LAHATSORATRA FIANARANA 8

HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

Araho Foana ny Tari-dalan’i Jehovah

Araho Foana ny Tari-dalan’i Jehovah

‘Izaho Jehovah no mitarika anao.’​—ISAIA 48:17.

HEVITRA HODINIHINA

Hanampy antsika ity lahatsoratra ity hahita ny fomba itarihan’i Jehovah ny vahoakany amin’izao, sy ny fitahiana azontsika rehefa manaraka ny tari-dalany.

1. Nahoana isika no tokony hanaraka an’i Jehovah, ilay Mpitarika antsika? Hazavao amin’ny ohatra.

 ERITRERETO hoe very any anaty ala ianao. Mampidi-doza ny manodidina satria feno bibidia, bibikely mitondra aretina, zavamaniry misy poizina, moa ny lalana koa be vatovato. Tsy ho faly ve ianao raha misy olona mahay tsara an’ilay ala mitari-dalana anao? Efa fantany mantsy hoe aiza no misy mampidi-doza, dia ahoana no hialana amin’izany. Hoatran’io ala io izao tontolo izao satria feno zavatra mampidi-doza, indrindra fa ho an’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Isika anefa manana an’i Jehovah, ilay Mpitari-dalana tsara indrindra. Entiny lavitra ny loza isika, sady ampiany ho tonga any amin’ilay toerana halehantsika, izany hoe ny tontolo vaovao, ka hiaina mandrakizay.

2. Ahoana no itarihan’i Jehovah antsika?

2 Ahoana ny fomba itarihan’i Jehovah antsika? Amin’ny alalan’ny Teniny aloha. Misy olona asainy misolo tena azy koa anefa. Mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, ohatra, izy mba hanomezana sakafo ara-panahy ho antsika, amin’izay isika mahay manapa-kevitra. (Mat. 24:45) Mampiasa lehilahy mahay hafa koa i Jehovah mba hitari-dalana antsika. Mampahery sy manome toromarika ho antsika, ohatra, ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy mba hanampiana antsika hiatrika olana. Soa ihany isika fa mahazo tari-dalana azo antoka amin’izao andro farany tsy mora atrehina izao! Manampy antsika izany mba hankasitrahan’i Jehovah foana, sy tsy hiala amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Mety ho sarotra amintsika ihany anefa ny manaraka ny tari-dalan’i Jehovah, indrindra raha lehilahy tsy lavorary no mampita an’ilay izy. Fa maninona? Satria tsy mifanaraka amin’izay tiantsika angamba ilay tari-dalana. Na isika mieritreritra hoe tsy mety ilay izy, ka tsy ho avy amin’i Jehovah. Amin’ireny mihitsy isika no mila matoky hoe i Jehovah no mitarika ny vahoakany, ary tahiny izay manaraka ny tari-dalany. Inona àry no hanampy antsika hatoky kokoa an’izany? Andao isika handinika an’ireto: 1) Ahoana no nitarihan’i Jehovah ny vahoakany taloha? 2) Ahoana no itarihany antsika amin’izao? Ary 3) inona ny soa raisintsika rehefa manaraka foana ny tari-dalany isika?

Mampiasa olombelona hisolo tena azy i Jehovah mba hitarihana ny vahoakany na taloha na amin’izao (Fehintsoratra 3)


NITARIKA NY FIRENEN’ISRAELY IZY

4-5. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nampiasa an’i Mosesy izy mba hitarihana ny Israely? (Jereo ny sary eo amin’ny fonony.)

4 Nanendry an’i Mosesy i Jehovah mba hitari-dalana ny Israelita hivoaka an’i Ejipta. Nomeny porofo mivaingana koa ny vahoakany hoe nampiasa an’i Mosesy izy mba hitari-dalana an-dry zareo. Nomeny andry rahona, ohatra, ry zareo nandritra ny andro, ary andry afo rehefa alina. (Eks. 13:21) Nanaraka an’ilay andry i Mosesy, dia nentin’izy io ho eny amin’ny Ranomasina Mena izy sy ny Israelita. Nisahotaka anefa ilay vahoaka satria hoatran’ny hoe tapi-dalan-kaleha. Ranomasina mantsy no teo alohany, nefa ny miaramila ejipsianina nanenjika avy tao aoriana. Nieritreritra ny Israelita hoe diso i Mosesy nitondra an-dry zareo teny amin’ny Ranomasina Mena. Tsy diso mihitsy anefa izy. Fanahy inian’i Jehovah nentina teo tamin’ny alalan’i Mosesy ny vahoakany. (Eks. 14:2) Nanao zavatra faran’izay mahagaga Andriamanitra avy eo mba hamonjena an-dry zareo.​—Eks. 14:26-28.

Niantehitra tamin’ilay andry rahona i Mosesy mba hitarihana ny vahoakan’Andriamanitra hamakivaky ny tany efitra (Fehintsoratra 4-5)


5 Mbola niantehitra tamin’ilay andry rahona ihany i Mosesy, nandritra ny 40 taona taorian’izay, mba hitarihana ny vahoakan’Andriamanitra hamakivaky ny tany efitra. a Nisy fotoana nataon’i Jehovah teo ambonin’ny tranolain’i Mosesy ilay andry rahona. Nahita an’izany ny Israelita rehetra. (Eks. 33:7, 9, 10) Niresaka tamin’i Mosesy avy tao amin’ilay andry i Jehovah, dia i Mosesy avy eo no nampita ny toromarika nomeny tamin’ilay vahoaka. (Sal. 99:7) Nanana porofo ampy tsara àry ny Israelita hoe nampiasa azy i Jehovah mba hitarihana an-dry zareo.

Mosesy sy Josoa, ilay nandimby azy (Fehintsoratra 5, 7)


6. Ahoana no nataon’ny Israelita rehefa nitari-dalana azy ireo i Jehovah? (Nomery 14:2, 10, 11)

6 Nampalahelo fa tsy niraharaha an’ireny porofo mazava ireny ny ankamaroan’ny Israelita, ka tsy nanaiky hoe i Mosesy no solontenan’i Jehovah. (Vakio ny Nomery 14:2, 10, 11.) Imbetsaka ry zareo no nanda an’izany. Tsy navela niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina àry io taranaka io.​—Nom. 14:30.

7. Iza, ohatra, no nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah? (Nomery 14:24) (Jereo koa ny sary.)

7 Nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah anefa ny Israelita sasany. Nilaza, ohatra, i Jehovah hoe: “Nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo” i Kaleba. (Vakio ny Nomery 14:24.) Namaly soa azy Andriamanitra, ka nomeny azy mihitsy aza ilay tany tiany indrindra tao Kanana. (Jos. 14:12-14) Nankatò ny tari-dalan’i Jehovah koa ny taranaka nanaraka. Rehefa nandimby an’i Mosesy i Josoa ka izy indray no voatendry hitarika ny Israelita, dia “tena nohajain’izy ireo izy nandritra ny androm-piainany.” (Jos. 4:14) Notahin’i Jehovah àry ry zareo, dia nomeny an’ilay tany nampanantenainy.​—Jos. 21:43, 44.

8. Ahoana no nitarihan’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny fotoana nisian’ny mpanjaka? (Jereo koa ny sary.)

8 Nanendry mpitsara i Jehovah, taona maro tatỳ aoriana, mba hitarihana ny vahoakany. Mpaminany kosa no notendreny tamin’ny fotoana nisian’ny mpanjaka. Nanaraka ny torohevitr’ireny mpaminany ireny ny mpanjaka nanam-pinoana. I Davida Mpanjaka, ohatra, nanetry tena dia nanaiky hahitsin’i Natana mpaminany. (2 Sam. 12:7, 13; 1 Tan. 17:3, 4) I Josafata Mpanjaka indray nanaraka ny tari-dalan’i Jahaziela mpaminany, ary nampirisika ny vahoakan’ny Joda mba ‘hino ny mpaminanin’Andriamanitra.’ (2 Tan. 20:14, 15, 20) Rehefa niady saina be i Hezekia Mpanjaka, dia nangataka fanampiana tamin’i Isaia mpaminany. (Isaia 37:1-6) Nahazo fitahiana ireny mpanjaka ireny isaky ny nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah, ary voaro ilay firenena. (2 Tan. 20:29, 30; 32:22) Tokony ho niharihary tamin’ny rehetra hoe nampiasa an’ireny mpaminaniny ireny i Jehovah mba hitarihana ny vahoakany. Tsy niraharaha azy ireny anefa ny ankamaroan’ny mpanjaka sy ny vahoaka.​—Jer. 35:12-15.

Hezekia Mpanjaka sy Isaia mpaminany (Fehintsoratra 8)


NITARIKA NY KRISTIANINA VOALOHANY IZY

9. Iza no nampiasain’i Jehovah hitarika ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany? (Jereo koa ny sary.)

9 Namorona ny fiangonana kristianina i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany. Ahoana no nitarihany an-dry zareo? Notendreny ho lohan’ny fiangonana i Jesosy. (Efes. 5:23) Tsy i Jesosy mivantana anefa no nitarika ny mpianany tsirairay, fa nampiasa ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema izy. (Asa. 15:1, 2) Nisy anti-panahy notendrena koa mba hitarika teo anivon’ny fiangonana.​—1 Tes. 5:12; Tit. 1:5.

Ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema (Fehintsoratra 9)


10. a) Nanao ahoana ny ankamaroan’ny Kristianina voalohany rehefa nahazo tari-dalana? (Asan’ny Apostoly 15:30, 31) b) Maninona ny olona sasany taloha no tsy nanaiky ny solontenan’i Jehovah? (Jereo ilay hoe “ Nahoana no Misy Tsy Manaiky na dia Efa Misy Porofo Aza?”)

10 Nanaiky an’izany tari-dalana izany ve ny Kristianina voalohany? Ie, faly nanaraka an’izany ny ankamaroany. “Faly izy ireo satria nampahery azy ireo ilay izy.” (Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:30, 31.) Ahoana kosa no itarihan’i Jehovah ny vahoakany amin’izao?

MITARI-DALANA ANTSIKA IZY AMIN’IZAO

11. Manomeza ohatra mampiseho ny fomba itarihan’i Jehovah an’ireo rahalahy mitarika amin’ny androntsika.

11 Mbola mitari-dalana ny vahoakany i Jehovah amin’izao, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny Zanany, ilay lohan’ny fiangonana. Manana porofo mazava ve isika hoe mbola mampiasa olombelona Andriamanitra mba hisolo tena azy? Ie. Eritrereto fotsiny izay nitranga taorian’ny 1870. Nanomboka hitan’i Charles Russell sy ny namany hoe taona hiavaka ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ny 1914. (Dan. 4:25, 26) Nahay an’izany ry zareo satria nandalina ny faminanian’ny Baiboly. Nitarika an’io fikarohana io ve i Jehovah? Mazava ny valiny. Noporofoin’ny zava-nitranga eran-tany tamin’ny 1914 mantsy hoe nanomboka nitondra ilay Fanjakana. Nipoaka ny Ady Lehibe I, dia avy eo nisy areti-mandringana sy horohoron-tany ary mosary. (Lioka 21:10, 11) Tena nampiasa an’ireny lehilahy kristianina tso-po ireny àry i Jehovah mba hanampiana ny vahoakany.

12-13. Inona no natao nandritra ny Ady Lehibe II mba hampandrosoana ny asa fitoriana sy fampianarana?

12 Eritrereto koa izay nitranga nandritra ny Ady Lehibe II. Rehefa nianatra momba ny Apokalypsy 17:8 ny rahalahy nanana andraikitra tany amin’ny Foibe, dia nahita hoe tsy hitarika ho amin’ny Aramagedona ilay ady. Hisy fotoana milamindamina kosa aorian’izay ka ho azo hararaotina izany mba hampandrosoana ny asa fitoriana. Natsangan’ny fandaminan’i Jehovah àry ny Kolejy (Sekoly) Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, na dia hoatran’ny hoe tsy nitombina aza ilay fanapahan-kevitra tamin’izany. Natao hampiofanana misionera hitory sy hampianatra any amin’ny tany samihafa izy io. Notendrena tany an-tany hafa izy ireny, na dia nandritra ny ady aza. Ankoatra izay, dia nandamina an’ilay hoe Fianarana ny Fanompoana Kristianina b ny mpanompo mendri-pitokisana mba hampiofanana ny fiangonana hahay hitory sy hampianatra kokoa. Ireny rehetra ireny no nanomana ny vahoakan’Andriamanitra ho amin’ilay asa niandry azy.

13 Rehefa manao jery todika isika, dia hita fa nitari-dalana ny vahoakany i Jehovah tamin’iny fotoan-tsarotra iny. Azo lazaina hoe nilamina ny vahoakany tany amin’ny tany maro, ka afaka nitory taorian’ny Ady Lehibe II. Niroborobo mihitsy aza ny asa fitoriana.

14. Nahoana isika no afaka matoky ny toromarika avy amin’ny fandaminan’i Jehovah sy ny anti-panahy voatendry? (Apokalypsy 2:1) (Jereo koa ny sary.)

14 Mbola mitady ny tari-dalan’i Kristy foana ny Filan-kevi-pitantanana amin’izao. Tian-dry zareo hifanaraka amin’ny fomba fijerin’ny any an-danitra ny toromarika omeny an’ireo rahalahy sy anabaviny. Ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy kosa avy eo no mampita an’ilay toromarika amin’ny fiangonana. c ‘Eny an-tanana ankavanan’i’ Kristy ny anti-panahy voahosotra. (Vakio ny Apokalypsy 2:1.) Mazava ho azy fa tsy lavorary sy manao diso izy ireny. Nanao ny tsy nety i Mosesy sy Josoa indraindray, ary hoatr’izany koa ny apostoly. (Nom. 20:12; Jos. 9:14, 15; Rom. 3:23) Mbola mitari-dalana ny mpanompo mendri-pitokisana sy ny anti-panahy voatendry anefa i Kristy, ary hanao an’izany foana izy “isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.” (Mat. 28:20) Be dia be àry ny antony tokony hatokisantsika ny tari-dalana omeny amin’ny alalan’ireny rahalahy notendreny hitarika antsika ireny.

Ny Filan-kevi-pitantanana amin’izao (Fehintsoratra 14)


MANDRAY SOA ISIKA REHEFA MANARAKA FOANA NY TARI-DALANY

15-16. Inona no ianaranao avy amin’ireo olona nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah?

15 Na amin’izao aza isika dia efa mandray soa rehefa manaraka foana ny tari-dalan’i Jehovah. Narahin’i Andy sy Robyn, ohatra, ilay fampirisihana hanana fiainana tsotra. (Mat. 6:22) Lasa afaka niasa an-tsitrapo ry zareo, dia nandray anjara tamin’ny fanorenana nataon’ny fandaminana. Izao no nolazain’i Robyn: “Trano tery kely no nipetrahanay indraindray, ary matetika no tsy nisy na dia lakozia aza. Be dia be koa ny fitaovana fakako sary tsy maintsy namidiko. Nampitomany ahy izany satria izaho tena tia maka sary. Tapa-kevitra ny hanao hoatran’i Saraha vadin’i Abrahama anefa aho, dia hibanjina ny any aloha fa tsy hanembona ny lasa.” (Heb. 11:15) Dia inona ny soa azon’izy mivady? Hoy i Robyn: “Afa-po be izahay hoe manome an’izay rehetra anananay ho an’i Jehovah. Hoatran’ny hoe manandrana kely ny fiainana any amin’ny tontolo vaovao izahay, rehefa manao ny asa anendren’ny fandaminana anay.” Mitovy hevitra aminy i Andy. Hoy izy: “Afa-po izahay satria ny fiainanay manontolo mihitsy no laninay anohanana an’ilay Fanjakana.”

16 Inona koa ny soa raisintsika rehefa manaraka foana ny tari-dalan’i Jehovah isika? Rehefa vita ny fianaran’i Marcia teny amin’ny lise, dia naleony nanaraka an’ilay torohevitra hoe tsara ny mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Mat. 6:33; Rom. 12:11) Hoy izy: “Nahazo vatsim-pianarana hianatra efa-taona tany amin’ny oniversite aho. Naleoko anefa nanatratra tanjona ara-panahy, dia nifidy hianatra asa hanampy ahy amin’ny fanompoana. Iny no anisan’ny fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko. Tiako erỳ izao ny manao mpisava lalana maharitra! Malalaka koa ny fandaharam-potoanako any am-piasana, dia afaka miasa an-tsitrapo any amin’ny Betela aho sady mankafy tombontsoa manokana hafa.”

17. Inona koa ny fitahiana azontsika rehefa manaraka foana ny tari-dalan’i Jehovah isika? (Isaia 48:17, 18)

17 Indraindray isika mahazo torohevitra miaro antsika tsy ho matimatin-karena, na hanao zavatra hahatonga antsika handika ny lalàn’Andriamanitra. Mandray soa koa isika amin’ireny rehefa manaraka ny tari-dalan’i Jehovah. Madio mantsy ny feon’ny fieritreretantsika, ary tsy miady saina tsy amin’antony isika. (1 Tim. 6:9, 10) Afaka manohy manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo àry isika, ary izany no mahafaly sy mampiadana ary mahafa-po indrindra.​—Vakio ny Isaia 48:17, 18.

18. Nahoana ianao no tapa-kevitra hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah foana?

18 Azo antoka hoe mbola hampiasa olona hisolo tena azy i Jehovah mba hanomezana tari-dalana antsika, mandritra ny fahoriana lehibe ka hatrany amin’ny Fanjakana Arivo Taona. (Sal. 45:16) Hanaraka an’ireny toromarika ireny foana ve isika, na dia tsy maintsy hampandefitra an’izay tiantsika aza? Mety hiankina betsaka amin’izay ataontsika amin’izao izany, rehefa mahazo tari-dalana avy amin’i Jehovah isika. Andao àry isika hanaraka foana ny tari-dalany, anisan’izany izay omeny amin’ny alalan’ireo lehilahy notendreny hiahy antsika. (Isaia 32:1, 2; Heb. 13:17) Afaka matoky tanteraka an’i Jehovah ilay Mpitarika antsika isika, satria izy no mitarika antsika hiala lavitra an’izay mety hampidi-doza ny fifandraisantsika aminy. Izy koa no mitondra antsika any amin’ilay toerana tiantsika haleha, izany hoe ny tontolo vaovao, ka hiaina mandrakizay isika.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Ahoana no nitarihan’i Jehovah ny firenen’Israely?

  • Ahoana no nitarihan’i Jehovah ny Kristianina voalohany?

  • Inona ny soa raisintsika rehefa manaraka ny tari-dalan’i Jehovah isika amin’izao?

HIRA 48 Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro

a Nanendry anjely ‘handeha teo alohan’ny’ Israelita koa i Jehovah. Nitarika an’ilay firenena hankany amin’ny Tany Nampanantenaina izy io. Toa i Mikaela io anjely io, izany hoe i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany.​—Eks. 14:19; 32:34.

b Natao hoe Sekolin’ny Fanompoana izy io tatỳ aoriana. Anisan’ny fivoriana andavanandro io fampiofanana io amin’izao.

c Jereo ilay hoe “Ny Andraikitry ny Filan-kevi-pitantanana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Febroary 2021, p. 18.