LAHATSORATRA FIANARANA 34

Tena Ilain’i Jehovah Ianao ao Amin’ny Fiangonana!

Tena Ilain’i Jehovah Ianao ao Amin’ny Fiangonana!

“Iray ny vatana nefa misy rantsany maro, ary izany rantsambatana rehetra izany na maro aza, dia vatana iray ihany. Dia tahaka izany koa i Kristy.”—1 KOR. 12:12.

HIRA 101 Miara-miasa sy Miray Saina

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tombontsoa ananantsika?

TENA tombontsoa ho antsika ny hoe anisan’ny fiangonana! Sambatra sy milamin-tsaina isika manompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy. Fantatrao ve anefa hoe inona no anjara biriky entinao ao amin’ny fiangonana?

2. Inona no fanoharana noresahin’i Paoly ao amin’ny taratasiny sasany?

2 Tena manampy antsika hahafantatra ny anjara biriky entintsika ao amin’ny fiangonana ny fanoharana iray noresahin’ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasy sasany nosoratany. Nampitahainy tamin’ny vatan’olombelona ny fiangonana, ary nohariny tamin’ny rantsambatana ny olona tsirairay ao amin’izy io.—Rom. 12:4-8; 1 Kor. 12:12-27; Efes. 4:16.

3. Inona no lesona telo hodinihintsika ato?

3 Tena ilaina ny rehetra ao amin’ny fiangonana, ary samy afaka mampahery ny hafa daholo. Sarobidy ny tsirairay na inona na inona volon-kodiny, na fiaviany, na kolontsainy, na fianarana vitany, ary na manam-bola izy na tsia. Ho hitantsika ato fa misy lesona lehibe telo azontsika raisina avy amin’ilay fanoharan’i Paoly: 1) Nahoana isika tsirairay no ilaina ao amin’ny fiangonana? 2) Inona no azontsika atao raha sarotra amintsika ny mahita hoe inona no maha sarobidy antsika? 3) Nahoana isika no mila miezaka mafy hitondra ny anjara birikintsika ao amin’ny fiangonana?

ILAIN’NY FIANGONANA ISIKA TSIRAIRAY

4. Inona no ianarantsika avy amin’ny Romanina 12:4, 5?

4 Izao no lesona voalohany ianarantsika avy amin’ny fanoharan’i Paoly: Tena ilain’ny fiangonana isika tsirairay. Izao no nolazain’i Paoly rehefa nanomboka niresaka an’ilay fanoharana izy: “Manana rantsambatana maro isika eo amin’ny vatana iray, nefa tsy mitovy ny asan’izy rehetra. Toy izany koa isika, na maro aza, dia vatana iray tafaray amin’i Kristy, sady rantsambatana mifampiankina.” (Rom. 12:4, 5) Inona no tiany holazaina? Hoe tsy mitovy ny fomba ampiasan’i Jehovah antsika ao amin’ny fiangonana, nefa sarobidy daholo isika.

Tsy mitovy ny anjara biriky entintsika ao amin’ny fiangonana, nefa samy sarobidy daholo isika (Fehintsoratra 5-12) *

5. Inona no nomen’i Jehovah ho an’ny fiangonana?

5 Iza no olona ilaina ao amin’ny fiangonana? Izay manana andraikitra matetika no tonga voalohany ao an-tsaintsika. (1 Tes. 5:12; Heb. 13:17) Mampiasa an’i Kristy i Jehovah mba hanomezana “lehilahy ho fanomezana” ho an’ny fiangonana. (Efes. 4:8) Anisan’izany ireo rahalahy ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana sy ny mpanampy azy ireo. “Lehilahy ho fanomezana” koa ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana, ny mpiandraikitra ny faritra, ny mpampianatra eny amin’ny saha, ny anti-panahy, ary ny mpanampy amin’ny fanompoana. Notendren’ny fanahy masina mba hikarakara ny ondrin’i Jehovah sy hampahery ny fiangonana ireo rahalahy rehetra ireo.—1 Pet. 5:2, 3.

6. Miezaka manao inona ireo rahalahy notendren’ny fanahy masina, araka ny 1 Tesalonianina 2:6-8?

6 Tsy mitovy ny rantsambatana nefa samy miasa mba hahasoa ny vatana iray manontolo. Anisan’izany ny tongotra sy ny tanana. Hoatr’izany koa ireo rahalahy notendren’ny fanahy masina. Voatendry hanao andraikitra samihafa izy ireo, nefa samy miasa mafy mba hahasoa ny fiangonana iray manontolo. Tsy te hoderain’ny hafa ry zareo fa miezaka mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:6-8.) Tena misaotra an’i Jehovah isika satria nomeny an’ireny lehilahy mahafeno fepetra sy mahafoy tena ireny mba hikarakara antsika.

7. Inona no soa azon’ny mpanompo manontolo andro maro?

7 Voatendry ho misionera na mpisava lalana manokana na mpisava lalana maharitra ny olona sasany ao amin’ny fiangonana. Rahalahy sy anabavy maro no manompo manontolo andro hoatr’izany maneran-tany, ka manokana ny ankamaroan’ny fotoanany mba hitoriana sy hampianarana. Nanampy olona be dia be mba ho lasa mpianatr’i Kristy Jesosy ry zareo. Marina fa tsy manam-bola be ny ankamaroan’izy ireo, nefa tena tahin’i Jehovah. (Mar. 10:29, 30) Tena tiantsika ireny rahalahy sy anabavy malala ireny, ary faly isika hoe anisan’ny fiangonana ry zareo.

8. Nahoana no sarobidy amin’i Jehovah ny mpitory tsirairay?

8 Ny rahalahy voatendry sy ny mpanompo manontolo andro ihany ve no ilain’ny fiangonana? Tsy izany mihitsy! Sarobidy amin’Andriamanitra sy amin’ny fiangonana ny mpitory tsirairay. (Rom. 10:15; 1 Kor. 3:6-9) Nahoana? Satria ny hanampy olona ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy Tompo no anisan’ny tanjona lehibe indrindra iezahan’ny fiangonana hotratrarina. (Mat. 28:19, 20; 1 Tim. 2:4) Miezaka manao loha laharana an’io asa io ny mpitory rehetra, na vita batisa na tsia.—Mat. 24:14.

9. Nahoana no tena sarobidy amintsika ny anabavy?

9 Manaja ny anabavy koa i Jehovah, ka avelany hitondra ny anjara birikiny ao amin’ny fiangonana ry zareo. Tena sarobidy aminy ireo anabavy tsy mivadika, anisan’izany ny vehivavy manambady, ny renim-pianakaviana, ny maty vady, ary ny mpitovo. Miresaka matetika momba ny vehivavy miavaka sady nampifaly an’Andriamanitra ny Soratra Masina. Resahina ao hoe modely ry zareo satria hendry, nanam-pinoana, be zotom-po, be herim-po, nalala-tanana, ary nanao asa tsara hafa. (Lioka 8:2, 3; Asa. 16:14, 15; Rom. 16:3, 6; Fil. 4:3; Heb. 11:11, 31, 35) Manana an’ireo toetra tsara ireo koa ny anabavy ao amin’ny fiangonantsika, ka tena misaotra an’i Jehovah isika manana azy ireny.

10. Nahoana no tena mamintsika ny zokiolona ao amin’ny fiangonana?

10 Sambatra koa isika manana zokiolona be dia be. Nanompo an’i Jehovah nandritra ny fiainany manontolo ny zokiolona any amin’ny fiangonana sasany. Misy indray vao haingana no nahalala ny fahamarinana. Marary ny maro amin’izy ireny satria efa mihantitra. Mety tsy hahavita betsaka amin’ny asa fitoriana sy ny asa ao amin’ny fiangonana ry zareo, vokatr’izany. Manompo araka izay vitany anefa ry zareo, ary manao izay tratry ny heriny mba hampaherezana sy hampiofanana ny hafa. Mahasoa antsika koa ny traikefan-dry zareo. Tena tsara tarehy amin’i Jehovah ny zokiolona, dia hoatr’izany koa no fahitantsika an-dry zareo.—Ohab. 16:31.

11-12. Tantarao hoe inona no nampahery anao tamin’ny ankizy sy ny tanora ao amin’ny fiangonanareo.

11 Ary ahoana ny ankizy sy ny tanora? Be dia be ny olana atrehin-dry zareo satria mihalehibe eto amin’ity tontolo ity ry zareo, nefa fehezin’i Satana sy manaraka ny toe-tsainy izy io. (1 Jaona 5:19) Tena mampahery antsika rehetra àry ny mahita an-dry zareo mamaly any am-pivoriana, dia mandray anjara amin’ny fanompoana, ary be herim-po rehefa miaro ny finoany. Matokia rankizy sy ry tanora fa tena ilaina ao amin’ny fiangonana ianareo!—Sal. 8:2.

12 Sarotra amin’ny rahalahy sy anabavy sasany ny hino hoe tena ilaina izy ao amin’ny fiangonana. Hoatr’izany ve ianao? Inona no azonao atao mba ho tsapanao fa tena sarobidy amin’ny fiangonana ianao?

EKEO HOE ILAIN’NY FIANGONANA IANAO

13-14. Nahoana ny olona sasany no mety hieritreritra hoe tsy ilaina izy ao amin’ny fiangonana?

13 Inona no lesona faharoa ianarantsika avy amin’ny fanoharan’i Paoly? Niresaka momba ny olana mahazo ny rahalahy sy anabavy maro amin’izao izy. Sarotra amin’izy ireo ny hino hoe sarobidy amin’ny fiangonana izy. Hoy i Paoly: “Raha hoy ny tongotra hoe: ‘Tsy anisan’ny vatana aho satria tsy tanana’, dia tsy izany akory no tsy maha anisan’ny vatana azy. Ary raha hoy ny sofina hoe: ‘Tsy anisan’ny vatana aho satria tsy maso’, dia tsy izany akory no tsy maha anisan’ny vatana azy.” (1 Kor. 12:15, 16) Inona no tiany holazaina?

14 Rehefa mampitaha tena amin’ny hafa ianao, dia mety tsy ho hitanao hoe fa maninona ianao no sarobidy. Havanana amin’ny fampianarana, ohatra, ny olona sasany ao amin’ny fiangonana. Ny hafa indray tena mahay mandamin-javatra na mahay mampahery. Dia mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy mba mahay hoatran-dry zareo aho!’ Hita amin’izany hoe manetry tena ianao. (Fil. 2:3) Tandremo anefa! Ho kivy mantsy ianao raha zatra mampitaha tena amin’ny olona manana fahaizana miavaka. Mety ho lasa hoatran’ilay noresahin’i Paoly ianao, ka hieritreritra hoe tsy misy ilana anao mihitsy ao amin’ny fiangonana. Ahoana raha izany no tsapanao?

15. Inona no tokony hotadidintsika, araka ny 1 Korintianina 12:4-11?

15 Eritrereto izao: Nomen’i Jehovah fahaizana mahagaga tamin’ny alalan’ny fanahy masina ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nitovy anefa ny fahaizana nomeny azy ireo. (Vakio ny 1 Korintianina 12:4-11.) Na izany aza, dia sarobidy taminy daholo ireny Kristianina ireny. Marina fa tsy mahazo fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy masina isika amin’izao. Mbola sarobidy amin’i Jehovah foana anefa isika rehetra, na dia tsy mitovy aza ny zavatra haintsika.

16. Inona no torohevitry ny apostoly Paoly tokony hampiharintsika?

16 Tsy tokony hampitaha tena amin’ny hafa àry isika, fa tokony hanaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ... ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”—Gal. 6:4.

17. Nahoana no mahasoa antsika ny torohevitr’i Paoly?

17 Inona no ho vokany raha mandinika an’izay ataontsika isika, araka ny torohevitr’i Paoly? Ho hitantsika hoe hay misy zavatra manavanana antsika sy mampiavaka antsika. Mety ho tsy mahay manao lahateny, ohatra, ny anti-panahy iray, nefa tena mahay manampy olona mba ho lasa mpanompon’i Jehovah. Ary ahoana indray raha mahay mandamin-javatra be ny anti-panahy hafa ao amin’ny fiangonany, nefa izy tsy hoatr’izany mihitsy? Be fitiavana sy tsara fanahy angamba izy, dia mora amin’ny mpitory ny mangataka torohevitra ara-baiboly aminy. Na mety hoe malaza ho tia mandray vahiny izy. (Heb. 13:2, 16) Rehefa fantatsika tsara ny toetra tsara ananantsika sy izay zavatra manavanana antsika, dia ho faly isika satria afaka mitondra ny anjara birikintsika ao amin’ny fiangonana. Azo inoana koa hoe tsy hialona isika rehefa misy mahay zavatra tsy haintsika.

18. Ahoana no hanatsarantsika ny fahaizantsika?

18 Na inona na inona anjara biriky entintsika ao amin’ny fiangonana, dia tokony hiezaka hanatsara ny fanompoantsika daholo isika sady mila mampitombo ny fahaizantsika. Manome fampiofanana tena tsara amin’ny alalan’ny fandaminana i Jehovah. Manampy antsika mba ho havanana kokoa amin’ny fanompoana, ohatra, ny fivoriana andavanandro. Mampihatra an’izay ianarana mandritra an’io fivoriana io ve ianao?

19. Inona no hanampy anao raha te hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana ianao?

19 Tena tsara koa ny fampiofanana amin’ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Rahalahy sy anabavy manompo manontolo andro no asaina hanao azy io, ary tokony ho 23 taona ka hatramin’ny 65 taona izy ireo. Mieritreritra angamba ianao hoe tsy hahatratra an’izany tanjona izany mihitsy. Tsy aleo ve anefa mifantoka amin’ny antony mahatonga anao ho te hanatrika an’ilay sekoly, toy izay hitanisa ny antony tsy ahafahanao manao an’izany? Eritrereto koa hoe inona no azonao atao mba hahafeno fepetra amin’ilay izy. Rehefa ampian’i Jehovah ianao sady miezaka be, dia mety ho tanteraka ny zavatra noheverinao hoe tsy hitranga mihitsy.

AMPIASAO MBA HAMPAHEREZANA NY FIANGONANA NY FAHAIZANAO

20. Inona no ianarantsika avy amin’ny Romanina 12:6-8?

20 Hitantsika ao amin’ny Romanina 12:6-8 ny lesona fahatelo ianarantsika avy amin’ny fanoharan’i Paoly. (Vakio.) Mbola niresaka indray izy ao hoe manana fahaizana samihafa ny Kristianina ao amin’ny fiangonana. Nasongadiny kosa tamin’io hoe tokony hampiasa ny fahaizana ananany ny tsirairay mba hampaherezana ny fiangonana.

21-22. Inona no ianarantsika avy amin’i Robert sy Felice?

21 Diniho ny nataon’ny anti-panahy atao hoe Robert. * Nanompo tany an-tany hafa izy taloha, dia avy eo voatendry hanompo ao amin’ny Betela any amin’ny tany niaviany. Efa nomena toky izy hoe tsy nisy zavatra tsy nety nataony akory matoa izy nahazo fanendrena vaovao. Izao anefa no nolazainy: “Nanamelo-tena aho nandritra ny volana maro. Nieritreritra mantsy aho hoe tsy nahay mihitsy aho tamin’ilay fanendrena azoko teo aloha. Efa saika hiala tamin’ny Betela mihitsy aza aho, ary tsy indray mandeha izany no nitranga.” Lasa faly indray anefa izy tatỳ aoriana. Fa inona no nanampy azy? Nisy anti-panahy iray nampahatsiahy azy hoe nampiofanin’i Jehovah isika tamin’ny fanendrena tsirairay nomeny antsika taloha, amin’izay isika azony ampiasaina kokoa amin’ilay fanendrena omeny antsika amin’izao. Tonga saina i Robert hoe tsy tokony hieritreritra ny lasa intsony izy, fa mila mifantoka amin’izay azony atao amin’izao.

22 Hoatr’izany koa no nitranga tamin’ny Rahalahy Felice Episcopo. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada izy mivady tamin’ny 1956, dia avy eo nanao ny asan’ny faritra tany Bolivia. Niteraka anefa ry zareo tamin’ny 1964. Hoy i Felice: “Tena tianay ny nanompo tany Bolivia, dia mafy be ny niala tany. Nitsetra tena fotsiny aho nandritra ny herintaona teo ho eo. Nampian’i Jehovah anefa aho dia nahavita nanova ny toe-tsaiko. Nifantoka tamin’ilay hoe hitaiza amin’izay aho, satria izay no andraikitro vaovao.” Hoatran’i Robert na Felice ve no tsapanao? Kivy ve ianao satria lasa tsy manana ny tombontsoam-panompoana nanananao taloha? Raha izany, dia tadidio fa ho sambatra kokoa ianao raha manova ny toe-tsainao ka mifantoka amin’izay azonao atao izao mba hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny mpiara-manompo. Miezaha ho be atao, ka ampiasao hanampiana ny hafa ny fahaizanao. Ho faly ianao amin’izay satria mampahery ny fiangonana.

23. Inona no tokony hosaintsainintsika? Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

23 Sarobidy amin’i Jehovah isika tsirairay, ary tiany hahatsapa hoe anisan’ny fianakaviany. Mila misaintsaina àry isika hoe inona no azontsika atao mba hampaherezana an’ireo rahalahy sy anabavy, dia avy eo miezaka mafy manao an’izany. Tsy hieritreritra loatra isika amin’izay hoe tsy misy ilan’ny fiangonana antsika. Fa ahoana indray anefa no fiheverantsika ny rahalahy sy anabavy? Ahoana no azontsika ampisehoana hoe tiantsika sy hajaintsika izy ireo? Tena zava-dehibe izany, ary hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 24 Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

^ feh. 5 Te hahatsapa isika rehetra hoe sarobidy amin’i Jehovah. Mety hisalasala anefa isika indraindray raha mba misy ilany antsika ihany. Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity fa samy tena ilaina ao amin’ny fiangonana isika tsirairay.

^ feh. 21 Novana ny anarana.

^ feh. 62 SARY: Sary telo mampiseho ny zava-mitranga aloha sy aoriana ary mandritra ny fivoriana. Sary 1: Lehilahy sambany vao mivory, dia manatona azy ny anti-panahy iray sady faly erỳ miarahaba azy tonga soa. Eo akaiky eo indray misy rahalahy tanora mikarakara ny fitaovana fanamafisam-peo. Misy anabavy koa miresaka amin’ny anabavy iray be taona. Sary 2: Samy miezaka manome valin-teny daholo na ny ankizy na ny olon-dehibe, mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Sary 3: Mpivady mandray anjara amin’ny fanadiovana Efitrano Fanjakana. Anabavy iray manampy ny zanany handrotsaka vola ao anaty boaty ho an’ny fanomezana. Rahalahy tanora iray mikarakara boky sy gazety. Rahalahy iray mampahery anabavy be taona.