Tsy Mety Lany Andro ny Fampianaran’ny Baiboly

Tsy Mety Lany Andro ny Fampianaran’ny Baiboly

AOKA HATAO HOE mitsidika tranombakoka feno tsangambato tranainy ianao. Vasoka sy simba ary feno loadoaka ny ankamaroan’ireo tsangambato. Ny hafa indray efa tsy eo intsony ny ampahany aminy. Misy iray mbola tena tsara anefa. Hita tsara daholo ny soritra eo aminy. Hoy àry ianao amin’ilay mpitondra mpitsidika: “Vaovao ve ity iray ity?” Milaza anefa izy fa “tranainy kokoa noho ny hafa izy io sady mbola tsy nohavaozina mihitsy.” “Nisy fomba niarovana azy ve?”, hoy ianao. Milaza anefa izy fa tsy nisy. Niatrika oram-be sy rivo-mahery, hono, ilay izy sady efa maro no nanandrana namotika azy. Lasa saina àry ianao hoe: ‘Fa vita amin’inona izy ity e?’

Hoatran’io tsangambato miavaka io ny Baiboly. Tranainy kokoa noho ny boky maro hafa izy io. Betsaka ny boky tranainy nefa toy ny hoe “simba” izy ireny rehefa nandeha ny fotoana, toa an’ireo tsangambato tranainy ihany. Mifanohitra amin’ny zavatra fantatra tatỳ aoriana sy ny zava-misy efa voaporofo mantsy izay lazainy momba ny siansa. Toa mampidi-doza aza ny torohevitra omeny momba ny fitsaboana matetika. Asa soratra fahiny maro koa no ampahany kely sisa, satria nisy very na simba be.

Hafa mihitsy anefa ny Baiboly, izay efa 3 500 taona mahery no nanomboka nosoratana. Nezahina nofongorana foana izy io ka nodorana sy norarana ary noharatsiratsina, nefa tsy niova ny zavatra raketiny. Tsy boky efa lany andro izy io, satria mifanaraka tsara amin’ny zavatra fantatra tatỳ aoriana ny fanazavana ao. Jereo ilay efajoro hoe “Lany Andro sa Lasa Aloha?

TORO LALANA ILAINTSIKA

Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Tena mbola ilaina amin’izao andro izao ve ny fampianaran’ny Baiboly?’ Saintsaino àry izao: ‘Inona no olana lehibe indrindra atrehin’ny olona? Iza amin’ireny no tena mampahatahotra?’ Tonga ao an-tsainao angamba ny ady, fandotoana ny tontolo iainana, heloka bevava, na kolikoly. Diniho avy amin’ireto toro lalan’ny Baiboly ireto àry hoe: ‘Tsy ho tsara kokoa ve ny fiainana, raha mampihatra an’ireo ny olona?’

TIA FIHAVANANA

“Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra.’” (Matio 5:9) “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”—Romanina 12:18.

MAMINDRA FO SY MAMELA HELOKA

“Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.” (Matio 5:7) “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, a koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.”—Kolosianina 3:13.

TSY MANAVAKAVAKA

“Avy tamin’ny olona anankiray no [nanaovan’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.” (Asan’ny Apostoly 17:26) “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

TSY MANIMBA NY TANY

“Naka an-dralehilahy i Jehovah Andriamanitra, ka nametraka azy tao amin’ny zaridainan’i Edena mba hiasa sy hikarakara an’ilay zaridaina.” (Genesisy 2:15) Horinganin’Andriamanitra “izay manimba ny tany.”—Apokalypsy 11:18.

MANKAHALA NY FITSIRIRITANA SY NY FITONDRAN-TENA RATSY

“Mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana, satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po, fa tsy mendrika ny olona masina izany.”—Efesianina 5:3.

MANAO NY MARINA SY MIASA MAFY

“Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” izahay. (Hebreo 13:18) “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy.”—Efesianina 4:28.

MANAMPY AN’IREO SAHIRANA

‘Manao teny mampahery ny kivy, manohana ny malemy, ary mahari-po amin’ny olona rehetra.’ (1 Tesalonianina 5:14) “Mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany.”—Jakoba 1:27.

Tsy hoe resahin’ny Baiboly fotsiny ireo toro lalana ireo. Ampiany koa isika hahita hoe tena ilaina izy ireo ary atorony ny fomba ampiharana azy. Ho vitsy kokoa ny olana raha maro no nampihatra an’ireo fampianarana ireo. Tena vao mainka àry mahasoa antsika ny toro lalan’ny Baiboly sady tsy lany andro! Inona anefa ny soa azonao dieny izao raha mampihatra azy ireny ianao?

MAHASOA ANAO DIENY IZAO NY FAMPIANARAN’NY BAIBOLY

Hoy ny Matio 11:19: ‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony’ na ny vokatry ny ataony. Marina izany! Raha manam-pahendrena ny olona iray dia hita eo amin’ny fiainany ny vokany. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Raha tena azo ampiharina ny Baiboly, tsy tokony hisy vokany eo amin’ny fiainako ve izy io? Tena manampy ahy hiatrika olana ve ny Baiboly?’ Diniho ity ohatra ity:

Be atao i Vero b ary nahafa-po azy ny fiainany. Tampoka teo anefa dia maty ny zanany vavy, rava ny tokantranony, ary lasa sahirana ara-bola izy. Hoy izy: “Niova tanteraka ny fiainako. Tsy teo intsony ny zanako vavy sy ny vadiko. Tsy nanan-kialofana koa aho. Hoatran’ny hoe tsy nanana ny naha izy ahy intsony aho, tsy nanana hery, ary tsisy dikany intsony ny fiainako.”

Tena hitan’i Vero hoe marina ity Salamo 90:10 ity: “Fitopolo taona no androm-piainanay, ary raha tena matanjaka izahay, ka mahatratra valopolo taona, dia indrisy fa feno zava-tsarotra sy fijaliana izany! Mihelina ihany ny andron’ny taonanay, ka lasa manidina izahay.”

Inona no nanampy an’i Vero? Ny Baiboly. Miavaka ny zavatra nataon’izy io ho azy. Ho hitanao ao amin’ireo lahatsoratra telo manaraka fa olona maro koa no mahita hoe tena manampy azy hiatrika olana ny torohevitry ny Baiboly. Tsapan’izy ireo hoe toy ilay tsangambato voaresaka tany am-piandohana ny Baiboly. Tena tsy mitovy amin’ireo boky maro be izay lasa lany andro izy io. Ny fomba nanoratana ny Baiboly ve no mahatonga izany? Mety ho hevitr’Andriamanitra ve no ao fa tsy hoe hevitr’olona fotsiny?—1 Tesalonianina 2:13.

Tsapanao koa angamba hoe fohy ny fiainana sady feno olana. Inona no afaka mampahery sy manohana anao rehefa tototry ny olana ianao ka mitady ho kivy? Aiza no misy torohevitra tsara?

Andeha isika handinika fomba telo hahitantsika hoe azo ampiharina eo amin’ny fiainana ny Baiboly. Afaka mampianatra anao

  1. hisoroka olana izy io raha mbola azo atao.

  2. hamaha olana rehefa mitranga izany.

  3. hizaka an’izay toe-javatra tsy azonao ovana.

Hiresaka an’izany ireo lahatsoratra telo manaraka.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.

b Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity sy ireo telo manaraka.