HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mitadiava Torohevitra Feno Fahendrena

Mitadiava Torohevitra Feno Fahendrena

Nila nanapa-kevitra i Rehoboama (2Ta 10:1-4; w18.06 13 § 3)

Nangataka torohevitra izy (2Ta 10:6-11; w22.02 7:6, 15)

Tsy narahiny ny torohevitra tsara nomena azy, dia nizaka ny vokany izy sy ny vahoaka (2Ta 10:12-16; it “Rehoboama” § 3)

Noho izy ireo efa nahita fiainana, dia matetika no mahatsinjo ny mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra raisintsika ny Kristianina be taona kokoa sy matotra.​—Jb 12:12.

SAINTSAINO IZAO: ‘Iza ao am-pivoriana no azoko iresahana raha mitady torohevitra tsara aho?’