NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Tsy Hivadika Ianao Raha Mahavita Mifehy Izay Eritreretinao

Tsy Hivadika Ianao Raha Mahavita Mifehy Izay Eritreretinao

Tsy amin’izay lazaintsika na ataontsika ihany isika no mampiseho hoe tsy mivadika, fa amin’izay eritreretintsika koa. (Sl 19:14) Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika antsika hieritreritra zavatra marina, zava-dehibe, mety, madio, mahatehotia, tsara laza, mendrika, ary mendri-piderana. (Fi 4:8) Marina hoe mety hieritreri-dratsy ihany isika indraindray. Mila mifehy tena anefa isika dia manala an’izany ao an-tsaintsika, ary mieritreritra zavatra tsara. Hahavita tsy hivadika isika amin’izay ataontsika raha miezaka ny tsy hivadika amin’izay eritreretintsika.​—Mr 7:21-23.

Soraty eo ambanin’ny andinin-teny tsirairay ny karazana eritreritra tokony hohalavirintsika:

Ro 12:3

Lk 12:15

Mt 5:28

Fi 3:13