NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Miezaha Hianina Amin’izay Efa Eo”

“Miezaha Hianina Amin’izay Efa Eo”

Raha mahantra ianao dia mety alaim-panahy hanao zavatra hanimba ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Mety hoe hahita asa hahazoana vola be, ohatra, ianao nefa hanelingelina ny fanompoanao an’i Jehovah ilay izy. Hanampy anao ny misaintsaina ny Hebreo 13:5.

“Asehoy amin’ny fomba fiainanareo hoe tsy tia vola ianareo”

  • Mivavaha dia mandiniha tena mba hahitana hoe ahoana ny fiheveranao ny vola, ary diniho hoe inona no modely omenao ny zanakao.​—hf 4:7.

“Miezaha hianina amin’izay efa eo”

  • Ahitsio ny fomba fijerinao an’izay tena ilainao.​—w16.07 7 § 1-2.

“Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy”

  • Matokia fa hanampy anao hahazo an’izay tena ilainao eo amin’ny fiainana i Jehovah, raha manao loha laharana foana an’ilay Fanjakana ianao.​—w14 15/4 21 § 17.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIADAN-TSAINA NY MPIARA-MANOMPO AMINTSIKA NA EO AZA NY OLANA ARA-BOLA, ARY VALIO ITY:

Inona no ianaranao avy amin’i Miguel Novoa?