HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mafy Loatra ve ny Mahazo Anao ka Mila Tsy ho Zakanao?

Mafy Loatra ve ny Mahazo Anao ka Mila Tsy ho Zakanao?

Hoatran’ny asa an-terivozona no fahitan’i Joba ny fiainany rehefa niatrika fitsapana izy (Jb 7:1; w06 15/3 14 § 10)

Nangidy loatra ny fiainany dia navoakany daholo izay tao am-pony (Jb 7:11)

Nilaza koa izy hoe te ho faty mihitsy (Jb 7:16; w20.12 51:1)

Raha mitady tsy ho zakanao izay mahazo anao dia aborahy amin’i Jehovah izay ao am-ponao. Miresaha koa amin’ny namana matotra satria mety hanamaivana anao izany.​—g 1/12 16-17.