LAHATSORATRA FIANARANA 25

HIRA 7 Jehovah, Herinay sy Tanjakay

Tadidio hoe “Andriamanitra Velona” i Jehovah

Tadidio hoe “Andriamanitra Velona” i Jehovah

“Velona i Jehovah.”​—SAL. 18:46.

HEVITRA HODINIHINA

Mandray soa be isika raha mitadidy hoe “Andriamanitra velona” ilay Andriamanitra ivavahantsika.

1. Inona no manampy ny vahoakan’i Jehovah hanompo azy foana na eo aza ny olana atrehiny?

 “FOTOAN-TSAROTRA tsy mora atrehina!” (2 Tim. 3:1) Izany no iantsoan’ny Baiboly ny andro iainantsika. Miatrika olana daholo ny olona rehetra, fa mbola miampy fanenjehana sy fanoherana ny an’ny vahoakan’i Jehovah. Inona no manampy antsika hanompo an’i Jehovah foana na eo aza ireny olana ireny? Anisan’ny tena manampy ilay isika mahafantatra hoe “Andriamanitra velona” i Jehovah.​—Jer. 10:10; 2 Tim. 1:12.

2. Nahoana isika no milaza hoe Andriamanitra velona i Jehovah?

2 Tena misy i Jehovah ary manohana antsika izy rehefa miatrika olana isika. Mitady hirika koa izy mba hanampiana antsika. (2 Tan. 16:9; Sal. 23:4) Hahavita hiatrika an’izay fitsapana mahazo antsika isika, raha mitadidy hoe Andriamanitra velona izy. Izany no nitranga tamin’i Davida Mpanjaka.

3. Inona no tian’i Davida hotenenina amin’ilay hoe “velona i Jehovah”?

3 Nahafantatra an’i Jehovah i Davida sady niantehitra taminy. Rehefa nanenjika azy ny fahavalony, anisan’izany i Saoly Mpanjaka, dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy. (Sal. 18:6) Namaly ny vavaka nataony Andriamanitra dia namonjy azy. Hoy i Davida avy eo: “Velona i Jehovah!” (Sal. 18:46) Inona no tiany hotenenina? Tsy niaiky fotsiny izy hoe misy Andriamanitra. Resahin’ny boky iray momba ny Baiboly fa natoky i Davida hoe “andriamanitra velona” i Jehovah, dia “manampy ny vahoakany foana.” Hitan’i Davida avy tamin’ny zavatra niainany fa velona ny Andriamaniny, dia vao mainka izy tapa-kevitra ny hanompo sy hidera azy.​—Sal. 18:28, 29, 49.

4. Inona ny soa azontsika raha mitadidy isika hoe Andriamanitra velona i Jehovah?

4 Hazoto hanompo an’i Jehovah isika raha resy lahatra hoe Andriamanitra velona izy. Hanana hery hiaretana fitsapana isika, ary vao mainka te hiasa mafy ho azy. Ho tapa-kevitra ny hifandray akaiky foana amin’i Jehovah koa isika.

HANOME HERY ANAO ILAY ANDRIAMANITRA VELONA

5. Inona no toky ananantsika rehefa miatrika olana isika? (Filipianina 4:13)

5 Hahavita hiaritra fitsapana isika, na inona izany na inona ary na kely na lehibe, raha mitadidy hoe velona i Jehovah ary eo izy hanohana antsika. Tsy misy olana atrehintsika ka hoe tsy ho voavahan’ilay Andriamanitsika raha ny marina. Izy no Mahery Indrindra, dia afaka manome antsika hery hiaretana izy. (Vakio ny Filipianina 4:13.) Matoky tanteraka àry isika fa ho vitantsika ny hiatrika an’izay fitsapana mahazo antsika. Rehefa hitantsika hoe manampy antsika hiatrika olana madinika i Jehovah, dia resy lahatra isika fa hanampy antsika hiatrika olana lehibe kokoa izy.

6. Inona no zavatra niainan’i Davida tamin’izy tanora, ka nanampy azy hatoky kokoa an’i Jehovah?

6 Andao isika handinika zavatra roa niainan’i Davida, izay nanampy azy hatoky kokoa an’i Jehovah. Mpiandry ondry izy tamin’ny mbola tanora. Nisy fotoana nisy liona sy orsa samy naka ondry tamin’ny andian’ondrin’ny rainy. Be herim-po i Davida dia nanenjika an’ireo biby ireo, ary namonjy an’ireo ondry. Tsy nieritreritra anefa izy hoe noho ny heriny no nandreseny an’ireo, fa fantany hoe i Jehovah no tao ambadik’izany. (1 Sam. 17:34-37) Tsy hadinon’i Davida mihitsy ireny zava-nitranga ireny. Rehefa nisaintsaina an’izany izy, dia natoky hoe hanome hery azy ilay Andriamanitra velona amin’ny hoavy.

7. Inona no nifantohan’i Davida, ary nahoana izany no nanampy azy ho sahy hiady tamin’i Goliata?

7 Nankany amin’ny tobin’ny Israelita i Davida, tatỳ aoriana. Mbola tanora ihany angamba izy tamin’izay. Hitany hoe nihorohoro ny miaramila tao an-toby, satria nisy Filistinina goavam-be antsoina hoe Goliata ‘nihantsy ady tamin’ny miaramilan’ny Israely.’ (1 Sam. 17:10, 11, f.a.p.) Natahotra ireo miaramila ireo satria nifantoka tamin’ilay olona goavam-be sy izay noteneniny an-dry zareo. (1 Sam. 17:24, 25) Hafa mihitsy anefa no nifantohan’i Davida. Tsy hoe nihantsy ady tamin’ny miaramilan’ny Israely fotsiny no fahitany ny tenin’i Goliata, fa nihantsy ady tamin’ny “tafik’ilay Andriamanitra velona” mihitsy. (1 Sam. 17:26) Nanao an-tsaina an’i Jehovah foana i Davida. Efa nanampy azy Andriamanitra tamin’izy niandry ondry, dia natoky izy hoe hanampy azy indray izy amin’ity indray mandeha ity. Azony antoka hoe hanohana azy Andriamanitra, dia sahy nifanandrina tamin’i Goliata izy, ka nandresy mazava ho azy.​—1 Sam. 17:45-51.

8. Inona no manampy antsika hatoky hoe hanohana antsika i Jehovah rehefa miatrika fitsapana isika? (Jereo koa ny sary.)

8 Hahavita hiatrika fitsapana koa isika raha mitadidy hoe vonona hanampy antsika ilay Andriamanitra velona. (Sal. 118:6) Ahoana no hahatonga antsika hatoky an’izany? Diniho izay efa nataony taloha. Vakio ao amin’ny Baiboly izay tantara mampahatsiahy anao ny fomba namonjen’i Jehovah ny mpanompony. (Isaia 37:17, 33-37) Jereo ao amin’ny tranonkalantsika jw.org koa ny tatitra manasongadina hoe ahoana no anohanan’i Jehovah ny rahalahy sy anabavintsika amin’izao. Ankoatra izay, dia tadidio hoe oviana avy i Jehovah no efa nanampy anao. Ahoana anefa raha tsy misy zavatra miavaka be nataony ho anao, hoatran’ilay hoe nandresy orsa na liona? Tsy maninona izany. Efa nanao zavatra be dia be ho anao mantsy i Jehovah! Izy mihitsy no nitaona anao mba hinamana aminy. (Jaona 6:44) Ary matoa aza ianao mbola ao amin’ny fahamarinana hatramin’izao, dia noho ny fanampiany. Maninona àry raha iangaviana izy hanampy anao hitadidy an’izay fotoana namaliany ny vavaka nataonao, na ny nanampiany anao tamin’ny fotoana nety tsara, na ny nanohanany anao tao anatin’ny sarotra? Vao mainka ianao ho resy lahatra hoe hanampy anao foana i Jehovah, rehefa misaintsaina zavatra hoatr’izany ianao.

Anisan’ny adihevitra be eo amin’i Jehovah sy Satana ny fomba iatrehantsika ny fitsapana mahazo antsika (Fehintsoratra 8-9)


9. Ahoana no tokony ho fahitantsika ny fitsapana mahazo antsika? (Ohabolana 27:11)

9 Ho araka ny tokony ho izy ny fahitantsika ny fitsapana mahazo antsika, raha mitadidy isika hoe velona i Jehovah. Ahoana izany? Lasa fantatsika hoe anisan’ny adihevitra be eo amin’i Jehovah sy Satana ny momba an’ilay olana atrehintsika. Milaza mantsy ny Devoly fa handao an’i Jehovah, hono, isika rehefa miaritra ny mafy. (Joba 1:10, 11; vakio ny Ohabolana 27:11) Asehontsika anefa hoe tiantsika i Jehovah sady mpandainga ny Devoly, raha tsy mivadika isika. Miaritra olana àry ve ianao, ohatra hoe toherin’ny fanjakana, na sahirana ara-bola, na tsy mandray ny olona itorianao? Raha izany, dia tadidio fa amin’izay indrindra ianao no afaka manararaotra mampifaly ny fon’i Jehovah. Tadidio koa fa tsy avelany hiatrika fitsapana mihoatra noho izay zakanao mihitsy ianao. (1 Kor. 10:13) Hanome anao hery hiaretana izy.

HAMALY SOA ANAO ILAY ANDRIAMANITRA VELONA

10. Inona no hataon’ilay Andriamanitra velona ho an’izay manompo azy?

10 Mpamaly soa an’izay manompo azy i Jehovah. (Heb. 11:6) Dieny izao isika dia efa ataony milamin-tsaina sy afa-po, ary homeny fiainana mandrakizay amin’ny hoavy. Afaka manantena an’i Jehovah isika, satria resy lahatra hoe maniry hamaly soa antsika izy sady manana hery hanaovana an’izany. Raha resy lahatra hoatr’izany isika dia ho be atao amin’ny fanompoana foana, hoatran’ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika taloha. Hoatr’izany mihitsy i Timoty tamin’ny taonjato voalohany.​—Heb. 6:10-12.

11. Inona no nandrisika an’i Timoty hiasa mafy ho an’ny fiangonana? (1 Timoty 4:10)

11 Vakio ny 1 Timoty 4:10. Nanantena an’ilay Andriamanitra velona i Timoty. Izay no nahatonga azy hiasa mafy sy hikely aina. Inona no nataony? Nampirisihin’ny apostoly Paoly izy mba hahay hampianatra sy hahay handaha-teny kokoa. Nilaza taminy koa i Paoly fa tokony ho modely ho an’ny mpiara-manompo izy, na antitra na tanora. Nampanaovina asa sarotra koa izy, anisan’izany ilay hoe nanome torohevitra hentitra nefa feno fitiavana ho an’izay nila an’izany. (1 Tim. 4:11-16; 2 Tim. 4:1-5) Afaka natoky i Timoty fa hamaly soa azy i Jehovah, na tsy nisy nahita aza indraindray ny zavatra nataony na hoe tsy nankasitrahan’ny olona.​—Rom. 2:6, 7.

12. Inona no mandrisika ny anti-panahy hoe be atao foana? (Jereo koa ny sary.)

12 Afaka matoky koa amin’izao ny anti-panahy hoe hitan’i Jehovah ny asa tsara ataony sady sarobidy aminy. Miandry ny andian’ondry ry zareo, mampianatra, mitory, fa ankoatra izay dia betsaka no manohana tetik’asa fanorenana sy manampy tra-boina. Misy indray anisan’ny Antokona Mpamangy Marary, na anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Vonona hanao asa hoatran’ireo ny anti-panahy satria fantany hoe an’i Jehovah ny fiangonana fa tsy fikambanana naorin’olombelona. Mamita amin’ny fo manontolo ny andraikiny àry ry zareo sady matoky tanteraka hoe hamaly soa an’izay ataony Andriamanitra.​—Kol. 3:23, 24.

Hamaly soa anao ilay Andriamanitra velona satria miasa mafy ho an’ny fiangonana ianao (Fehintsoratra 12-13)


13. Inona no tsapan’i Jehovah momba ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy?

13 Tsy ny rehetra aloha no afaka manao ny asan’ny anti-panahy e! Misy zavatra hafa azontsika rehetra omena an’i Jehovah anefa. Rehefa manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanompoana an’ilay Andriamanitsika, dia ankasitrahany izany. Hitany ny vola omentsika hanohanana ny asa maneran-tany, na dia hoe kely aza. Faly koa izy mahita antsika miezaka be manangan-tanana mba hanome valin-teny any am-pivoriana, na dia saro-kenatra aza. Mahafinaritra azy koa ny mahita antsika mamela an’izay nandratra ny fontsika. Na mieritreritra aza ianao hoe tsy afaka manao be araka izay tianao, dia matokia fa sarobidy amin’i Jehovah izay azonao atao. Iny zavatra vitanao iny no itiavany anao, ary hamaly soa anao izy.​—Lioka 21:1-4.

MIEZAHA FOANA HIFANDRAY AKAIKY AMIN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA

14. Nahoana no manampy antsika tsy hivadika ilay hoe mifandray akaiky amin’i Jehovah foana? (Jereo koa ny sary.)

14 Ho mora kokoa amintsika ny tsy hivadika amin’i Jehovah raha tena misy amintsika izy. Hoatr’izany i Josefa. Tsy nanaiky hijangajanga mihitsy izy. Tena nisy Andriamanitra taminy, dia tsy te hampalahelo azy izy. (Gen. 39:9) Raha tiantsika hoe tena misy amintsika i Jehovah, dia mila manokana fotoana hivavahana sy hianarana ny Teniny isika. Vao mainka isika hinamana be aminy amin’izay. Tsy te hanao zavatra mampalahelo an’i Jehovah isika, raha minamana akaiky aminy, hoatran’i Josefa.​—Jak. 4:8.

Hanampy anao tsy hivadika mihitsy ny hoe mifandray akaiky amin’ilay Andriamanitra velona (Fehintsoratra 14-15)


15. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’ny Israelita tany an-tany efitra? (Hebreo 3:12)

15 Ho mora hiala amin’i Jehovah ny olona iray, raha hadinodinony hoe Andriamanitra velona izy. Diniho izay nitranga tamin’ny Israelita tany an-tany efitra. Fantatr’izy ireo hoe misy i Jehovah, nefa nanomboka nisalasala ry zareo hoe mba mikarakara azy ihany ve izy. Nanontany mihitsy aza ry zareo hoe: “Fa eto amintsika ve i Jehovah sa tsy eto e?” (Eks. 17:2, 7) Nikomy tamin’Andriamanitra ry zareo taorian’izay. Anatra ho antsika izany! Azo antoka hoe tsy te hanao hoatr’an-dry zareo isika ka hanjary tsy hankatò.​—Vakio ny Hebreo 3:12.

16. Inona no mety hampihena ny finoantsika?

16 Sarotra amintsika ny mifandray akaiky amin’i Jehovah foana, noho ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Betsaka mantsy no tsy manaiky hoe misy Andriamanitra. Matetika aza no hoatran’ny hoe mandeha tsara ny fiainan’ireo tsy miraharaha an’izay takin’Andriamanitra. Mety hihena ny finoantsika rehefa mahita hoatr’izany isika. Isika aloha tsy handa hoe misy Andriamanitra e! Mety hanomboka hieritreritra anefa isika hoe tena manampy antsika ve izy. Nahatsapa hoatran’izany ilay mpanoratra ny Salamo faha-​73. Hitany hoe tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra ny manodidina azy, nefa mbola nankafy fiainana ihany. Nanomboka nisalasala àry izy hoe mahasoa ihany ve ny manompo an’Andriamanitra.​—Sal. 73:11-13.

17. Inona no hanampy antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah foana?

17 Inona no nanampy an’ilay mpanao salamo hanitsy ny toe-tsainy? Nisaintsaina an’izay hanjo an’ireo manadino an’i Jehovah izy. (Sal. 73:18, 19, 27) Noeritreretiny koa ny soa azon’ireo manompo an’Andriamanitra. (Sal. 73:24) Afaka misaintsaina ny fitahiana efa nomen’i Jehovah antsika koa isika. Eritrereto hoe hoatran’ny ahoana ny fiainanao raha tsy nanompo an’i Jehovah ianao. Raha manao an’izany ianao dia hahavita tsy hivadika amin’i Jehovah sady hiteny hoatran’ilay mpanao salamo hoe: “Fa izaho kosa, ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.”​—Sal. 73:28.

18. Nahoana isika no tsy matahotra hiatrika ny hoavy?

18 Hahavita hiatrika an’izay olana mahazo antsika isika mandritra ny andro farany, na inona izany na inona, satria isika ‘manompo an’ilay Andriamanitra velona sy tena izy.’ (1 Tes. 1:9) Tena misy ilay Andriamanitsika, ary manampy an’izay manompo azy izy. Nanampy ny mpanompony taloha izy, dia manohana antsika koa amin’izao. Hiatrika ny fahoriana lehibe indrindra hitranga eto an-tany isika atsy ho atsy. Tsy hiady irery anefa isika! (Isaia 41:10) Enga anie isika rehetra “ho be herim-po ... ka hilaza hoe: ‘I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.’”​—Heb. 13:5, 6.

HIRA 3 Ianao no Tokinay