Tena Zava-dehibe ve ny Fanantenana?

Tena Zava-dehibe ve ny Fanantenana?

Tena Zava-dehibe ve ny Fanantenana?

VAO folo taona monja i Daniel, nefa efa herintaona no niadiany mafy tamin’ny kansera. Efa tsy nanana fanantenana intsony ny dokoterany sy ny olona akaiky azy. Izy kosa anefa mbola be fanantenana. Nino izy fa ho lasa mpikaroka rehefa lehibe, ka handray anjara amin’ny fitadiavana fanafodin’ny kansera. Ho avy hijery azy ny dokotera iray manam-pahaizana manokana momba ilay karazana kansera nahazo azy, ka izany no tena nahavelom-panantenana azy. Tsy afaka nankany amin’i Daniel anefa ilay dokotera, rehefa tonga ilay fotoana, satria ratsy be ny andro. Kivy i Daniel. Sambany izy vao tsy navitribitrika. Andro vitsy monja taorian’izay, dia maty izy.

Dokotera, nanadihady momba ny vokatry ny fanantenana sy ny famoizam-po eo amin’ny fahasalamana, no nilaza io tantara io. Mety ho efa nandre tantara nitovy tamin’io ianao. Misy, ohatra, zokiolona efa ho faty, nefa manantena mafy ny hahatongavan’ny fotoan-dehibe iray efa nandrasany hatry ny ela. Mety ho fitsidihan’ny havan-tiany izany, na tsingerin-taona fotsiny. Rehefa lasa kelikely ilay fotoan-dehibe, dia maty ilay olona. Inona no nahatonga azy hahatratra ilay fotoan-dehibe? Manan-kery lehibe araka ny fiheveran’ny olona sasany tokoa ve ny fanantenana?

Mihamaro ny mpikaroka ara-pitsaboana milaza, fa tena mety hanan-kery lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray sy ny fahasalamany, ny fananana fanantenana sy ny toe-tsaina hafa mitovy amin’izany. Tsy ny rehetra anefa no manaiky ny hevitr’izy ireo. Lazain’ny mpikaroka sasany fa tsy azo porofoina ara-tsiansa izany. Mihevitra izy ireo fa matoa marary ny olona, dia satria misy tsy mety ao amin’ny vatany.

Efa ela no nisy olona tsy nino fa zava-dehibe ny fanantenana. An’arivony taona lasa izay, dia nasaina namaritra ny atao hoe fanantenana i Aristote, filozofa grika, ka hoy izy: “Ny atao hoe fanantenana dia nofinofy antoandro.” Vao haingana kokoa, dia nanao izao fanamarihana mahery izao i Benjamin Franklin, mpitondra fanjakana amerikanina: “Ho diso fanantenana izay miantehitra amin’ny fanantenana.”

Inona àry ny marina momba ny fanantenana? Nofinofy ampiononan’ny olona ny tenany ve izy io? Sa tena afaka matoky isika fa tsy nofinofy fotsiny izy io, fa zavatra marim-pototra sy tena mahasoa, ary ilaintsika rehetra mba hahasalama sy hahasambatra antsika?