LAHATSORATRA FIANARANA 15

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Fahagagana Nataon’i Jesosy?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Fahagagana Nataon’i Jesosy?

‘Nandeha eran’ilay faritra izy, ary nanao soa sy nanasitrana.’​—ASA. 10:38.

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

HO HITANAO ATO a

1. Tantarao izay nitranga tamin’i Jesosy nanao ny fahagagany voalohany.

 FARAMPARAN’NY taona 29 tamin’izay, ary vao nanomboka ny fanompoany i Jesosy. Nisy tanàna atao hoe Kana tany avaratr’i Nazareta, tanàna nahalehibe azy. Nisy fampakaram-bady tao, dia voasa tamin’ilay fanasambe izy sy Maria reniny ary ny mpianany sasany. Naman’ilay fianakaviana i Maria, dia angamba izy nanampy nikarakara ny vahiny nasaina. Nisy olana anefa rehefa nandeha ilay fety. Lany ny divay! b Mety ho afa-baraka àry ilay fianakaviana sy ilay mpivady vao. Mihoatra noho izay noeritreretina angamba ny vahiny tonga. Nandeha haingana tany amin’ny zanany i Maria, dia nilaza taminy hoe: “Tsy manana divay intsony ry zareo.” (Jaona 2:1-3) Dia inona no nataon’i Jesosy? Nanao fahagagana izy, ka nanova ny rano ho “divay tsara.”​—Jaona 2:9, 10.

2-3. a) Inona, ohatra, ny fahagagana nataon’i Jesosy? b) Inona ny soa raisintsika raha mandinika ny fahagagana nataon’i Jesosy isika?

2 Mbola nanao fahagagana be dia be i Jesosy nandritra ny fanompoany. c Nampiasa ny heriny izy mba hanampiana olona an’aliny. Tamin’ny roa tamin’ny fahagagana nataony fotsiny, ohatra, dia nanome sakafo ho an’ny lehilahy 5000 izy, ary ho an’ny lehilahy 4000 tamin’ilay faharoa. Raha isaina aza ny zaza amam-behivavy tamin’izay, dia mety ho nahatratra 27 000 mahery ny fitambarany. (Mat. 14:15-21; 15:32-38) Nanasitrana marary be dia be koa i Jesosy tamin’ireo fotoana ireo. (Mat. 14:14; 15:30, 31) Gaga be izao ny vahoaka rehefa sitrana sady voky, noho ny fahagagana nataon’i Jesosy.

3 Afaka mianatra zavatra be dia be avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy isika. Handray lesona manatanjaka finoana avy amin’izy ireny isika ato. Hodinihintsika avy eo hoe ahoana no ahafahantsika manetry tena sy mangoraka hoatran’i Jesosy tamin’izy nanao an’ireny fahagagana ireny.

LESONA MOMBA AN’I JEHOVAH SY JESOSY

4. Mampianatra antsika lesona lehibe momba an’iza ny fahagagana nataon’i Jesosy?

4 Mampianatra antsika lesona manatanjaka finoana ny fahagagana nataon’i Jesosy. Tsy momba azy ihany anefa, fa momba an’ilay Rainy koa. Avy amin’i Jehovah mantsy ireny fahagagana ireny, raha ny marina. Izao no lazain’ny Asan’ny Apostoly 10:38: “Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina sy nomeny hery [i Jesosy] ka nandeha eran’ilay faritra. Ary nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly izy, satria nanampy azy Andriamanitra.” Tadidio koa fa nanahaka tanteraka ny fomba fisainana sy fihetseham-pon’ny Rainy i Jesosy. (Jaona 14:9) Niharihary izany tamin’izay rehetra nolazainy sy nataony, anisan’izany ireny fahagagana ireny. Andao isika hianatra lesona telo avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy.

5. Inona no nahatonga an’i Jesosy hanao fahagagana? (Matio 20:30-34)

5 Voalohany, tena tia antsika i Jesosy sy ny Rainy. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny haben’izany fitiavany izany tamin’izy tetỳ an-tany? Nampiasa ny heriny izy mba hanaovana fahagagana hanamaivanana ny fijalian’ny olona. Indray mandeha, ohatra, nisy jamba roa lahy niantsoantso nangataka fanampiana taminy. (Vakio ny Matio 20:30-34.) Mariho fa “nangoraka” azy ireo i Jesosy, dia nanasitrana azy. Ilay matoanteny grika nadika hoe “nangoraka” eto, dia manana heviny hoe tena miombom-pihetseham-po hatrany anaty lalina any. Porofom-pitiavana izany, ary izany koa no nahatonga an’i Jesosy hanome sakafo ho an’ny noana, sy hanasitrana boka iray. (Mat. 15:32; Mar. 1:41) Afaka matoky isika hoe tena tia antsika i Jehovah sy ny Zanany, ary malahelo ry zareo mahita antsika mijaly. Andriamanitra “tena mangoraka” mantsy i Jehovah. (Lioka 1:78; 1 Pet. 5:7) Tsy andrin’izy mianaka izay hanesorana ny fijaliana rehetra mianjady amin’ny olombelona!

6. Inona no hery nomen’Andriamanitra an’i Jesosy?

6 Faharoa, nomen’Andriamanitra hery hamahana ny olana rehetra mahazo ny olombelona i Jesosy. Nasehon’i Jesosy tamin’ireny fahagagana ireny, fa manana hery hamahana olana tsy ho voavahantsika samirery mihitsy izy. Afaka manafaka antsika amin’ny fototry ny olana mahazo ny olombelona, ohatra, izy. Inona izany? Ny ota sy ny vokatr’izy io, izany hoe ny aretina sy ny fahafatesana. (Mat. 9:1-6; Rom. 5:12, 18, 19) Voaporofo tamin’ny fahagagana nataony hoe afaka manasitrana ny “karazan’aretina rehetra” izy, ary afaka manangana ny maty mihitsy aza. (Mat. 4:23; Jaona 11:43, 44) Mahafehy tafio-drivotra mahery koa izy sady maharesy fanahy ratsy. (Mar. 4:37-39; Lioka 8:2) Lasa feno toky àry isika mahafantatra hoe hoatr’izany ny hery nomen’i Jehovah an’ilay Zanany!

7-8. a) Inona ny toky ananantsika rehefa mandinika ny fahagagana nataon’i Jesosy? b) Inona ny fahagagana tsy andrinao mihitsy any amin’ny tontolo vaovao?

7 Fahatelo, afaka matoky tanteraka isika hoe tena hitranga ny zavatra tsara be dia be ampanantenain’Andriamanitra rehefa mitondra ny Fanjakany. Hita amin’ireny fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany ireny hoe mbola hanao an’izany maneran-tany izy, rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Eritrereto ny fitahiana miandry antsika atsy ho atsy rehefa manjaka i Kristy! Ho salama tsara foana isika, satria hofoanany ny aretina sy ny kilema rehetra mianjady amin’ny olombelona. (Isaia 33:24; 35:5, 6; Apok. 21:3, 4) Tsy ho mosarena mihitsy isika, sady tsy hizaka ny vokatry ny rivo-doza, na horohoron-tany, na loza hafa. (Isaia 25:6; Mar. 4:41) Ho faly be koa isika rehefa hitsena ny havantsika sy ny namantsika avy “any am-pasana.” (Jaona 5:28, 29) Inona izao ny fahagagana efa tsy andrinao mihitsy any amin’ny tontolo vaovao?

8 Tena nanetry tena sy nangoraka i Jesosy, rehefa nanao fahagagana. Tsara raha manahaka an’ireo toetrany ireo isika. Andao àry isika izao handinika fahagagana roa nataony. Ilay tamin’ilay fanasambe nandritra ny fampakaram-bady tao Kana no anombohantsika azy.

LESONA MOMBA NY FANETREN-TENA

9. Inona no nataon’i Jesosy tamin’ilay fampakaram-bady? (Jaona 2:6-10)

9 Vakio ny Jaona 2:6-10. Tsy maintsy nanao zavatra ve i Jesosy rehefa lany ny divay tamin’ilay fanasambe? Tsy voatery. Tsy nisy faminaniana nilaza mantsy hoe hamadika ny rano ho divay ny Mesia. Fa mba mipetraha ianao eo amin’ny toeran’ilay mpivady vao. Ahoana raha lany ny zava-pisotro mandritra ny mariazinareo? Azo inoana fa nangoraka an’ilay fianakaviana i Jesosy, indrindra fa izy roa kely, dia tsy tiany ho afa-baraka ry zareo. Nanao fahagagana àry izy, araka ilay noresahintsika terỳ am-piandohana. Rano 390 litatra teo ho eo no navadiny ho divay faran’izay tsara. Fa maninona ilay izy no nataony be dia be hoatr’izany? Amin’izay angamba azo ampiasaina amin’ny manaraka ny ambiny, na azo amidy mihitsy mba hanampiana an’ilay mpivady kely vao mihary. Tsy maintsy hoe maivamaivana erỳ izy roa!

Tahafo i Jesosy ka aza mirehareha amin’ny zava-bitanao (Fehintsoratra 10-11) e

10. Inona ny tsipiriany sasany mahaliana ao amin’ilay tantara voaresaka ao amin’ny Jaona toko faha-​2? (Jereo koa ny sary.)

10 Misy tsipiriany mahaliana ao amin’ilay tantara voaresaka ao amin’ny Jaona toko faha-​2. Tsikaritrao ve hoe tsy i Jesosy no nameno rano an’ireo sinibe vato? Tsy te hisarika ny mason’ny olona mantsy izy, dia ny mpanompo no nasainy nanao an’izany. (Andininy 6, 7) Rehefa avy nanova ny rano ho divay izy, dia tsy izy no nandeha nitondra an’izany tany amin’ny mpiandraikitra ny fanasana. Mbola ireo mpanompo ihany no nasainy nanao an’izany. (Andininy 8) Tsy hoe nandray kaopy misy divay i Jesosy dia nampiakatra an’izany teo imason’ireo nasaina ka nirehareha hoe: ‘Mba andramo kely ange ity divay vao nataoko ity e!’

11. Inona no ianarantsika avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy?

11 Inona no ianarantsika avy amin’iny fahagagana iny? Hoe ilaina ny manetry tena. Tsy nirehareha tamin’ny fahagagana nataony i Jesosy. Raha ny marina aza, dia tsy mba dedadedaka tamin’ny zava-bitany mihitsy izy. Nanetry tena kosa izy, ka ny Rainy foana no nomeny ny dera sy voninahitra rehetra. (Jaona 5:19, 30; 8:28) Raha manetry tena hoatran’i Jesosy isika, dia tsy hidera tena amin’izay zava-bitantsika. Na inona na inona ataontsika eo amin’ny fanompoana, dia aleo mirehareha amin’ilay Andriamanitra miavaka tompointsika, toy izay mirehareha amin’ny tenantsika. (Jer. 9:23, 24) Andao àry izy no hoderaintsika, satria mendrika an’izany izy. Inona koa moa no ho vitantsika eo raha tsy teo izy?​—1 Kor. 1:26-31.

12. Ahoana koa no ampisehoantsika hoe manetry tena hoatran’i Jesosy isika? Manomeza ohatra.

12 Misy fomba hafa koa azontsika ampisehoana hoe manetry tena hoatran’i Jesosy isika. Andao hatao hoe misy tanora mpikarakara fiangonana sambany vao hanao lahateny ho an’ny besinimaro. Nandany fotoana be ny anti-panahy iray mba hanampiana azy hanomana an’ilay izy. Nampahery be àry ilay lahateny, dia faly ny fiangonana. Nisy olona nanatona an’ilay anti-panahy rehefa nirava, dia nilaza hoe: ‘Tena tsara ilay lahatenin’ny Rahalahy Anona e?’ Dia ahoana no havalin’ilay anti-panahy? Hiteny ve izy hoe: ‘Ie, fa lany fotoana be aho nanampy azy tamin’iny a!’ Sa izy hanetry tena ka hilaza hoe: ‘Ie, nivoaka tsara ny lahateniny.’ Raha manetry tena isika, dia tsy hitady dera amin’ny zavatra tsara nataontsika ho an’ny hafa. Efa afa-po isika mahafantatra hoe hitan’i Jehovah sy sarobidy aminy izay ataontsika. (Ampitahao amin’ny Matio 6:2-4; Heb. 13:16) Azo antoka fa mampifaly an’i Jehovah isika rehefa manetry tena hoatran’i Jesosy.​—1 Pet. 5:6.

LESONA MOMBA NY FANGORAHANA

13. Inona no hitan’i Jesosy teny akaikin’ny tanànan’i Naina, ary inona no nataony? (Lioka 7:11-15)

13 Vakio ny Lioka 7:11-15. Eritrereto indray ity zava-nitranga iray ity. Efa nisasaka ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany tamin’izay. Handeha ho any amin’ilay tanàna galilianina antsoina hoe Naina izy. Tsy lavitra azy io i Sonema, izany hoe ilay tanàna nananganan’i Elisa mpaminany ny zanakalahin’ny vehivavy iray, 900 taona teo ho eo talohan’izay. (2 Mpanj. 4:32-37) Rehefa nanatona ny vavahadin’ilay tanàna i Jesosy, dia nahita olona nivoaka avy tao. Handeha handevina ry zareo. Nampalahelo be tamin’izay, satria maty ny zanaka lahitokan’ny mpitondratena iray. Tsy irery ilay vehivavy, fa nisy vahoaka be avy tao an-tanàna nanaraka azy. Nosakanan’i Jesosy ry zareo, dia nanao zavatra ho an’ilay reny vonton’alahelo izy. Natsangany tamin’ny maty ilay zanany. Io no voalohany amin’ny olona telo resahin’ny Filazantsara hoe natsangan’i Jesosy tamin’ny maty.

Tahafo i Jesosy ka manaova zavatra mba hampisehoana hoe mangoraka an’izay nidonam-pahoriana ianao (Fehintsoratra 14-16)

14. Inona no tsipiriany mahaliana ao amin’ilay tantara ao amin’ny Lioka toko faha-​7? (Jereo koa ny sary.)

14 Misy tsipiriany mahaliana ao amin’ilay tantara voaresaka ao amin’ny Lioka toko faha-​7. Voamarikao ve hoe “nahita” an’ilay reny vontom-pahoriana i Jesosy, dia avy eo “nangoraka azy”? (Andininy 13) Hitany angamba izy nandeha teo alohan’ilay vata mangatsiakan’ilay zanany sady nitomany. Nampihetsi-po azy ny zavatra hitany, dia nangoraka an’ilay vehivavy izy. Tsy hoe fihetseham-po tsapany tany anatiny tany fotsiny izany, fa nasehony mihitsy. Niresaka taminy izy, sady tsara fanahy erỳ angamba rehefa niteny hoe: “Aza mitomany intsony.” Izy mihitsy avy eo no nanao zavatra. Natsangany tamin’ny maty ilay ankizilahy, dia ‘natolony an-dreniny.’​—Andininy 14, 15.

15. Inona no ianarantsika avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy?

15 Inona no ianarantsika avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy, rehefa nanangana ny zanakalahin’ilay mpitondratena izy? Hoe mila asehontsika amin’izay nidonam-pahoriana fa mangoraka an-dry zareo isika. Marina fa tsy afaka manangana ny maty hoatran’i Jesosy isika. Afaka manahaka azy anefa isika ka miezaka mangoraka an’izay nidonam-pahoriana. Hahavita an’izany isika raha mandinika tsara. Isika mihitsy no mila manao zavatra voalohany mba hampisehoana hoe mangoraka azy. Afaka manampy sy mampionona azy araka izay tratra isika, ary mampiseho an’izany amin’ny teny sy ny atao. d (Ohab. 17:17; 2 Kor. 1:3, 4; 1 Pet. 3:8) Na teny kely sy zavatra tsotra aza no ataontsika, dia efa mety hisy vokany be aminy.

16. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’ilay renim-pianakaviana vao avy namoy zanaka, araka ny aseho eo amin’ny sary?

16 Eritrereto ity zava-nitranga ity, taona maromaro lasa izay. Tany am-pivoriana ilay izy no nitranga. Nihira ny fiangonana tamin’izay, dia tsikaritry ny anabavy iray hoe nisy renim-pianakaviana nitomany terỳ amin’ny seza terỳ ampita terỳ. Niresaka momba ny fananganana amin’ny maty mantsy ilay hira, nefa vao avy namoy ny zanany vavikely io vehivavy io. Fantatr’ilay anabavy izany, ka tonga izy dia nankeny ampita, dia nisakambina an’ilay vehivavy, ary niara-nanao ny tohin’ilay hira taminy. Izao no nolazain’ilay renim-pianakaviana tatỳ aoriana: ‘Tiako be ireo ranadahy sy rahavavy.’ Soa ihany, hono, izy fa nandeha nivory. Izao koa no nolazainy: ‘Any amin’ny Efitrano Fanjakana isika no mahazo fanampiana.’ Afaka matoky isika hoe hitan’i Jehovah sady sarobidy aminy izay ataontsika na dia kely aza, mba hampisehoana fa mangoraka an’ireny olona nidonam-pahoriana sy “kivy” ireny isika.​—Sal. 34:18.

IANARO FA MAMPAHERY

17. Inona no nianarantsika tato?

17 Maninona raha mianatra ny fahagagana nataon’i Jesosy voaresaka ao amin’ny Filazantsara? Hampahery be anao mantsy izany. Mampianatra antsika izy ireny fa tena tia antsika i Jehovah sy ny Zanany, ary manana hery hamahana ny olana rehetra mahazo ny olombelona i Jesosy. Lasa afaka matoky tanteraka koa isika fa tena hitranga ny zavatra tsara be dia be ampanantenain’Andriamanitra hoe hataon’ilay Fanjakany atsy ho atsy. Rehefa mandinika an’ireny tantara ireny isika, dia azontsika saintsainina hoe ahoana no azontsika anahafana ny toetran’i Jesosy. Maninona àry raha mba atao tanjona ny mifantoka amin’ny fahagagana hafa nataon’i Jesosy, rehefa mianatra samirery na manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? Jereo izay lesona azonao raisina, dia zarao amin’ny hafa. Hampahery be ny resakareo amin’izay.​—Rom. 1:11, 12.

18. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Mbola nanangana ny maty i Jesosy rehefa akaiky hifarana ny fanompoany. Io no farany tamin’ireo olona telo natsangany tamin’ny maty voaresaka ao amin’ny Baiboly. Hafa mihitsy anefa izy io. Fa maninona? Satria namany akaiky ilay natsangany, ary efa efatra andro izy no tao am-pasana. Inona no azontsika ianarana avy amin’io fahagagana voaresaka ao amin’ny Filazantsara io? Ary ahoana no hahatonga antsika hino kokoa ny fitsanganana amin’ny maty? Hamaly an’ireo ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 20 Nomenao Anay Ilay Zanaka Malalanao

a Nampitony tafio-drivotra izy, nanasitrana ny marary, ary nanangana ny maty. Mampientanentana be ny mamaky ny fahagagana nataon’i Jesosy. Tsy natao hampiala voly antsika anefa ireny, fa natao mba handraisantsika lesona. Handinika ny sasany amin’izy ireny isika ato, dia hianatra lesona manatanjaka finoana momba an’i Jehovah sy Jesosy, sady hahita toetra tsara tokony hianarantsika.

b Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Adidy masina ny fahaizana mandray vahiny tany Atsinanana. Raha tena mahay mandray vahiny ny olona iray, indrindra fa tamin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, dia tokony hataony mihoatra be ny sakafo sy ny zava-pisotro.”

c Misy 30 mahery ny fahagagana nataon’i Jesosy voaresaka ao amin’ny Filazantsara. Indraindray tsy resahin’ny Baiboly tsirairay ireny fahagagana ireny fa atambany. Nisy fotoana, ohatra, tonga tao aminy daholo “ny tao an-tanàna”, dia “nanasitrana olona be dia be” izy.​—Mar. 1:32-34.

d Inona no azonao lazaina na atao mba hampiononana an’izay nidonam-pahoriana? Misy soso-kevitra tsara ao amin’ilay lahatsoratra hoe: “Ampaherezo Ireo Nidonam-pahoriana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2010.

e SARY: Mankafy an’ilay divay tsara ilay mpivady vao sy ny vahiny nasaina. I Jesosy kosa erỳ aoriana erỳ.