8-14 Aprily

SALAMO 26-28

8-14 Aprily

Hira 34 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Tapa-kevitra ny Tsy Hivadika i Davida

(10 min.)

Nangataka tamin’i Jehovah i Davida mba hanampy azy ho lasa tsara toetra kokoa (Sl 26:1, 2; w04 1/12 14 § 8-9)

Tsy niaraka tamin’ny naman-dratsy i Davida (Sl 26:4, 5; w04 1/12 15 § 12-13)

Nahafinaritra an’i Davida ny nanompo an’i Jehovah (Sl 26:8; w04 1/12 16 § 17-18)


Na dia nanao fahadisoana aza i Davida, dia nanompo an’i Jehovah ‘tamin’ny fony manontolo.’ (1Mp 9:4) Tia an’i Jehovah sy nifikitra mafy taminy i Davida, dia nasehony tamin’izany hoe tsy nivadika izy.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 27:10: Raha mahafoy antsika ny namantsika akaiky, nahoana io andininy io no mampahery antsika? (w22.06 26:13)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) ll 8:1-3 (th lesona 2)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) FITORIANA ISAN-TRANO. Mampiasà taratasy mivalona anisan’ny Fitaovana Fampianarana. (th lesona 3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) FITORIANA ISAN-TRANO. Iaraho midinika amin’ilay olona nitorianao ilay fanontaniana ao amin’ny pejy farany amin’ilay taratasy mivalona nomenao azy. Sokafy ny jw.org, dia asehoy an’ilay olona ny zavatra mety ho hitany ao. (lmd 9:3)

6. Lahateny

(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 3: Foto-kevitra: Hiverina Amin’ny Laoniny ny Tontolo Iainana dia ho Lasa Paradisa ny Tany. (th lesona 13)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 128

7. Tanora Miezaka ny Hadio Fitondran-tena Foana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mila miady mafy ny tanora kristianina mba tsy haloto fitondran-tena, satria tsy lavorary. Miady mafy koa izy ireo mba hadio fitondran-tena foana mandritra an’ilay “fotoana fivelaran’ny fahatanorana”, izany hoe mbola mahery be ny faniriana hanao firaisana dia sarotra aminy ny misaina tsara. (Ro 7:21; 1Ko 7:36) Tsy maintsy miady mafy foana koa ry zareo mba tsy ho voataona hanao firaisana, na amin’ny vehivavy raha lehilahy izy, na amin’ny lehilahy hoatr’azy ihany. (Ef 2:2) Faly isika manana an’ireo tanora tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy.

Alefaso ilay VIDEO hoe Ny Fiainanay Tanora: Inona no Hataoko mba Tsy ho Voataonan’ny Ankizy Hanao Firaisana Aho? Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Notaomin’ny mpiara-mianatra taminy hanao inona i Cory sy Kamryn?

  • Inona no nanampy azy mianadahy tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy?

  • Inona avy no torolalan’ny Baiboly afaka manampy anao raha taomin’ny olona hanao firaisana koa ianao?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 61, 62

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 38 sy Vavaka