NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Arovy ny Fonao”

“Arovy ny Fonao”

Izao no nasain’i Jehovah nosoratan’i Solomona: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana.” (Oh 4:23) Vahoakan’Andriamanitra ny Israely, nefa mampalahelo hoe tsy nanompo an’i Jehovah tamin’ny “fony manontolo” intsony ry zareo. (2Ta 6:14) Na i Solomona Mpanjaka aza namela ny fony ho voatarik’ireo vadiny mpanompo sampy mba hanaraka andriamani-kafa. (1Mp 11:4) Inona no azonao atao mba hiarovana ny fonao? Mamaly an’izany ilay lahatsoratra fianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Janoary 2019, pejy 14-19.

JEREO ILAY VIDEO HOE NAMPIHARIKO ILAY TILIKAMBO FIAMBENANA: AROVY NY FONAO. VALIO IRETO AVY EO:

Inona no mety ho nampihena ny finoan’ireto Kristianina ireto, nefa ahoana no nanampian’ilay lahatsoratra an-dry zareo mba hiaro ny fony?

  • Brent sy Lauren

  • Umjay

  • Happy Layou

Ahoana koa no nanampian’ilay lahatsoratra anao?