NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Maninona Raha mba ‘Manokana Vola’?

Maninona Raha mba ‘Manokana Vola’?

Tsy tokony hanadino hanao fanomezana an-tsitrapo isika. Nilaza mantsy ny apostoly Paoly hoe tokony “hanokana vola” tsy tapaka ho amin’izany isika. (1Ko 16:2) Manampy antsika hanohana ny fivavahana marina sy ho faly ny fanaovana an’izany. Mety heverintsika hoe kely ny fanomezana omentsika. Tena faly anefa i Jehovah mahita antsika manome voninahitra azy amin’ny zava-tsarobidy ananantsika.​—Oh 3:9.

JEREO ILAY VIDEO HOE MISAOTRA ANAO MANOKANA VOLA HATAO FANOMEZANA, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no mahatsara an’ilay hoe mandinika mialoha ny fanomezana ataontsika?

  • Ahoana no ataon’ny olona sasany mba ‘hanokanana vola’ atao fanomezana?