NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mamonjy An’izay Kivy i Jehovah

Mamonjy An’izay Kivy i Jehovah

Malahelo isika indraindray. Tsy midika akory izany hoe marary ara-panahy isika. Na i Jehovah aza nilaza hoe indraindray misy zavatra mampalahelo azy. (Ge 6:​5, 6) Ahoana anefa raha matetika isika no malahelo be na hoe malahelo be foana?

Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Zava-dehibe amin’i Jehovah ny zavatra tsapantsika. Fantany isika rehefa faly na malahelo ary azony tsara ny anton’izany. (Sl 7:9b) Ny tena zava-dehibe dia hoe miahy antsika i Jehovah ary afaka manampy antsika izy rehefa malahelo isika na kivy be.​—Sl 34:18.

Arovy ny sainao. Mety hisy vokany amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny fifaliantsika ny mieritreritra zavatra mahakivy. Tokony hiaro ny fontsika àry isika, izany hoe ny maha isika antsika, anisan’izany ny eritreritra sy ny fihetseham-po.​—Oh 4:23.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIADAN-TSAINA NY MPIARA-MANOMPO AMINTSIKA NA EO AZA NY HAKIVIANA BE, ARY VALIO IRETO:

  • Inona avy no nataon’i Nikki rehefa kivy be izy?

  • Fa maninona i Nikki no nieritreritra hoe nila nanatona dokotera izy?​—Mt 9:12

  • Ahoana avy no nampisehoan’i Nikki hoe niantehitra tamin’i Jehovah izy?