Nahoana Isika no Mila Fanantenana?

Nahoana Isika no Mila Fanantenana?

Nahoana Isika no Mila Fanantenana?

INONA no ho nitranga, raha mbola be fanantenana foana i Daniel, ilay zazalahy voan’ny kansera, noresahina teo am-piandohan’ilay lahatsoratra teo aloha? Ho sitrana ve izy? Mbola ho velona ve izy ankehitriny? Angamba tsy ho sahy hilaza izany, na dia ireo olona tena mino aza hoe mahasitrana ny fanantenana. Misy zava-dehibe tokony hotadidintsika àry ity: Tsy tokony hieritreritra isika hoe vahaolana amin’ny zava-drehetra ny fanantenana. Tsy ody faty izy io.

Nampitandrina ny Dr. Nathan Cherney, tao amin’ny Tele CBS, fa mety hisy vokany ratsy izany fiheverana izany, rehefa mitsabo olona marary mafy. Hoy izy: “Nisy lehilahy nanakiana ny vadiny hoe tsy matanja-tsaina izy sady kely finoana.” Hoy koa io dokotera io: “Ny fiheverana toy izany, dia nahatonga ny olona hieritreritra, fa tokony ho afaka hisakana ny fitomboan’ilay kansera mahazo azy ilay marary. Koa rehefa mihamarary àry izy, dia mety hisy hanome tsiny azy hoe tsy nahay nifehy tsara ny fitomboan’ny aretiny izy. Tsy rariny anefa izany.”

Reraka be ny marary efa ho faty, sady tena mafy ny manjo azy. Azo antoka fa tsy haniry hanampy trotraka an’izany ny havan-tiany, ka hanao izay hahatsiarovany tena ho meloka. Tokony hanatsoaka hevitra àry ve isika fa tsy zava-dehibe ny fanantenana?

Tsy izany mihitsy. Manamaivana ny fanaintainan’ny marary sy ny soritr’aretiny, ohatra, no asan’io dokotera noresahina tetsy aloha io. Tsy mitsabo ilay aretina na manao izay hanalavana ny fiainan’ilay marary izy, fa izay hahatonga azy ho falifaly kokoa mandra-pahafatiny. Mino tokoa ny dokotera toy ireny fa tena ilain’ny marary, na dia ireo marary mafy aza, ny fanaovana izany. Misy porofo maro be mampiseho fa afaka manampy ny marary ho falifaly kokoa ny fanantenana. Mbola be lavitra noho izany aza ny zava-bitan’izy io.

Zava-dehibe ny fanantenana

“Fitsaboana tena mandaitra ny fanantenana”, hoy ny Dr. W. Gifford-Jones, mpanao gazety momba ny fitsaboana. Nojeren’io dokotera io akaiky indray ireo fandinihana natao taloha, hamantarana raha tena ilaina na tsia ny mampahery ny marary efa ho faty. Voalaza fa be fanantenana kokoa ny olona rehefa ampaherezina. Hita tamin’ny fandinihana iray natao tamin’ny 1989, fa ela velona kokoa ny marary nampaherezina, na dia tsy nanaporofo izany loatra aza ny fikarohana natao vao haingana. Na izany aza, dia voamarina tamin’ny fandinihana natao, fa tsy dia ketraka loatra, sady tsy manaintaina firy izy ireny.

Nisy fandinihana hafa koa natao, hijerena hoe inona no vokany eo amin’ny fo raha be fanantenana ny olona iray na tsia. Nanaovana fandinihana akaiky àry ny lehilahy 1 300 mahery. Rehefa afaka folo taona, dia hita fa 150 mahery no tratran’ny aretim-po, ary 860 eo ho eo no tsy nanana fanantenana. Hoy i Laura Kubzansky, mpampianatra mpanampy momba ny fahasalamana sy ny fifandraisana amin’ny olona, any amin’ny Oniversiten’i Harvard Misahana ny Fahasalamam-bahoaka: ‘Saika ny tantara nampitampitain’ny olona foana hatramin’izay no nentina nanaporofo fa mahasalama ny fo ny “fananana fanantenana.” Io fandinihana io no nahafahana nanaporofo voalohany ara-tsiansa fa tena marina izany.’

Hita tamin’ny fandinihana hafa natao koa fa ela kokoa vao sitrana ny olona avy nodidiana, raha mieritreritra izy fa mbola marary. Mifanohitra amin’izany kosa ireo mino fa efa salama tsara. Nisy nahita koa fa ela velona kokoa ny olona be fanantenana. Nisy fandinihana natao koa hijerena hoe inona no vokany eo amin’ny zokiolona, rehefa ilazana izy hoe tsara na ratsy ny fahanterana. Naseho vetivety teo amin’ny ordinatera, ohatra, ny filazana hoe hendry sy za-draharaha kokoa ny antitra. Hita fa lasa navitribitrika kokoa izay zokiolona namaky izany. Toy ny hoe nanao fanatanjahan-tena nandritra ny telo volana mihitsy aza izy ireo!

Nahoana no toa misy vokany tsara toy izany eo amin’ny fahasalamana ny fananana fanantenana? Angamba mbola tsy tena mahafantatra tsara ny saina sy ny vatan’ny olombelona ny mpahay siansa sy ny dokotera, ka mbola tsy afaka manome valiny marina momba izany. Afaka manome ny heviny miorina amin’ny zavatra efa hitany anefa ireo manam-pahaizana mikaroka ny valin’io fanontaniana io. Izao, ohatra, no hevitry ny mpampianatra iray momba ny rafi-pitatitra: ‘Misy vokany tsara eo amin’ny olona ny fifaliana sy ny fanantenana. Tsy mitebiteby firy izy, ka salama tsara ny vatany. Tokony hiezaka ho faly sy ho be fanantenana koa àry izay rehetra te ho salama foana.’

Mety ho vaovao amin’ny dokotera sy ny psikology ary ny mpahay siansa sasany izany fomba fijery izany, nefa tsy vaovao amin’ny mpianatra ny Baiboly. Nahazo herin’ny fanahy masina i Solomona mpanjaka hendry, efa ho 3 000 taona lasa izay, ka nanoratra hoe: “Ny fo ravoravo mahasalama tsara; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.” (Ohabolana 17:22) Jereo fa voalanjalanja tsara io andinin-teny io. Tsy milaza izy fa hahasitrana ny aretina rehetra ny fo ravoravo. Lazainy fotsiny hoe “mahasalama tsara” izy io.

Raha fanafody tokoa mantsy ny fanantenana, iza no dokotera tsy hilaza amin’ny marary mba hampiasa azy io? Tsy manampy ny olona ho salama fotsiny anefa ny fanantenana. Mahasoa lavitra noho izany izy io.

Mahasoa eo amin’ny fiainana

Hitan’ny mpikaroka fa mandray soa be dia be ny olona be fanantenana. Mazàna izy ireo no mahay kokoa any am-pianarana sy any am-piasana ary na dia amin’ny fanatanjahan-tena aza. Nanaovana fandinihana, ohatra, ny vehivavy tao amin’ny ekipa iray mpanao atletisma. Nolazain’ny mpanazatra tamin’ny an-tsipiriany ny mety ho zava-bitan’izy ireo. Nadinadinina koa anefa izy ireo, ary nofantarina tsara hoe manao ahoana ny tokin’ainy. Hita tamin’ny valin’ny fifaninanana fa nahavita zavatra tsara lavitra noho izay noeritreretin’ny mpanazatra ireo be tokin’aina. Nahoana no manan-kery lehibe toy izany ny tokin’aina na fanantenana?

Betsaka ny zavatra fantatry ny mpikaroka, rehefa nandinika akaiky an’ireo olona tsy manana fanantenana izy ireo. Nandinika ny fihetsiky ny biby, ohatra, izy ireo nandritra ireo taona 1960, ka tsy nampoiziny ny valiny. Hitan’izy ireo fa mety hanjary ho mora kivy, tsy misy hafa amin’ny biby ny olona, rehefa tsy mahavaha olana iray. Ny zava-nitranga taminy no tena mahatonga ny sasany hanana io toe-tsaina io. Nisy olona nanaovana fanandramana, ohatra, ka nampihainoana tabataba be. Nilazana izy ireo fa afaka nianatra nampijanona ilay izy. Nasaina nanindry bokotra maromaro izy, mba hahavitana izany. Vitan’izy ireo tokoa ny nampijanona ilay tabataba.

Nisy antokon’olona faharoa nasaina nanao toy izany, nefa tsy nijanona ilay tabataba na dia nanindry an’ireo bokotra aza izy ireo. Azonao an-tsaina avy hatrany, fa nieritreritra ny maro taminy hoe tsy hahavita hampijanona ilay tabataba mihitsy. Nasaina nanao ilay fanandramana indray izy ireo avy eo, nefa nisalasala. Nino izy fa tsy hijanona ilay tabataba na inona na inona hataony. Tsy nanaiky ho kivy toy izany kosa anefa ireo be fanantenana tao amin’io antokon’olona faharoa io.

Tapa-kevitra ny handinika akaiky an’ireo fihetsika roa ireo ny Dr. Martin Seligman, izay anisan’ny nanomana ny sasany tamin’ny fanandramana etsy aloha. Nandinika akaiky an’ireo olona mora mihevi-tena ho tsy mahay na inona na inona izy. Hitany fa manjary sarotra ho an’ireny olona ireny, na tsy vitany mihitsy aza, ny zavatra maro fanaony isan’andro. Nanazava fohy ny atao hoe tsy fananana fanantenana sy ny vokatr’izany i Seligman. Hoy izy: ‘Miaiky aho, rehefa avy nandinika nandritra ny 25 taona, fa raha mino foana isika hoe ny tenantsika ihany no mitera-pahavoazana ho antsika, ary ho voa toy izany foana isika, satria tsy hisy hety izay hataontsika, dia vao mainka ho mafy noho izany aza no hanjo antsika.’

Araka ny nolazaina tetsy aloha, dia mety ho vaovao amin’ny olona sasany izany fanatsoahan-kevitra izany, nefa tsy vaovao amin’ny mpianatra ny Baiboly. Hoy ny ohabolana iray: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10) Hazavain’ny Baiboly tsara tokoa fa tsy hanan-kery hanaovan-javatra ianao raha kivy. Inona àry no azonao atao mba hahatonga anao ho be fanantenana kokoa eo amin’ny fiainana?

[Sary, pejy 4, 5]

Mandray soa be dia be izay manana fanantenana