NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra

Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra

Mila mandray fanapahan-kevitra be dia be isika isan’andro. Matetika ny olona eo amin’izao tontolo izao no baikon’ny fihetseham-pony na manara-drenirano fotsiny rehefa hanapa-kevitra. (Ek 23:2; Oh 28:26) Tsy hoatr’izany anefa ny olona miantehitra amin’i Jehovah. ‘Mieritreritra azy’ ry zareo rehefa hanapa-kevitra, izany hoe avelan-dry zareo hitari-dalana azy ny toro lalan’ny Baiboly.​—Oh 3:5, 6.

Amin’ny toe-javatra hoatran’ny ahoana ireto andininy ireto no hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara? Soraty ny valiny.

JEREO ILAY VIDEO HOE TAHAFO IREO MANAM-PINOANA: MOSESY FA TSY FARAO, ARY VALIO ITY:

Ny tantaran’iza no nanampy an’ilay rahalahy handray fanapahan-kevitra tsara ary nahoana?