NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fandaharana Natao Hampaherezana ny Fianakavian’ny Betela

Fandaharana Natao Hampaherezana ny Fianakavian’ny Betela

Miatrika olana daholo isika rehetra ary mila fampaherezana. Mety ho kivy ny olona iray na dia matanjaka ara-panahy aza, na manana andraikitra eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. (Jb 3:1-3; Sl 34:19) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fandaharana natao hampaherezana ny fianakavian’ny Betela?

JEREO ILAY VIDEO HOE MATOKIA AN’ANDRIAMANITRA!, ARY VALIO IRETO:

  • Inona avy ny olana atrehin’ny fianakavian’ny Betela?

  • Inona ny zavatra efatra natao hampaherezana azy ireo?

  • Inona no tsapan’ireo rahalahy notendrena hampahery ny fianakavian’ny Betela?