NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ry Ray Aman-dreny, Atoroy ny Zanakareo ny Fomba Hampifaliana An’i Jehovah

Ry Ray Aman-dreny, Atoroy ny Zanakareo ny Fomba Hampifaliana An’i Jehovah

Tena sarobidy amin’i Jehovah ny ankizy. Hitany ny fandrosoana ataon’izy ireo sy ny fiaretany. (1Sa 2:26; Lk 2:52) Na dia mbola kely aza ny ankizy dia tena mahafaly an’i Jehovah ny mahita azy ireo hoe hendry. (Oh 27:11) Mampiasa ny fandaminany i Jehovah mba hanomezana fitaovana tsara be ho an’ny ray aman-dreny. Natao hampianarana ny ankizy ho tia sy hankatò an’i Jehovah izy ireny.

JEREO ILAY VIDEO HOE RANKIZY, FALY I JEHOVAH REHEFA TSY MIVADIKA IANAREO, ARY VALIO IRETO:

  • Nanampy sy nitari-dalana ny ankizy i Jehovah hatramin’izay. Ahoana no nataony?

  • Inona ny fitaovana azon’ny ray aman-dreny ampiasaina amin’izao fotoana izao mba hanampiana ny zanany?

  • Raha ankizy ianao, dia inona tamin’ny zavatra nomen’i Jehovah no nahasoa anao ary nahoana?