NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Azonao Atao mba Hiarovana ny Lazantsika?

Inona no Azonao Atao mba Hiarovana ny Lazantsika?

Mandinika ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona. (1Ko 4:9) Mety hanontany tena àry isika hoe: ‘Manome voninahitra an’i Jehovah ve ny fomba fiteniko sy ny ataoko?’ (1Pe 2:12) Miezaka hanana laza tsara ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay, dia tsy irintsika hoe ny zavatra ataontsika no hanimba an’izany.​—Mpto 10:1.

Soraty hoe inona no tokony hataon’ny Kristianina amin’ireto toe-javatra ireto; soraty koa izay torolalan’ny Baiboly mety hanampy azy:

  • Misy olona tsy vavolombelona misafoaka amin’ilay Kristianina

  • Maloto sy mikorontana ny akanjony, ny fiarany, na ny tranony

  • Hoatran’ny tsy rariny ny lalàna navoakan’ny fanjakana na sarotra arahina

Inona no ataon’ny mpanao fikarohana ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana mba hiarovana ny lazantsika?

JEREO ILAY VIDEO HOE IZAY TENA MARINA IHANY, ARY VALIO ITY:

Inona no mampiaiky anao amin’ny ezaka ataon’ny fandaminana mba ho marina tsara ny fanazavana avoakany?