NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ho Hendry Ianao Raha Mamaky Baiboly Isan’andro

Ho Hendry Ianao Raha Mamaky Baiboly Isan’andro

Sarobidy hoatran’ny harena miafina ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. (Oh 2:1-6) Manampy antsika hisaina tsara sy hahay hanapa-kevitra ny fahendrena. Miaro antsika koa izy io. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe izy io no “zava-dehibe indrindra.” (Oh 4:5-7) Mila miezaka isika raha te hahita ny harena miafina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manomboka mamaky azy io “andro aman’alina” isika, izany hoe isan’andro. (Js 1:8) Handinika soso-kevitra vitsivitsy afaka manampy antsika hamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy ho tia an’izany isika.

JEREO ILAY VIDEO HOE TANORA MIEZAKA HO TIA NY TENIN’ANDRIAMANITRA, ARY VALIO IRETO:

Nahoana no tsy mora tamin’ireto tanora ireto ny namaky Baiboly isan’andro, nefa inona no nanampy an-dry zareo?

  • Melanie

  • Samuel

  • Celine

  • Raphaello

NY FOTOANA AMAKIAKO BAIBOLY: