NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mpiandry Ondry Mitady Izay Hahasoa ny Vahoakan’i Jehovah

Mpiandry Ondry Mitady Izay Hahasoa ny Vahoakan’i Jehovah

Olona maro no tsy matoky ny manam-pahefana ary tsy mahagaga izany. Efa hatramin’izay ny olona no manararaotra fahefana mba hahazoany tombony. (Mi 7:3) Soa ihany fa ampiofanin’i Jehovah ny anti-panahy dia lasa mitady izay hahasoa ny vahoakan’i Jehovah rehefa mampihatra fahefana.​—Es 10:3; Mt 20:​25, 26.

Tsy hoatran’ny manam-pahefana eo amin’izao tontolo izao ny anti-panahy. Manatanteraka ny andraikiny ry zareo satria tia an’i Jehovah sy ny andian’ondriny. (Jn 21:16; 1Pe 5:​1-3) Manaraka ny tari-dalan’i Jesosy ry zareo dia ampiany ny mpitory tsirairay hahatsapa hoe tena mahafinaritra ilay hoe anisan’ny fianakavian’i Jehovah. Ampian’ny anti-panahy koa ny mpitory mba hifandray akaiky foana amin’i Jehovah. Mailaka erỳ ry zareo hampahery sy hanampy ny ondrin’i Jehovah, rehefa misy mila fitsaboana tampoka na rehefa misy loza. Raha mila fanampiana àry ianao, dia aza misalasala miresaka amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo.​—Jk 5:14.

JEREO ILAY VIDEO HOE MPIANDRY MIKARAKARA NY ANDIAN’ONDRY, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no nanampian’ny anti-panahy an’i Mariana?

  • Ahoana no nanampian’ny anti-panahy an’i Elias?

  • Ahoana no fahitanao ny asan’ny anti-panahy rehefa avy nijery an’iny video iny ianao?