Afaka manampy ny zanany mba hanana fahendrena avy amin’i Jehovah ny ray aman-dreny. Anisan’ny fomba tsara indrindra hanaovany an’izany ny fanampiany azy ireo handray soa avy amin’ny fivoriana. Hanampy ny ankizy hianatra momba an’i Jehovah sy ho lasa namany be izay zavatra hitany sy reny any am-pivoriana ary ny fanomezany valin-teny. (De 31:12, 13) Raha ray aman-dreny ianao, ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba handray soa faran’izay betsaka amin’ny fivoriana?
Miezaha mba hanatrika fivoriana mivantana.—Sl 22:22
Miezaha hifampahery amin’ny mpiara-manompo aloha na aorian’ny fivoriana.—He 10:25
Ataovy azo antoka hoe manana ny fitaovana ampiasaina any am-pivoriana ny mpianakavy tsirairay, na vita pirinty izany na amin’ny endriny elektronika
Ampio ny zanakao hanomana valin-teny amin’ny fomba fiteniny.—Mt 21:15, 16
Miresaha zavatra mahafinaritra momba ny fivoriana sy ny zavatra ianaranao any
Ampio ny zanakao mba handray anjara amin’ny asa atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ohatra hoe fanadiovana. Ampio koa izy mba hiresaka amin’ireo be taona ao amin’ny fiangonanareo
Mitaky ezaka be ny manampy ny zanakao mba ho akaiky an’i Jehovah ary mety hatahotra ianao indraindray hoe tsy ho vitanao mihitsy izany. Afaka miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah anefa ianao.—Is 40:29.