Loharanon-kevitra ao Amin’ny “Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana”
Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2023 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
4-10 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 16-17
“Avy Aminao [Jehovah] ny Zavatra Tsara Rehetra Ananako”
w18.12 26 § 11
Ry Tanora, Te ho Afa-po Amin’ny Fiainana ve Ianareo?
MIEZAHA HANANA NAMANA TSARA
11 Vakio ny Salamo 16:3. Fantatr’i Davida hoe olona hoatran’ny ahoana no tsara hatao namana. ‘Tena nahafinaritra azy’ ny niaraka tamin’ny olona tia an’i Jehovah. Nantsoiny hoe “olona masina” izy ireny, izany hoe olona madio fitondran-tena sy manao ny tsara. Hoatr’izany koa no nataon’ny mpanao salamo iray hafa rehefa nifidy namana. Hoy izy: “Naman’izay rehetra matahotra anao aho, ary naman’izay mitandrina ny didinao.” (Sal. 119:63) Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe afaka mahazo namana tsara be dia be ianao ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Matahotra an’i Jehovah sy manompo azy mantsy ny olona ao. Azonao atao namana koa na dia izay tsy mitovy taona aminao aza.
w14 15/2 29 § 4
Mifantoha Amin’ny “Hatsaran’i Jehovah”
Nihira toy izao i Davida: “I Jehovah no anjara nomena ahy ary nofenoiny ny kaopiko. Hazoninao ho ahy ny anjara lovako. Toerana mahafinaritra no voafaritra ho ahy tamin’ny tady fandrefesana.” (Sal. 16:5, 6) Nankasitrahan’i Davida ny “anjara” nomena azy, izany hoe ny fifandraisany tsara tamin’i Jehovah sy ny tombontsoany nanompo azy. Mahazo fitahiana ara-panahy be dia be koa isika na dia miatrika olana aza, toa an’i Davida. Aoka àry isika hankafy foana ny fanompoana an’i Jehovah ary ho “finaritra” hatrany amin’ilay tempoly ara-panahy.
w08 15/2 3 § 2-3
Ataovy eo Anatrehanao Mandrakariva i Jehovah
2 Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ireo olona fantatra tsara ao amin’ny Baiboly isika rehetra. Anisan’izany i Abrahama, Saraha, Mosesy, Rota, Davida, Estera, ny apostoly Paoly, sy ny hafa koa. Mahasoa antsika koa anefa ny tantaran’ireo olona tsy dia nisongadina firy. Raha misaintsaina ny tantara ao amin’ny Baiboly isika, dia afaka hampihatra ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.” (Sal. 16:8) Inona no dikan’izany?
3 Matetika no tsy voaro ny ilany havanan’ny miaramila, satria ny tanany havia no nitana ampinga. Voaro kosa anefa izy, raha nisy namany teo ankavanany. Toy izany koa fa hiaro antsika i Jehovah, raha mitadidy azy foana isika sady manao ny sitrapony. Hojerentsika àry izao hoe nahoana ny fandinihana ny tantara ao amin’ny Baiboly no manatanjaka ny finoantsika. Hanampy antsika mantsy izany mba ‘hanao an’i Jehovah eo anatrehantsika mandrakariva.’
11-17 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 18
“I Jehovah no ... Mpamonjy Ahy”
w09 1/5 14 § 4-5
Azonao ve ny Dikan’ireo Sarin-teny ao Amin’ny Baiboly?
Mampitaha an’i Jehovah amin-javatra tsy mananaina koa ny Baiboly. Voalaza ao fa “Vatolampin’ny Israely” izy, ‘harambato’ ary “fiarovana mafy.” (2 Samoela 23:3; Salamo 18:2; Deoteronomia 32:4) Inona no itovizan’i Jehovah amin’ireo? Mafy be ny vatolampy ary tsy laitra ahontsina. Afaka ny ho fiarovana mafy azo antoka ho anao koa i Jehovah.
Feno sarin-teny momba ny toetran’i Jehovah koa ny bokin’ny Salamo. Resahin’ny Salamo 84:11, ohatra, “fa masoandro sy ampinga i Jehovah Andriamanitra.” Izy mantsy no Loharanon’ny fahazavana sy ny fiainana ary ny hery. Miaro koa izy. Resahin’ny Salamo 121:5 indray fa “i Jehovah no manome alokaloka anao, eo ankavananao.” Miaro anao amin’ny hainandro migaingaina ny alokaloka. Toy izany koa fa miaro ny mpanompony amin’ny loza toy ny hafanam-be i Jehovah, eo amin’ny ‘aloky ny tanany’ na eo amin’ny ‘aloky ny elany.’—Isaia 51:16; Salamo 17:8; 36:7.
it “Feo”: “Feon’olombelona” § 2
Feo
Henoin’Andriamanitra ny feon’ny mpanompony. Matoky ireo manompo an’Andriamanitra araka ny fanahy sy ny fahamarinana fa henoiny ny feon’izy ireo, na inona na inona fiteny ivavahany aminy. Na dia tsy mamoaka feo na miloa-bava aza ilay olona dia mbola ‘henoin’Andriamanitra’ ihany ny fiangaviany, satria mahalala ny ao am-po Izy. (Sl 66:19; 86:6; 116:1; 1Sa 1:13; Ne 2:4) Henoiny ny feon’ny ory miantso vonjy aminy. Reny koa ny feon’ireo manohitra azy sy mitetika ny hanisy ratsy ny mpanompony ary fantany ny fikasan’izy ireo.—Ge 21:17; Sl 55:18, 19; 69:33; 94:9-11; Je 23:25.
w22.04 3 § 1
Inona no Hanampy Anao Handresy ny Adin-tsaina?
2. Miezaha hisaintsaina. Nisy fotoana ve ianao efa niatrika fisedrana, dia tsapanao hoe tsy ho nahavita niaritra an’ilay izy mihitsy ianao raha tsy teo i Jehovah? Rehefa misaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah antsika sy ny mpanompony fahiny isika, dia lasa be herim-po sady vao mainka matoky azy. (Sal. 18:17-19) Hoy ny anti-panahy iray antsoina hoe Joshua: “Ataoko lisitra izay vavaka nataoko efa novalian’i Jehovah. Manampy ahy izany mba hahatadidy hoe nisy fotoana aho nangataka zavatra voafaritra tsara tamin’i Jehovah, dia izay tena nilaiko mihitsy no nomeny.” Rehefa misaintsaina ny zavatra efa nataon’i Jehovah tamintsika tokoa isika, dia lasa mahazo hery handresena ny adin-tsaina.
18-24 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 19-21
“Ny Lanitra Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra”
w04 1/1 8 § 1-2
Aoka ny Rehetra Hitory ny Voninahitr’i Jehovah
ANKIZILAHY mpiandry ondry teny amin’ny manodidina an’i Betlehema i Davida, zanak’i Jese. Azo antoka fa nibanjina matetika ny lanitra midadasika feno kintana izy, rehefa niandry ny ondrin-drainy tamin’ny alina mangina, tany amin’ireo kijana tsy nisy olona! Tsy maintsy ho nitamberina tao an-tsainy ny zavatra niavaka hitany tamin’izany, rehefa nahazo ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy, ka namorona sy nihira ireo teny kanto ao amin’ny Salamo faha-19. Hoy izy: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin’ny faran’izao rehetra izao.”—Salamo 19:1, 4.
2 Mitory ny voninahitr’i Jehovah andro aman’alina ny lanitra mahatalanjona noforoniny, nefa tsy miteny na mamoaka feo. Tsy mitsahatra manambara ny voninahitr’Andriamanitra ny zavaboary. Ary mampanetry tena ny mandinika ny fanaovan’izy ireo izany “amin’ny tany rehetra” mba ho hitan’ny mponina rehetra. Tsy ampy anefa ny fanomezam-boninahitra ataon’ireo zavaboary tsy miteny. Ampirisihina koa ny olona mahatoky hiara-manao izany amin’izy ireo, amin’ny feo avo. Nasain’Andriamanitra nanoratra ireto teny ireto ho an’ny mpivavaka mahatoky, ny mpanao salamo tsy voalaza anarana: “Manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah. Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany.” (Salamo 96:7, 8) Tena faly mamaly izany antso izany ireo mifandray akaiky amin’i Jehovah. Inona anefa no dikan’ny hoe manome voninahitra an’Andriamanitra?
w04 1/6 11 § 8-10
Mitory ny Voninahitr’Andriamanitra ny Zavaboary!
8 Nilaza zavaboary hafa mahatalanjona koa i Davida. Hoy izy: “Trano-lay ho an’ny masoandro no nataony teo [amin’ny lanitra]; ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ny alehany izy. Any amin’ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ny hafanany.”—Salamo 19:4-6.
9 Salasalany ihany ny haben’ny masoandro, raha oharina amin’ny kintana hafa. Kintana mahavariana anefa izy io, satria toy ny hoe bitika kely ny planeta mihodidina aminy. Misy boky milaza fa milanja “roa arivo tapitrisa tapitrisa tapitrisa tapitrisa taonina” ny masoandro. Midika izany fa raha atambatra ny lanjany sy ny an’ireo planeta mihodidina azy, dia ny 99,9 isan-jaton’izay no lanjan’ny masoandro! Noho ny hery misinton’ny masoandro, dia mihodidina aminy ny tany, nefa tsy mihamanatona na mihamanalavitra azy. Mijanona ho 150 tapitrisa kilaometatra foana ny elanelan’izy ireo. Sombiny kely amin’ny herin’ny masoandro fotsiny no tonga etỳ an-tany, nefa izay dia efa ampy ivelomana.
10 Ampitahain’ny mpanao salamo amin’ny “lehilahy matanjaka” ny masoandro. Mihazakazaka izy mandritra ny andro, miainga avy any amin’ny fiposahany ka hatrany amin’ny filentehany. Mandeha matory ao amin’ny ‘tranolay’ kosa izy ny alina. Rehefa milentika mantsy io kintana lehibe io, dia toy ny hoe miditra anaty ‘tranolay’ mba hiala sasatra. Rehefa miposaka indray izy amin’ny maraina, dia “tahaka ny mpampaka-bady” miramirana, “mivoaka avy ao an-trano fandriany.” Fantatr’i Davida mpiandry ondry fa mamanala ny alina. (Genesisy 31:40) Tsaroany fa nanafana azy sy ny toerana nanodidina azy ny tara-masoandro. Tsy mba reraka nanao “dia” avy any atsinanana nankany andrefana tokoa ny masoandro, fa toy ny “lehilahy matanjaka” vonona hamerina izany indray.
25-31 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 22
Faminaniana Momba An’izay Hitranga Amin’i Jesosy Rehefa ho Faty Izy
w11 15/8 15 § 16
Nahita ny Mesia Izy Ireo
16 Hilaza ny Mesia hoe nahafoy azy Andriamanitra. (Vakio ny Salamo 22:1.) Izany tokoa no nataon’i Jesosy. Tamin’ny telo hariva tany ho any, dia ‘niantso mafy izy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?”, raha adika dia hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?”’ (Mar. 15:34) Tsy midika anefa izany hoe tsy natoky an’i Jehovah intsony i Jesosy. Tsapany fotsiny fa tsy niaro azy ny Rainy teo, mba hahitana raha tena tsy hivadika izy. Tanteraka àry ny Salamo 22:1, rehefa nilaza an’ireo teny ireo izy.
w11 15/8 15 § 13
Nahita ny Mesia Izy Ireo
13 Hisy haneso ny Mesia. (Vakio ny Salamo 22:7, 8.) Nesoin’ny olona i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Hoy i Matio: “Nanomboka nanevateva azy ny mpandalo, sady nihivingivin-doha no niteny hoe: ‘Ry ilay nilaza hoe handrodana ny tempoly sy hanorina azy ao anatin’ny telo andro, vonjeo ny tenanao! Raha zanak’Andriamanitra ianao, midìna avy eo amin’ny hazo fijaliana!’” Hoy koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy: “Ny hafa novonjeny, fa ny tenany tsy hainy vonjena! Mpanjakan’ny Israely izy. Aoka izy izao hidina avy eo amin’ny hazo fijaliana, dia hino azy izahay. Nitoky tamin’Andriamanitra izy. Koa raha tia azy Andriamanitra, dia aoka hamonjy azy ankehitriny, satria hoy izy: ‘Zanak’Andriamanitra aho.’” (Mat. 27:39-43) Tony foana anefa i Jesosy, ka tena modely ho antsika!
w11 15/8 15 § 14
Nahita ny Mesia Izy Ireo
14 Hanaovana antsapaka ny akanjony. Hoy ny Salamo 22:18: “Ifampizaran’izy ireo ny fitafiako, ary anaovany antsapaka ny akanjoko.” Nataon’ny miaramila romanina antsapaka tokoa ny fizarana ny akanjon’i Jesosy, rehefa avy nofantsihana izy.—Mat. 27:35; vakio ny Jaona 19:23, 24.
1-7 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 23-25
“I Jehovah no Mpiandry Ahy”
w11 1/5 31 § 3
“I Jehovah no Mpiandry Ahy”
Mitarika ny ondriny i Jehovah. Mazàna no very ny ondry raha tsy misy mpiandry. Mila fanampiana koa isika mba hahalalana ny lalan-kizorana eo amin’ny fiainana. (Jeremia 10:23) Nilaza i Davida fa mitondra ny vahoakany “eny amin’ny toerana rakotra ahi-maitso” sy “eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara” i Jehovah. Mitarika azy ireo “amin’ny lalan’ny fahamarinana” koa izy. (Andininy 2, 3) Antoka ho antsika izany fa afaka matoky an’Andriamanitra isika. Hahafa-po sy hahafinaritra ary hilamina ny fiainantsika, raha manaiky hotarihin’ny fanahiny isika, ka manaraka ny tari-dalany ao amin’ny Baiboly.
w11 1/5 31 § 4
“I Jehovah no Mpiandry Ahy”
Miaro ny ondriny i Jehovah. Matahotra sy tsy manam-piarovana ny ondry raha tsy eo ny mpiandry azy. Milaza amin’ny vahoakany i Jehovah fa tsy tokony hatahotra izy ireo, na dia “mamakivaky lohasaha maizim-pito aza”, izany hoe mandritra ny fotoan-tsarotra indrindra eo amin’ny fiainany. (Andininy 4) Miambina azy ireo i Jehovah, ary vonon-kanampy rehefa mila fanampiana izy ireo. Afaka manome fahendrena sy hery hiatrehan’izy ireo fitsapana izy.—Filipianina 4:13; Jakoba 1:2-5.
w11 1/5 31 § 5
“I Jehovah no Mpiandry Ahy”
Manome sakafo ny ondriny i Jehovah. Tsy mahita sakafo ny ondry raha tsy ampian’ny mpiandry azy. Tsy mahazo izay ilaintsika ara-panahy koa isika raha tsy ampian’Andriamanitra. (Matio 5:3) Soa ihany fa malala-tanana i Jehovah, ilay Mpanome izay ilaina, ka manomana latabatra feno sakafo eo anoloan’ny mpanompony. (Andininy 5) Ao amin’ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly, toa an’ity gazety vakinao ity, no misy ny sakafo ara-panahy ilaintsika. Manampy antsika izy ireny mba hahafantatra ny dikan’ny fiainana sy ny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
8-14 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 26-28
Tapa-kevitra ny Tsy Hivadika i Davida
w04 1/12 14 § 8-9
Aza Mivadika Mihitsy
8 Nivavaka i Davida hoe: “Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.” (Salamo 26:2) Any anatin’ny vatana lalina any no misy ny voa. Ampiasaina an’ohatra àry ny voa, mba hanondroana ny eritreritra sy ny fihetseham-po lalina indrindra. Manondro ny fahaiza-misaina sy ny fihetseham-po ary ny antony manosika hanao zavatra kosa ny fo. Ny handinihan’i Jehovah ny eritreriny sy ny fihetseham-pony àry, no nangatahin’i Davida tamin’ny vavaka.
9 Nangataka koa i Davida, mba hozahan-toetra, na hohatsaraina ny voany sy ny fony. Ahoana no hanatsaran’i Jehovah ny toetrantsika? Nihira toy izao i Davida: “Hisaotra an’i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.” (Salamo 16:7) Inona no dikan’izany? Midika izany fa tena latsaka tao am-pon’i Davida ny torohevitr’Andriamanitra, ary notehiriziny tao. Nanitsy ny eritreriny sy ny fihetseham-pony lalina indrindra izany. Ho toy izany koa ny amintsika, raha misaintsaina sy mankasitraka ny torohevitra omena antsika amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny solontenany ary ny fandaminany isika, ary mitahiry izany ao am-pontsika. Tsy hivadika koa isika, raha mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah, mba hanadiovany antsika.
w04 1/12 15 § 12-13
Aza Mivadika Mihitsy
12 Niresaka lafin-javatra hafa nanampy azy tsy hivadika i Davida. Hoy izy: “Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ny olom-petsy. Halako ny fiangonan’ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho.” (Salamo 26:4, 5) Tsy niara-nipetraka tamin’ny ratsy fanahy i Davida, ary nankahala ny naman-dratsy.
13 Ary isika? Moa ve isika mandà tsy hiaraka amin’ny olon-dratsy, amin’ny alalan’ny tele, video, sarimihetsika, Internet, na zavatra hafa? Manalavitra ny olom-petsy na ireo mpihatsaravelatsihy ve isika? Mody minamana amintsika ny olona sasany any am-pianarana, na any am-piasana, kanefa ratsy saina. Tena irintsika ve ny hifandray akaiky amin’ny olona tsy mandeha amin’ny fahamarinan’Andriamanitra? Mety hilaza ho manao zavatra amim-pahatsorana koa ny mpivadi-pinoana, nefa ny hampiala antsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah no tena tanjony. Ary ahoana raha misy miseho ho Kristianina eo anivon’ny fiangonana, nefa manafina ny ratsy ataony? Mihatsaravelatsihy koa ny olona toy izany. Mpanampy amin’ny fanompoana i Jayson, ary nanana namana toy izany izy tamin’ny mbola tanora. Hoy izy momba azy ireny: “Nilaza tamiko ny iray tamin’izy ireo indray andro hoe: ‘Tsy hanenenantsika izay ataontsika ankehitriny, satria ho faty ihany isika rehefa ho tonga ny tontolo vaovao. Tsy ho fantatsika akory izay fitahiana hafointsika.’ Nahatonga saina ahy izany. Tsy te ho faty aho rehefa ho tonga ny tontolo vaovao.” Hendry i Jayson, ka nanapaka ny fifandraisany tamin’ireo olona ireo. Nampitandrina ny apostoly Paoly hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Tena zava-dehibe àry ny hanalavirantsika ny naman-dratsy!
w04 1/12 16 § 17-18
Aza Mivadika Mihitsy
17 Ny tranolay sy ny alitarany no foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah, tany Israely. Nahafinaritra an’i Davida io toerana io, ka nivavaka izy hoe: “Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ny voninahitrao.”—Salamo 26:8.
18 Tianao ve ny mankany amin’ireo toerana fianarana momba an’i Jehovah? Misy fandaharam-pianarana Baiboly tsy tapaka any amin’ireo Efitrano Fanjakana tsirairay. Izy ireny no foiben’ny fivavahana marina, eo amin’ilay faritra misy azy. Eo koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sy ny fivoriamben’ny faritra ary ny fivoriambe manokana. Dinihina any amin’ireny fivoriana ireny ny fampahatsiahivan’i Jehovah. Raha miezaka ny ho ‘tia’ azy ireny isika dia hazoto hivory, ary hihaino tsara rehefa tonga any. (Salamo 119:167) Mamelombelona tokoa ny miaraka amin’ny mpiara-manompo, izay maniry ny hahasambatra antsika sy manampy antsika tsy hivadika hatrany!—Hebreo 10:24, 25.
15-21 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 29-31
Tia Antsika Andriamanitra Matoa Izy Manafay Antsika
it “Tarehy, Tava”: “Fomba fiteny misy hoe ‘tava’ na ‘tarehy’” § 10
Tarehy, Tava
‘Manafina ny tava’: Manana heviny maromaro izy io arakaraka izay zavatra resahina. Rehefa i Jehovah Andriamanitra no lazaina hoe manafina ny tavany amin’ny olona iray na maromaro, dia matetika izany no midika hoe tsy ankasitrahany na tsy ampiany intsony ilay olona na ireo olona ireo, satria mety hoe tsy nankatò Azy. Izany, ohatra, no nitranga tamin’ny firenen’Israely. (Jb 34:29; Sl 30:5-8; Is 54:8; 59:2) Lazaina hoe manafina ny tavany i Jehovah indraindray rehefa mbola tsy manao zavatra na tsy mamaly vavaka fa miandry ny fotoana mety aminy. (Sl 13:1-3) Hoy i Davida tamin’i Jehovah: “Afeno tsy hahita ny fahotako ny tavanao.” Niangavy an’Andriamanitra izy mba hamela ny helony na hanaisotra ny fahadisoany.—Sl 51:9; ampit. Sl 10:11.
w07 1/3 19 § 1
Faly Miandry An’i Jehovah
Mila fotoana isika mba handraisan-tsoa avy amin’ny famaizan’i Jehovah, toy ny voankazo izay mila fotoana vao vokatra sy masaka tsara. Hoy ny Baiboly: “Mitondra vokatra hiadanana ho an’izay nomena fanazarana tamin’izany [ny famaizan’Andriamanitra]. Ary ny fahamarinana izany vokatra izany.” (Hebreo 12:11) Mila fotoana àry isika mba hanovana ny toe-tsaintsika hifanaraka amin’ny fanazarana omen’Andriamanitra. Aoka hatao hoe mamoy tombontsoa sasany eo anivon’ny fiangonana isika, noho ny zavatra tsy nety nataontsika. Tsy ho kivy na hanary toky isika amin’izay, raha vonona hiandry an’Andriamanitra. Mampahery izao teny nasain’Andriamanitra nosoratan’i Davida izao, amin’ny fotoana toy izany: “Fa indray mipì-maso ihany ny fahatezeran[’Andriamanitra]; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.” (Salamo 30:5) Ho avy ny fotoana ‘hihobiantsika’, raha miezaka hahay hiandry isika, sady mampihatra ny torohevitra omen’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminany.
Vatosoa Ara-panahy
w06 15/5 19 § 14
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana I
31:23—Inona no dikan’ilay hoe mamaly dia mamaly ny mpiavonavona i Jehovah? Midika hoe manasazy ny hoe mamaly eo. Mahazo fananarana avy amin’i Jehovah ny olo-marina, ho valin’ny fahadisoana tsy nahy ataony. Tsy mety miala amin’ny ratsy ataony kosa ny olona miavonavona, ka mamaly dia mamaly azy i Jehovah, izany hoe omeny sazy tena mafy izy.—Ohabolana 11:31; 1 Petera 4:18.
22-28 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 32-33
Nahoana Ianao no Tokony Hiaiky Raha Nanao Fahotana Lehibe?
w93 15/3 9 § 7
Mamonjy Antsika Amin’ny Famoizam-po ny Famindram-pon’i Jehovah
7 Raha meloka noho ny fandikana lehibe ny lalàn’Andriamanitra isika, dia mety ho sarotra amintsika ny mibaboka ny fahotantsika, na dia amin’i Jehovah aza. Inona no mety hitranga amin’ny toe-javatra toy izany? Ao amin’ny Salamo faha-32, dia niaiky toy izao i Davida: “Raha nangina aho [fa tsy nibaboka], dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva. Fa efa navesatra tamiko andro aman-alina ny tànanao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona.” (Andininy faha-3, 4). Ny fanandramana nanafina ny fahotany sy nampangina ny feon’ny fieritreretany meloka, dia nandany tanteraka an’i Davida izay nampanaram-po ny fironan-dratsiny. Nampihena ny tanjany aoka izany ny fitebitebena, hany ka toy ny hazo voan’ny fahamainana tsy nisy hamandoana nanome aina izy. Raha ny marina, dia nety ho nahita voka-dratsiny ara-tsaina sy ara-batana mihitsy ny tenany. Na ahoana na ahoana, dia namoy ny fifaliany izy. Raha ao anatin’ny toe-javatra toy izany ny iray amintsika, inona no tokony hataontsika?
cl 262 § 8
Andriamanitra “Mamela Heloka”
8 Hoy i Davida, rehefa nibebaka: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. ... Ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” (Salamo 32:5) Ilay hoe “namela” eto dia fandikana ny teny hebreo midika hoe “manainga” na “mitondra.” Midika izy io eto hoe manala ny “fahatsiarovan-tena ho meloka sy ny ota ary fahadisoana.” Toy ny hoe ningain’i Jehovah àry ny fahotan’i Davida, ka nentiny lavitra. Tena nanamaivana ny fahatsapan’i Davida ho meloka izany. (Salamo 32:3) Afaka matoky tanteraka koa isika fa mitondra lavitra ny fahotan’ireo mitady famelana Andriamanitra, miorina amin’ny finoan’izy ireo ny sorom-panavotan’i Jesosy.—Matio 20:28.
w01 1/6 30 § 1
Fieken-keloka Nahasitrana
Tsy nanjary nihevi-tena ho tsy nisy vidiny intsony i Davida, rehefa avy niaiky ny helony. Asehon’ny teny momba ny fieken-keloka nosoratany ao amin’ireo salamo fa nahatsiaro ho maivamaivana izy ary tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Jereo, ohatra, ny Salamo 32. Hoy ny andininy voalohany: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.” Na lehibe toy inona aza ny fahotan’ny olona iray, dia mety ho tsara ny fiafaran’ny raharaha, raha tena mibebaka izy. Anisan’ny fomba anehoana io fahatsorana io ny fanekena amin’ny fomba feno ny andraikitra noho ny zavatra nataon’ny tena, toy ny nataon’i Davida. (2 Samoela 12:13) Tsy nanandrana nanamarin-tena teo anatrehan’i Jehovah izy, na nanilika ny fahadisoana. Hoy ny andininy faha-5: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” Ahazoana fanamaivanana ny tena fibebahana, hany ka tsy voatery henjehin’ny eritreriny noho ny fahotany taloha intsony ny olona iray.
Vatosoa Ara-panahy
w06 15/5 20 § 1
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana I
33:6—Inona ilay ‘fofonaina’ avy amin’ny vavan’i Jehovah? Ny hery ampiasain’Andriamanitra izy io, izany hoe ny fanahy masina. Nampiasainy hanamboarana ny lanitra, ohatra, izy io. (Genesisy 1:1, 2) Tody lavitra toy ny fofonaina mahery izy io, rehefa irahina hanao zavatra. Izany no antony iantsoana azy hoe fofonain’ny vavany.
29 APRILY–5 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 34-35
‘Miderà An’i Jehovah Foana’
w07 1/3 22 § 11
Andao Isika Hiara-manandratra ny Anaran’i Jehovah
11 “Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.” (Salamo 34:1) Nandositra foana i Davida ka tsy maintsy ho niasa saina ny amin’izay hohaniny isan’andro. Tapa-kevitra ny hidera an’i Jehovah hatrany anefa izy na izany aza, araka ny asehon’io andininy io. Izany ka ohatra tsara ho antsika rehefa tojo zava-tsarotra isika! Ny hidera an’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika na any an-tsekoly isika, na any am-piasana, na miaraka amin’ny mpiray finoana, na eny amin’ny fanompoana. Mba saintsaino ange ireo antony tsy tambo isaina tokony hiderantsika azy e! Tsy ho tapitra mihitsy, ohatra, ny zavatra azontsika fantarina sy ankafizina amin’ireo zava-mahatalanjona noforonin’i Jehovah. Saintsaino koa ange ny zavatra nataony tamin’ny alalan’ny fandaminany eto an-tany e! Tsy lavorary ireo olona mahatoky ampiasain’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, nefa ampanaoviny asa be dia be. Manao ahoana ny asan’Andriamanitra raha ampitahaina amin’ny an’ireo olona hindrahindrain’ity tontolo ity? Azo antoka fa hiaiky toa an’i Davida ianao hoe: “Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ireo andriamanitra; ary tsy misy tahaka ny asanao.”—Salamo 86:8.
w07 1/3 22 § 13
Andao Isika Hiara-manandratra ny Anaran’i Jehovah
13 “Jehovah no reharehan’ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho faly.” (Salamo 34:2) Tsy nirehareha noho ny zava-bitany i Davida eo. Tsy nampieboebo azy, ohatra, ny fomba namitahany ny mpanjakan’i Gata. Takany fa voavonjy izy, satria nanampy sy niaro azy i Jehovah. (Ohabolana 21:1) I Jehovah àry no reharehan’i Davida fa tsy ny tenany. Nahatonga an’ireo mpandefitra hanatona an’i Jehovah izany. Nanandratra ny anaran’i Jehovah foana koa i Jesosy, ka nanjary nanatona an’i Jehovah ireo olona nanetry tena sy mora nampianarina. Manatona ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra koa ireo mpandefitra avy amin’ny firenena rehetra, ary i Jesosy no Lohan’io fiangonana io. (Kolosianina 1:18) Mandre an’ireo Kristianina manetry tena midera ny anaran’Andriamanitra ireo mpandefitra ireo. Mandre ny hafatra ara-baiboly koa izy ireo, ary mahazo ny hevitr’izy io noho ny fanampian’ny fanahy masina. Nahatonga azy ireo hanatona an’i Jehovah izany.—Jaona 6:44; Asan’ny Apostoly 16:14.
w07 1/3 23 § 15
Andao Isika Hiara-manandratra ny Anaran’i Jehovah
15 “Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra.” (Salamo 34:4) Zava-dehibe tamin’i Davida ny nanafahan’i Jehovah azy. Hoy àry izy: “Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.” (Salamo 34:6) Afaka mitantara zavatra mampahery isika rehefa miaraka amin’ny mpiray finoana amintsika. Azontsika resahina ny fomba nanampian’i Jehovah antsika, ka nahafahantsika niaritra toe-javatra sarotra. Manatanjaka ny finoan’izy ireo mantsy izany. Nanao toy izany i Davida, ka natanjaka ny finoan’ireo olona niaraka taminy. ‘Nijery [an’i Jehovah ireo namany ireo] ka miramirana, sady tsy nangaihay ny tavany.’ (Salamo 34:5) Tsy menatra na ‘nangaihay’ izy ireo, na dia teny am-pandosirana an’i Saoly Mpanjaka aza. Miramirana izy ireo satria natoky fa nanampy an’i Davida Andriamanitra. “Mijery” an’i Jehovah na miantehitra aminy toy izany koa ireo Kristianina efa hatramin’ny ela sy ireo vaovao. Miramirana izy ireo rehefa mahatsapa ny fanampian’i Jehovah. Izany no mampiseho fa tapa-kevitra ny tsy hivadika izy ireo.