fa tsy misy fiainana mandrakizay raha tsy avy amin’i Jehovah. Alao sary an-tsaina ihany, na izany aza, ny fiainana maharitra ela, nefa tsy misy an’ilay Mpamorona. Tsy hisy zava-kendrena izany fiainana izany. Nomen’i Jehovah asa mahafa-po kosa ny olony mandritra izao andro farany izao. Afaka matoky àry isika fa hianatra sy hanao zavatra maro mahafinaritra sy mahasoa isika, ao amin’ny fiainana mandrakizay omen’i Jehovah, ilay Mpikasa Lehibe. (Mpitoriteny 3:11) Na hianatra toy inona aza isika mandritra ireo arivo taona, dia tsy ho azontsika tanteraka mihitsy “ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!”​—Romana 11:33.

w19.12 28 § 4

“Misaora Amin’ny Zava-drehetra”

Andriamanitra no tena tokony hankasitrahantsika. Azo antoka fa nisy fotoana ianao efa nieritreritra an’ireo fanomezana be dia be nataony ho anao hatramin’izay ka hatramin’izao. (Deot. 8:17, 18; Asa. 14:17) Aza avela handalo ao an-tsainao fotsiny anefa ireny soa nataony ireny. Maninona raha maka fotoana mba hisaintsainana tsara an’ireo fitahiana be dia be nomeny anao sy ny fianakavianao? Raha manao an’izany ianao, dia ho hitanao fa tena malala-tanana Andriamanitra. Vao mainka hankasitraka azy ianao amin’izay, sady hatoky hoe sarobidy aminy ianao ary tena tiany.​—1 Jaona 4:9.

w15 15/10 24 § 7

Saintsaino Foana ny Tenin’i Jehovah sy ny Zavatra Noforoniny

7 Tsy mila mampiasa saina be isika rehefa mamaky teny, fa mila mifantoka kosa rehefa misaintsaina. Tsy mahagaga raha aleontsika manao zavatra tsotsotra sy tsy dia mandreraka. Rehefa tsy reraka àry isika no tena tokony hisaintsaina, ary tokony ho amin’ny toerana milamina sy tsy dia misy manelingelina. Hitan’ny mpanao salamo fa afaka nisaintsaina tsara izy teo am-pandriana nandritra ny alina, rehefa tsy nahita tory. (Sal. 63:6) Nanana saina lavorary i Jesosy nefa hitany hoe tsara kokoa raha amin’ny toerana mangina no misaintsaina sy mivavaka.​—Lioka 6:12.

w09 15/7 16 § 6

Tahafo i Jesosy ka Manehoa Fitiavana Rehefa Mampianatra

6 Mahafinaritra antsika ny miresaka momba ny zavatra tiantsika. Faly sy mafana fo erỳ isika rehefa manao izany. Izany indrindra no mitranga rehefa miresaka momba ny olona tiantsika isika. May erỳ isika ny hiresaka amin’ny hafa ny zavatra fantantsika momba azy. Midera sy manome voninahitra an’ilay olona isika, ary miaro azy. Manao izany isika, satria tiantsika raha mba tia an’io olona io koa ny hafa sady mankamamy ny toetrany.

Vatosoa Ara-panahy

w07 15/11 15 § 6

Mamelombelona ny Hafa ve Ianao?

Mora kokoa ny mandrodana trano noho ny manangana vaovao. Toy izany koa ny teny aloaky ny vavantsika. Samy manana ny kileman-toetrany isika rehetra, satria olombelona tsy lavorary. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.” (Mpitoriteny 7:20) Mora ny mahita ny fahadisoan’ny hafa, ka hanao teny manambany sy mandratra fo. (Salamo 64:2-4) Mitaky ezaka kosa anefa ny fanaovana teny mampahery foana.

22-28 JOLAY

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 66-68

Mitondra ny Entantsika Isan’andro i Jehovah

w10 1/12 23 § 5

Anehoy Fiahiana Ireo Ray na Reny Tokan-tena

Nampanoratra hira masina na salamo i Jehovah. Nohirain’ny Israelita nandritra ny fotoam-pivavahany izy ireny. Eritrereto ange e! Tsy maintsy ho nampahery be an’ireo mpitondratena sy kamboty ray teo amin’ny Israely ireny hira avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ireny, satria nampahatsiahy azy fa “ray” sy “mpitsara” ho azy ireo i Jehovah, ary hanome fanamaivanana ho azy. (Salamo 68:5; 146:9) Mety hotsaroan’ny ray na reny tokan-tena foana koa ny teny fampaherezana nolazaintsika taminy. Hoy, ohatra, ny raim-pianakaviana matotra iray tamin’i Ruth, reny tokan-tena: “Tena mahavita be ianao mitaiza an’ireo zanakao roa lahy ireo. Tohizo foana izany!” Efa 20 taona lasa izay no nitenenany an’io nefa mbola tsaroan’i Ruth foana, ka hoy izy: “Nisy vokany be teo amiko ireo teniny ireo.” “Manasitrana” tokoa ny “tenin’ny hendry” ary mety tena hampahery an’ireo ray na reny tokan-tena, tsy araka ny ieritreretantsika azy. (Ohabolana 12:18) Mahita teny fiderana avy amin’ny fo sy voafaritra tsara mba holazaina amin’ny ray na reny tokan-tena ve ianao?

w09 1/4 31 § 1

Ilay Ray ho An’ny Kamboty Ray

‘RAY ho an’ny kamboty ray Andriamanitra, izay ao amin’ny fonenany masina.’ (Salamo 68:5) Mampihetsi-po ireo teny ireo, ary mampiseho tsara ny toetran’i Jehovah Andriamanitra. Fantany izay ilain’ny ory. Miharihary fa miahy ny kamboty izy, rehefa jerena ny Lalàna nomeny ny Israelita. Andeha àry isika izao handinika ny Eksodosy 22:22-24. Ireo no andinin-teny miresaka voalohany momba ny “kamboty ray.”

Vatosoa Ara-panahy

w06 1/6 10 § 4

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo​—Fizarana II

68:18​—Iza ireo “fanomezana teo amin’ny olombelona”? Anisan’ireo olona nentina ho babo nandritra ny nanafihana ny Tany Nampanantenaina ireo lehilahy ireo. Notendrena hanampy ny Levita tamin’ny asany izy ireo, tatỳ aoriana.​—Ezra 8:20.

29 JOLAY–4 AOGOSITRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 69

Zava-nitranga teo Amin’ny Fiainan’i Jesosy Efa Voalaza ao Amin’ny Salamo 69

w11 15/8 11 § 17

Efa Niandriandry ny Mesia Izy Ireo

17Hankahalaina tsy amin’antony ny Mesia. (Sal. 69:4) Hoy i Jesosy: “Tsy ho nanan-keloka [ireo olona ireo], raha tsy nataoko teo aminy ny asa mbola tsy nataon’iza na iza. Sady nahita ahy anefa izy izao no nankahala ahy sy ny Raiko koa. Fa mitranga izany mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: ‘Mankahala ahy tsy amin’antony izy ireo.’ ” (Jaona 15:24, 25) Ny Soratra Masina no atao hoe “Lalàna” eo. (Jaona 10:34; 12:34) Resahin’ny Filazantsara fa maro no nankahala an’i Jesosy, indrindra fa ny mpitondra fivavahana jiosy. Hoy koa i Jesosy tamin’ny rahalahiny: “Tsy misy antony ankahalan’izao tontolo izao anareo. Fa izaho kosa halany, satria manaporofo fa ratsy ny ataony.”​—Jaona 7:7.

w96 15/2 p. 31 § 4

Mety ho Faty ve ny Olona Iray Vaky Fo?

Milaza ny olona sasany fa ny fo vaky dia anton-javatra iray nahatonga ny fahafatesan’i Jesosy Kristy, izay momba azy no naminaniana toy izao: “Ny latsa dia [nahavaky, NW ] ny foko ka reraka indrindra aho.” (Salamo 69:20). Tokony horaisina ara-bakiteny ve ireo teny ireo? Angamba izany no izy, satria ireo ora talohan’ny nahafatesan’i Jesosy dia nahafadiranovana​—tsy ara-batana ihany fa ara-pihetseham-po koa. (Matio 27:46; Lioka 22:44; Hebreo 5:7). Ankoatra izany, ny fo vaky iray dia mety hanazava ny antony nikorian’ny “ra sy rano” avy tamin’ny ratra tamin’ny nandefonana an’i Jesosy taorian’ny nahafatesany indrindra. Ny fahavakian’ny fo na ny fahatapahan’ny lalan-dra lehibe iray dia afaka mamoaka ra hiditra na ao anaty lavaky ny tratra na ao anaty péricarde​—fono manify misy ranon-javatra izay mamefy ny fo. Eo amin’ireo toerana ireo, ny lavaka kely iray dia afaka mampikoriana zavatra mitovy amin’ny “ra sy rano.”​—Jaona 19:34.

it “Zavamaniry Misy Poizina” § 2

Zavamaniry Misy Poizina

Homena “zavamaniry misy poizina” ny Mesia, hoy ny faminaniana. (Sl 69:21) Tanteraka izany, hoy i Matio (27:34), rehefa nomena divay niharo zava-mangidy i Jesosy Kristy efa hofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana mba tsy haheno maharary. Tsy nety nisotro anefa izy rehefa avy nanandrana azy io. Kôle (gr.; zava-mangidy) toy ny ao amin’ny Salamo 69:21 (LXX) no nilazan’i Matio azy. Miora kosa no nilazan’i Marka (15:23) azy. Mety ho “miora” àry, hono, ilay “zavamaniry misy poizina” na “zava-mangidy.” Mety ho nisy zava-mangidy sy miora koa anefa ilay zava-pisotro mahadomelina.

5-11 AOGOSITRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 70-72

‘Lazao Amin’ny Taranaka any Aoriana’ ny Herin’Andriamanitra

w99 1/9 18 § 17

Ry Tanora​—Zaro Ampiasaina ny Fahaizanareo Mandinika!

17 Tsy maintsy ho mailo tsy an-kijanona ianao, ary indraindray tsy maintsy ho be herim-po, mba hanalavirana ny fandrik’i Satana. Misy fotoana indraindray mety hiheveranao tena ho miady amin’izao tontolo izao manontolo, fa tsy amin’ireo tanora toa anao ihany. Hoy ny vavaka nataon’i Davida mpanao salamo: “Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.” (Salamo 71:5, 17). Fanta-daza noho ny herim-pony i Davida. Oviana anefa no nanombohany nanana izany? Hatry ny fony izy mbola tanora! Na dia talohan’ilay fifandonany nalaza tamin’i Goliata aza, dia naneho herim-po niavaka i Davida, rehefa niaro ny andian’ondrin-drainy, ka namono liona iray sy orsa iray. (1 Samoela 17:34-37). I Jehovah anefa no nomen’i Davida ny voninahitra feno noho izay rehetra nety ho herim-po nasehony, ka nantsoiny hoe “tokiko hatry ny fony aho mbola tanora” i Jehovah. Nahatonga an’i Davida ho afaka hiatrika izay nety ho fisedrana tojo azy, ny fahaizany niantehitra tamin’i Jehovah. Ho hitanao koa fa raha miantehitra amin’i Jehovah ianao, dia hanome anao ny herim-po sy ny tanjaka ‘handresena izao tontolo izao’ izy.​—1 Jaona 5:4.

g04 8/10 23 § 3

Ahoana no Tokony Hitondrantsika ny Zokiolona?

Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.” (Salamo 71:9) ‘Tsy manary’ ny mpanompony mahatoky Andriamanitra, na dia mety hihevitra aza izy ireo hoe tsy misy ilana azy intsony. Tsy nahatsiaro ho nafoin’i Jehovah ilay mpanao salamo. Tsapany kosa fa nila niantehitra bebe kokoa tamin’ilay Mpamorona azy izy, rehefa nihantitra. Manampy ny olony tsy mivadika toy izany i Jehovah. (Salamo 18:25) Matetika no avy amin’ny mpiara-manompo izany fanampiana izany.

w14 15/1 23 § 4-5

Manompoa An’i Jehovah Dieny Mbola Tsy Tonga ny Andro Mahory

4 Azo inoana fa efa be traikefa ianao raha efa ela niainana. Saintsaino àry hoe: ‘Inona re no hataoko amin’izao izaho mbola matanjatanjaka izao e?’ Manana tombony maro tsy ananan’ny hafa ianao raha Kristianina efa hatramin’ny ela. Afaka mampita ny zavatra nampianarin’i Jehovah anao amin’ny tanora ianao. Afaka mitantara ny zavatra nahafaly anao tamin’ny fanompoana ianao, mba hampaherezana ny hafa. Nivavaka tamin’i Jehovah i Davida Mpanjaka mba hahita fomba hanaovana an’izany. Hoy izy: “Nampianatra ahy efa hatramin’ny fahatanorako ianao, Andriamanitra ô. ... Andriamanitra ô, aza mahafoy ahy, mandra-pahantitro sy mandra-pahafotsin’ny voloko, mandra-pilazako amin’ny taranaka manaraka fa mahery ny sandrinao, ary mandra-pilazako amin’ny taranaka ho avy rehetra ny fahatanjahanao.”​—Sal. 71:17, 18.

5 Ahoana no azonao izarana ny fahendrena azonao nandritra ny taona maro? Afaka manasa tanora vitsivitsy ao an-tranonao ve ianao, dia mba miara-mifampahery aminy? Azonao asaina miara-manompo aminao ve izy ireny, mba hahitany ny fifaliana tsapanao amin’ny fanompoana? Hoy i Eliho: “Izay ela niainana no aoka hiteny, ary izay be taona no aoka hampahafantatra ny fahendrena.” (Joba 32:7) Nasain’ny apostoly Paoly nampahery ny hafa tamin’ny teniny sy ny ataony ireo anabavy efa ela tao amin’ny fahamarinana. Hoy izy: ‘Aoka ny vehivavy zokiolona ho mpampianatra zavatra tsara.’​—Tit. 2:3.

Vatosoa Ara-panahy

it “Eofrata”: “Sisin-tanin’ny Israely”

Eofrata

Sisin-tanin’ny Israely. Nanao fifanekena tamin’i Abrahama i Jehovah, ary nilaza fa homeny ho an’ny taranak’i Abrahama ilay tany “hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata, ilay renirano lehibe.” (Ge 15:18) Naverina tamin’ny firenen’Israely io fampanantenana io. (Ek 23:31; De 1:7, 8; 11:24; Js 1:4) Milaza ny 1 Tantara 5:9, fa talohan’ny nanjakan’i Davida, dia nisy taranak’i Robena nonina “hatrany amin’ny fidirana amin’ny tany efitra eo amoron’ny reniranon’i Eofrata.” Mbola 800 km eo ho eo miala any “atsinanan’i Gileada” anefa no misy an’i Eofrata. (1Ta 5:10) Mety ho nanitatra fotsiny ny faritaniny tany atsinanan’i Gileada hatrany amin’ny sisin’ny Tany Efitr’i Syria àry ny Robenita. Tonga hatrany Eofrata mantsy io tany efitra io. (Hoy ny DIEM: “Hatrany akaikin’ny taniefitra izay nampisaraka azy amin’ny ony Eofrata.”) Toa tamin’ny andro nanjakan’i Davida sy Solomona àry vao tena tanteraka ilay fampanantenan’i Jehovah satria tamin’izay vao tafiditra tao anatin’ny sisin-tanin’ny Israely i Zoba, izay faritra nanjakan’ny Aramianina. Tonga hatrany amin’ilay moron’i Eofrata izay mamakivaky ny faritra avaratr’i Syria àry ny sisin-tanin’ny Israely. (2Sa 8:3; 1Mp 4:21; 1Ta 18:3-8; 2Ta 9:26) Renirano malaza i Eofrata, ka matetika no nantsoina fotsiny hoe “ny Renirano.”​—Js 24:2, 15; Sl 72:8.

12-18 AOGOSITRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 73-74

Ahoana Raha Mitsiriritra Olona tsy Manompo An’i Jehovah Isika?

w14 15/4 4 § 5

Tahafo ny Finoan’i Mosesy

5 Inona no hanampy anao tsy ho voatarika ‘hifaly vetivety amin’ny fahotana’? Aza hadinoina mihitsy fa mihelina ny fahafinaretana azo amin’ny fahotana. Manàna finoana, ka matokia fa tena “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany.” (1 Jaona 2:15-17) Saintsaino ny hoavin’ny mpanota tsy mibebaka. “Eo amin’ny toerana malama” izy ireo, ka ho ratsy fiafara. (Sal. 73:18, 19) Eritrereto àry izao rehefa alaim-panahy hanota ianao: ‘Tiako hanao ahoana ny hoaviko?’

w13 15/2 25-26 § 3-5

Aza Avela Hisy Hisakana Anao Tsy Hahazo Voninahitra Amin’i Jehovah

3 Nilaza ny mpanao salamo hoe nandray ny tanany ankavanana i Jehovah. Natoky izy fa hitarika azy i Jehovah ka hanome azy ny tena voninahitra. (Vakio ny Salamo 73:23, 24.) Ahoana no fomba anomezan’i Jehovah voninahitra ny mpanompony? Ankasitrahany izy ireo, ary omeny fitahiana amin’ny fomba maro. Ampiany, ohatra, izy ireo mba hahatakatra ny sitrapony. (1 Kor. 2:7) Avelany hifandray akaiky aminy koa izay olona mihaino ny teniny sy mankatò azy.​—Jak. 4:8.

4 Manankina harena sarobidy amin’ny mpanompony koa izy, dia ny fitoriana ny vaovao tsara. (2 Kor. 4:1, 7) Mampanantena i Jehovah fa homeny voninahitra izay manao an’io fanompoana io mba hiderana azy sy hahasoa ny hafa. Hoy izy: “Izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra.” (1 Sam. 2:30) Lasa manana laza tsara eo anatrehan’i Jehovah ny olona manao toy izany sady tsara laza eo anivon’ny fiangonana.​—Ohab. 22:1; 31:30.

5 Tsy vitan’izany fa hanana hoavy tena tsara izay ‘manantena an’i Jehovah sy manaraka ny lalany.’ Hoy ny Baiboly: “Hanandratra anao [i Jehovah] ary handova ny tany ianao. Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.” (Sal. 37:34) Manantena hiaina mandrakizay ny mpanompon’i Jehovah, ary voninahitra tsy manan-tsahala izany.​—Sal. 37:29.

19-25 AOGOSITRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 75-77

Nahoana no Ratsy ny Mirehareha?

w18.01 28 § 4-5

Inona no Tsy Itovizan’ny Olona Manompo An’i Jehovah sy ny Tsy Manompo Azy?

4 Rehefa avy nilaza i Paoly hoe ho tia tena sy ho tia vola ny ankamaroan’ny olona, dia nilaza koa izy hoe ho matin-kambo sy hanambony tena ary ho mpieboebo izy ireo. Mieritreritra matetika ny olona manana an’ireo toetra ireo hoe ambony noho ny hafa izy, satria mahay angamba na tsara tarehy na manankarena na manam-pahefana. Te hoderaina sy hohindrahindraina izy. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny olona hoatr’izany: “Hoatran’ny hoe misy alitara kely ao am-pony, dia miankohoka eo izy manompo ny tenany.” Misy milaza fa tena mahatsiravina ny fireharehana matoa ny olona mirehareha aza mba tsy tia olona mirehareha koa.

5 Tsy tian’i Jehovah ny olona mieboebo. Halany ny “maso miandranandrana.” (Ohab. 6:16, 17) Tsy ho lasa naman’i Jehovah mihitsy ny olona manambony tena. (Sal. 10:4) Toetran’ny Devoly izany. (1 Tim. 3:6) Mampalahelo anefa fa nisy mpanompon’i Jehovah lasa nirehareha. Tsy nivadika nandritra ny taona maro, ohatra, i Ozia, mpanjakan’ny Joda. “Raha vao nahery anefa izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra fahavoazana ho an’ny tenany izany. Koa nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny izy, ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah mba handoro emboka manitra teo amin’ny alitaran’ny emboka manitra.” Nisy fotoana koa i Hezekia Mpanjaka nirehareha, saingy vetivety izy dia niova.​—2 Tan. 26:16; 32:25, 26.

w06 15/7 11 § 3

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo​—Fizarana 3 sy 4

75:4, 5, 10​—Inona no dikan’ny hoe ‘tandroka’? Fitaovam-piadiana tena mafy ny tandroka. Hery na tanjaka àry no tiana holazaina amin’ny hoe ‘tandroka.’ Asandratr’i Jehovah ny tandroky ny olony, ka lasa misandratra izy ireo. ‘Tapahiny [kosa] ny tandroky ny ratsy fanahy.’ Tsy tokony ‘hanandratra ny tandrotsika ho avo’ isika, izany hoe tsy tokony hirehareha na hihevi-tena ho ambony. I Jehovah no manandratra antsika, ka tokony hoheverina ho avy aminy ny andraikitra omena antsika eo anivon’ny fiangonana.​—Salamo 75:7.

26 AOGOSITRA–1 SEPTAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 78

Nivadika Tamin’i Jehovah ny Israelita ka Lasa Anatra ho Antsika

w96 1/12 29-30

“Tsarovy ny Andro Fahiny”​—Nahoana?

Mampalahelo fa matetika ireo Isiraelita no nanaiky ho resin’ny ota, dia ny fanadinoana. Inona no vokany? “Naka fanahy an’Andriamanitra mandrakariva izy ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Isiraely. Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ny fahavalo.” (Salamo 78:41, 42). Tamin’ny farany, dia niteraka ny fandavan’i Jehovah azy ireo ny fanadinoany ny didin’i Jehovah.​—Matio 21:42, 43.

Namela ohatra tsara dia tsara ny mpanao salamo, izay nanoratra hoe: “Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Salamo 77:11, 12). Hanome antsika ny antony manosika sy ny fampaherezana ary ny fankasitrahana ilaina, ny fitadidiana amim-pisaintsainana toy izany ny fanompoana tamin’ny fomba tsy nivadika sy ireo zavatra nataon’i Jehovah tamim-pitiavana tamin’ny lasa. Afa-tsy izany koa, ny ‘fahatsiarovana ny andro fahiny’ dia afaka mandroaka ny hasasarana sy afaka mandrisika antsika hanao izay rehetra azontsika atao sy hihazona fiaretana amim-pahatokiana.

w06 15/7 17 § 16

Mitandrema mba Tsy Himonomonona

16 Mampifantoka ny saintsika amin’ny tenantsika sy ny zava-manahirana antsika isika, rehefa mimonomonona, ary manadino ireo fitahiana ananantsika noho isika Vavolombelon’i Jehovah. Raha zatra mitaraina isika ka te hiala amin’izany, dia mila miezaka mifantoka amin’ireo fitahiana ireo. Voninahitra lehibe ho antsika tsirairay, ohatra, ny mitondra ny anaran’i Jehovah. (Isaia 43:10) Afaka miresaka amin’ilay “Mpihaino vavaka”, amin’ny fotoana rehetra isika, sady afaka mifandray akaiky aminy. (Salamo 65:2; Jakoba 4:8) Tena misy heviny ny fiainantsika, satria azontsika tsara ilay adihevitra momba ny zo ho mpanjakan’izao rehetra izao, ary fantatsika fa manana tombontsoa tsy hivadika amin’Andriamanitra isika. (Ohabolana 27:11) Afaka mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika. (Matio 24:14) Afaka manana feon’ny fieritreretana madio isika, noho ny finoantsika ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16) Manana an’ireo fitahiana ireo foana isika, na inona na inona zava-tsarotra iaretantsika.

w11 1/7 10 § 3-4

Manana Fihetseham-po ve i Jehovah?

Hoy ilay mpanao salamo: “Impiry impiry moa izy ireo no nikomy taminy tany an-tany efitra!” (Andininy 40) Hoy koa izy: “Imbetsaka izy ireo no nitsapa toetra an’Andriamanitra.” (Andininy 41) Mariho fa nilaza ny mpanao salamo hoe nikomy imbetsaka izy ireo. Nanao izany izy ireo tany an-tany efitra, taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. Nimenomenona izy ireo, ka nisalasala raha ho vitan’Andriamanitra sy tena iriny ny hikarakara azy ireo. (Nomery 14:1-4) Milaza ny boky iray ho an’ny mpandika Baiboly fa ilay hoe “nikomy taminy”, dia mety ho “azo adika hoe ‘nanamafy ny fony tamin’Andriamanitra’ na ‘nilaza hoe “Tsia” tamin’Andriamanitra.’ ” Namindra fo i Jehovah ka namela an’ilay vahoakany rehefa nibebaka izy ireo. Imbetsaka anefa izy ireo no niverina tamin’ny fanaony ka nikomy indray.​—Salamo 78:10-19, 38.

Inona no tsapan’i Jehovah isaky ny nikomy ilay vahoaka tsy mena-mivadika? Hoy ny andininy faha-40: ‘Nanao izay nampalahelo azy izy ireo.’ Hoy ny boky iray, momba izany: “Ny tiany holazaina eo dia hoe nampijaly tokoa ny nataon’ireo Hebreo, toy ny ataon’ny zaza iray tsy mankatò sady mikomy.” Mety hankarary ny fon’ny ray aman-dreniny ny ankizy iray tsy laitra fehezina. Toy izany koa fa “nampahory an’Ilay Masin’ny Israely” ireo Israelita mpikomy.​—Andininy 41.

Vatosoa Ara-panahy

w06 15/7 11 § 5

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo​—Fizarana 3 sy 4

78:24, 25​—Nahoana ny mana no antsoina hoe “varin’ny lanitra” sy “fihinan’ny mahery”? Ny anjely no antsoina hoe “mahery” eto. Na io teny io na ilay hoe “varin’ny lanitra” anefa dia samy tsy midika fa mihinana mana ny anjely. Antsoina hoe “varin’ny lanitra” ny mana, satria avy any an-danitra. (Salamo 105:40) Mipetraka any mantsy ny anjely, na ny “mahery.” Ny hoe “fihinan’ny mahery” àry dia mety hidika fotsiny fa avy amin’ilay Andriamanitra mipetraka any an-danitra ny mana. (Salamo 11:4) Nampiasa anjely koa angamba i Jehovah rehefa nanome ny mana ho an’ny Israelita.