LAHATSORATRA FIANARANA 35

Miezaha “Hifanampy Foana”

Miezaha “Hifanampy Foana”

‘Miezaha hifampahery sy hifanampy foana.’​—1 TES. 5:11.

HIRA 90 Andao Isika Hifampahery

HO HITANAO ATO a

1. Inona ilay asa andraisantsika rehetra anjara? (1 Tesalonianina 5:11)

 EFA nanavao na nanorina Efitrano Fanjakana ve ny fiangonanareo? Raha izany, dia azo antoka fa tadidinao ny fotoana voalohany nivorianao tao. Tena nankasitraka an’i Jehovah ianao. Feno loatra aza angamba ny fonao, ka nila tsy hahavita an’ilay hira fanokafana ianao. Manome voninahitra an’i Jehovah ireny Efitrano Fanjakana tsara tarehy ireny. Misy karazana fanorenana hafa ataontsika koa anefa manome voninahitra azy mihoatra noho izany. Niresaka momba an’izany ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Tesalonianina 5:11, izany hoe ilay andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. (Vakio) Azo adika koa hoe “manorina” ilay teny hoe “manampy” eo amin’io andininy io. Tsy toeram-pivavahana anefa no nampirisihin’i Paoly haorintsika eo, fa ny olona mankany amin’ireny toerana ireny. Mbola sarobidy lavitra noho ny trano izy ireny!

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Tena nahay nanampy ny mpiara-manompo i Paoly ka modely ho antsika. Nahay niombom-pihetseham-po tamin-dry zareo izy. Hodinihintsika ato hoe ahoana no nanampiany an-dry zareo mba 1) hiaritra fitsapana, 2) hihavana tsara amin’ny hafa, ary 3) hanatanjaka ny finoany an’i Jehovah. Ho hitantsika koa hoe ahoana no azontsika anahafana azy, amin’izay isika ho afaka hanampy ny mpiara-manompo koa.​—1 Kor. 11:1.

NANAMPY NY RAHALAHINY SY ANABAVINY HIARITRA FITSAPANA I PAOLY

3. Inona no mampiseho hoe nahay nandanjalanja i Paoly?

3 Tena tian’i Paoly ny mpiara-manompo taminy. Efa nijaly izy ka nahay nangoraka sy niombom-pihetseham-po tamin-dry zareo, rehefa niharam-pitsapana ry zareo. Nisy fotoana, ohatra, i Paoly tsy nanam-bola intsony, dia tsy maintsy nitady asa mba hahazo izay ilainy izy sy ny namany. (Asa. 20:34) Rehefa tonga tany Korinto izy, dia niara-niasa tamin’i Akoila sy Prisila. Mpanao tranolay hoatr’azy koa mantsy ry zareo. Nitory tamin’ny Jiosy sy ny Grika anefa izy “isaky ny sabata.” Rehefa tonga i Silasy sy Timoty, dia “nifantoka tanteraka tamin’ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra” izy. (Asa. 18:2-5) Tsy nohadinoin’i Paoly mihitsy hoe ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainany. Niasa mafy izy sady nazoto nanompo, ka mety tsara raha izy no nanoro hevitra an’ireo rahalahy sy anabaviny. Nampahatsiahy an-dry zareo izy mba tsy hamela ny olana sy ny asa fivelomana hahatonga an-dry zareo hanao tsirambina “an’izay zava-dehibe kokoa”, izany hoe izay mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah.​—Fil. 1:10.

4. Ahoana no nanampian’i Paoly sy Timoty ny mpiara-manompo hiatrika fanenjehana?

4 Vao niforona kelikely ny fiangonana tany Tesalonika, dia efa niaritra fanenjehana be. Nisy vahoaka romotra nitady an’i Paoly sy Silasy. Rehefa tsy hitany anefa izy roa lahy, dia “ny rahalahy sasany” no notaritaritiny “ho any amin’ny lehiben’ny tanàna.” Niantsoantso ry zareo tamin’izay hoe: “Manohitra ny didin’i Kaisara” ireo lehilahy ireo. (Asa. 17:6, 7) Mba azonao an-tsaina ve ny tebitebin’ireo Kristianina vaovao ireo, rehefa nahafantatra hoe lasa nanenjika an-dry zareo ny olona tao an-tanàna? Nety ho lasa kamokamo hanompo an’i Jehovah àry ry zareo. Tsy tian’i Paoly hitranga anefa izany. Marina hoe nila nandeha izy sy Silasy, nefa nataony azo antoka hoe voakarakara tsara io fiangonana vaovao io. Izao no nampahatsiahiviny ny Tesalonianina: “Nirahinay i Timoty, rahalahinay ... mba hanatanjaka sy hampahery anareo, dia hatanjaka ny finoanareo. Amin’izay ianareo tsy hisy ho voahozongozona na eo aza ireny fahoriana ireny.” (1 Tes. 3:2, 3) I Timoty mihitsy no efa niaina an’izany fanenjehana izany tany an-tanànany, tany Lystra. Hitany hoe ahoana no nampaherezan’i Paoly ny mpiara-manompo tany. Hitany koa ny fomba nanampian’i Jehovah an-dry zareo, dia afaka nanome toky an’ireo rahalahy sy anabaviny vaovao ireo izy hoe tsy maintsy ho tafavoaka koa ry zareo amin’ny farany.​—Asa. 14:8, 19-22; Heb. 12:2.

5. Inona no soa noraisin’i Bryant noho izy nampian’ny anti-panahy iray?

5 Ahoana koa ny fomba nampaherezan’i Paoly ny mpiara-manompo taminy? Rehefa niverina nitsidika an’i Lystra sy Ikonioma ary Antiokia izy sy Barnabasy, dia “nanendry anti-panahy teo anivon’ny fiangonana tsirairay.” (Asa. 14:21-23) Azo antoka hoe tena nampionona ny fiangonana ireny lehilahy voatendry ireny, hoatran’ny anti-panahy amin’izao ihany. Nahatsapa an’izany ny rahalahy antsoina hoe Bryant. Izao no nolazainy: “Nandao anay mianakavy i Dada tamin’izaho 15 taona, moa ny mamanay voaroaka. Nahatsiaro ho very sy kivy aho tamin’izay.” Inona no nanampy an’i Bryant hiatrika an’izany fotoana mangidy izany? Hoy izy: “Nisy anti-panahy iray niresaka tamiko tany am-pivoriana sy tamin’ny fotoana hafa. I Tony no anarany. Notantarainy ahy hoe nisy olona niatrika fitsapana maro nefa mbola sambatra. Nasehony ahy koa ny Salamo 27:10, dia matetika izy no niresaka tamiko momba an’i Hezekia. Nahavita nanompo an’i Jehovah foana, hono, i Hezekia sady tsy nivadika taminy mihitsy, na dia tsy ohatra tsara aza ny dadany.” Inona no vokatr’izany tamin’i Bryant? Hoy ihany izy: “Noho ny fampaherezan’i Tony, dia lasa nanompo manontolo andro aho tatỳ aoriana, ary tena nahafa-po ahy izany.” Ry anti-panahy, diniho sao misy olona mila “teny mampahery” hoatran’i Bryant ao amin’ny fiangonanareo, dia ampio izy ireny!​—Ohab. 12:25.

6. Nahoana i Paoly no nampiasa ny tantaram-piainan’ny olon-kafa mba hampaherezana ny mpiara-manompo?

6 Nampahatsiahivin’i Paoly ny mpiara-manompo taminy hoe nisy “vavolombelona be dia be toy ny rahona” nomen’i Jehovah hery, ka nahavita niaritra ny mafy. (Heb. 12:1) Fa maninona i Paoly no niresaka momba ny tantaram-piainan’ny olona taloha nahavita niaritra fitsapana isan-karazany? Satria fantany hoe hanome herim-po ny rahalahy sy anabaviny izany, sady hanampy an-dry zareo hifantoka foana amin’ny “tanànan’ilay Andriamanitra velona.” (Heb. 12:22) Hoatr’izany koa amin’izao. Iza amintsika no tsy mahatsiaro hoe mahazo hery rehefa avy namaky ny fomba nanampian’i Jehovah an’i Gideona, Baraka, Davida, Samoela, ary ny maro hafa? (Heb. 11:32-35) Manatanjaka finoana hoatr’izany koa ny modely omen’ny rahalahy sy anabavy amin’izao. Matetika ny mpiara-manompo no manoratra aminay atỳ amin’ny foibe hoe nampahery an-dry zareo, hono, ny namaky ny tantaram-piainan’ny iray amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika amin’izao.

NASEHON’I PAOLY HOE AHOANA NO HATAO MBA HIHAVANANA AMIN’NY HAFA

7. Inona no ianaranao avy amin’ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Romanina 14:19-21?

7 Manampy ny mpiara-manompo isika rehefa manao izay hisian’ny fihavanana ao amin’ny fiangonana. Tsy avelantsika hampisara-bazana antsika ny hevitra tsy mitovy. Tsy manizingizina ny zontsika koa isika, raha tsy misy toro lalan’ny Baiboly voadika. Eritrereto ity ohatra ity. Nisy Kristianina jiosy sy hafa firenena tao amin’ny fiangonana tao Roma. Rehefa tsy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy intsony ry zareo, dia tsy nanan-kery intsony ilay lalàna hoe misy sakafo tsy azo hanina. (Mar. 7:19) Nanomboka tamin’izay, dia nisy Kristianina jiosy nieritreritra fa azony nohanina daholo ny sakafo rehetra. Tsy nety tamin’ny Kristianina jiosy hafa anefa ny nanao an’izany. Lasa nisara-bazana àry ny fiangonana. Nohamafisin’i Paoly tamin’izay fa tena ilaina ny mihavana, ka nilaza izy hoe: “Aleo tsy mihinan-kena na misotro divay na manao zavatra hafa mety hanafintohina ny rahalahinao.” (Vakio ny Romanina 14:19-21.) Nampian’i Paoly àry ny mpiara-manompo taminy mba hahita hoe tena manimba ny tsirairay sy ny fiangonana iray manontolo ny tsy fitovian-kevitra hoatr’izany. Vonona hanao fiovana koa izy mba tsy ho tafintohina ny olon-kafa. (1 Kor. 9:19-22) Hanampy ny hafa sy hitandro fihavanana koa isika raha tsy sarotiny loatra amin’ny zavatra miankina amin’ny safidin’ny tsirairay.

8. Ahoana no nataon’i Paoly rehefa nisy olana lehibe nitady hanimba ny fihavanan’ny fiangonana?

8 Modely ho antsika i Paoly satria nitandro fihavanana foana izy, rehefa nisy olana lehibe tsy nampitovy hevitra. Nanizingizina, ohatra, ny sasany tao amin’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany hoe tsy maintsy forana izay hafa firenena lasa Kristianina, amin’izay angamba ry zareo tsy hokianin’ny Jiosy. (Gal. 6:12) Tena tsy nitovy hevitra tamin-dry zareo i Paoly. Naleony anefa tsy niziriziry tamin’ny heviny fa nanetry tena, dia nampahafantariny ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema ilay olana. (Asa. 15:1, 2) Vokatr’izany nataony izany, dia lasa faly sy nihavana foana ny fiangonana.​—Asa. 15:30, 31.

9. Ahoana no anahafantsika an’i Paoly?

9 Rehefa misy olana lehibe tsy mampitovy hevitra, dia mampisy fihavanana isika raha mitady tari-dalana avy amin’izay notendren’i Jehovah hikarakara ny fiangonana. Matetika no misy toro lalan’ny Baiboly ao amin’ny boky sy gazetintsika, na ao amin’ny tari-dalana avy amin’ny fandaminana. Raha mifantoka amin’izay hanarahana an’ireny tari-dalana ireny àry isika fa tsy manery ny hafa hanaraka ny hevitsika, dia hampisy fihavanana ao amin’ny fiangonana.

10. Inona koa no nataon’i Paoly mba hampisy fihavanana tao amin’ny fiangonana?

10 Nisy zavatra hafa koa nataon’i Paoly mba hampisy fihavanana. Ny toetra tsaran’ny rahalahy sy anabavy no nasongadiny, fa tsy ny fahalemen’izy ireo. Rehefa namarana ny taratasiny ho an’ny Romanina, ohatra, izy dia nanonona anaran’olona maromaro sady matetika no niresaka zavatra tsara na tsipiriany momba an-dry zareo. Afaka manahaka an’i Paoly isika, ka tsy misalasala miresaka momba ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo. Rehefa manao an’izany isika, dia hinamana kokoa ireo rahalahy sy anabavy ka vao mainka hifankatia ny fiangonana.

11. Ahoana no hamitranana fihavanana rehefa tsy mifanaraka aman’olona?

11 Na Kristianina matotra aza mety tsy hifanaraka na hifanditra indraindray. Izany no nitranga tamin’i Paoly sy Barnabasy, ilay namany akaiky. Tsy nifanaraka mihitsy ry zareo hoe hoentina amin’ilay dia misionera manaraka ve i Marka sa tsia. “Nifamaly be izy roa lahy sady samy tezitra, dia nisaraka.” (Asa. 15:37-39) Namitram-pihavanana ihany anefa i Paoly sy Barnabasy ary Marka, ka nampiseho hoe sarobidy tamin’izy ireo ny fihavanana sy ny firaisan-tsain’ny fiangonana. Niresaka zavatra tsara momba an’i Barnabasy sy Marka mihitsy aza i Paoly tatỳ aoriana. (1 Kor. 9:6; Kol. 4:10) Rehefa tsy mifanaraka amin’ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana koa isika, dia mila mandamina an’izany ary miezaka mifantoka amin’ny toetra tsaran’izy ireo foana. Hanampy ny fiangonana hihavana sy hiray saina foana isika amin’izay!​—Efes. 4:3.

NANATANJAKA NY FINOAN’NY MPIARA-MANOMPO I PAOLY

12. Inona ny olana sasany atrehin’ny rahalahy sy anabavintsika?

12 Manampy ny rahalahy sy anabavy isika rehefa manatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jehovah. Ny sasany amin-dry zareo izao esoesoin’ny fianakaviana tsy Vavolombelona, na ny mpiara-miasa, na ny mpiara-mianatra. Misy indray marary be, na miady mafy amin’ny ratram-po. Ny hafa kosa efa aman-taonany no vita batisa, dia efa ela no niandry ny hahatongavan’ny farany. Mety hisedra ny finoan’ny Kristianina amin’izao izany rehetra izany. Niatrika olana hoatr’izany koa ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. Ahoana no nampaherezan’i Paoly an-dry zareo?

Ahoana no azontsika anampiana ny hafa, hoatran’ny nataon’ny apostoly Paoly? (Fehintsoratra 13) b

13. Ahoana no nanampian’i Paoly an’izay nesoesoin’ny olona noho ny finoany?

13 Nampiasa ny Soratra Masina i Paoly mba hanatanjahana ny finoan’ny mpiara-manompo. Mety ho tsy nahita havaly, ohatra, ny Kristianina jiosy rehefa nanakiana an-dry zareo ny havany hoe ny Fivavahana Jiosy no tsara kokoa noho ny Fivavahana Kristianina. Azo antoka fa nampahery be an’ireo Kristianina ireo ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Hebreo. (Heb. 1:5, 6; 2:2, 3; 9:24, 25) Nitombina tsara mantsy ny fanazavana nomen’i Paoly, ka azon-dry zareo nampiasaina mba hampanginana an’ireny mpanakiana ireny. Misy maneso koa ny mpiara-manompo amintsika amin’izao. Azontsika atoro an-dry zareo àry ny fomba fampiasana ny boky sy gazetintsika mba hanazavana ny zavatra inoany. Ary ahoana raha misy manambany ny tanora ao amin’ny fiangonantsika noho ry zareo tsy mankalaza fety sasany sy aniversera? Azontsika ampiana ry zareo mba hahita fanazavana ao amin’ny lesona faha-​44 amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Ho hain-dry zareo amin’izay ny hiaro ny finoany.

Ahoana no azontsika anampiana ny hafa, hoatran’ny nataon’ny apostoly Paoly? (Fehintsoratra 14) c

14. Inona no mbola nataon’i Paoly, na dia be atao tamin’ny asa fitoriana sy fampianarana aza izy?

14 Nampirisika ny mpiara-manompo taminy i Paoly mba hampiseho fitiavana amin’ny alalan’ny “asa tsara.” (Heb. 10:24) Tsy tamin’izay nolazainy ihany no nanampiany ny rahalahy sy anabavy, fa tamin’izay nataony koa. Rehefa nisy mosary, ohatra, tany Jodia, dia nanampy nizara an’izay nilain’ny mpiara-manompo tany izy. (Asa. 11:27-30) Marina hoe be atao tamin’ny fitoriana sy fampianarana i Paoly. Nitady hirika hanampiana an’izay sahirana foana anefa izy. (Gal. 2:10) Rehefa nanao an’izany izy, dia lasa natoky ny mpiara-manompo hoe tena hikarakara an-dry zareo i Jehovah. Hoatr’izany koa amin’izao. Rehefa vonona hanome amin’ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fahaizantsika isika mba hanampiana ny tra-boina, dia hanatanjaka ny finoan’ireo rahalahy sy anabavy izany. Hoatr’izany koa rehefa zatra manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany isika. Rehefa manao an’ireo isika na zavatra hafa mba hanampiana ny mpiara-manompo, dia lasa matoky ry zareo hoe tsy handao azy mihitsy i Jehovah.

Ahoana no azontsika anampiana ny hafa, hoatran’ny nataon’ny apostoly Paoly? (Fehintsoratra 15-16) d

15-16. Ahoana no azontsika anampiana an’izay lasa malemy finoana?

15 Tsy nanary ny mpiara-manompo lasa nalemy finoana i Paoly. Nangoraka an-dry zareo kosa izy ary tsara fanahy sy nampahery rehefa niresaka taminy. (Heb. 6:9; 10:39) Matetika, ohatra, izy no nampiasa an’ilay teny hoe “isika” rehefa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Hebreo. (Heb. 2:1, 3) Hita amin’izany fa niaiky izy hoe izy koa aza nila nampihatra ny torohevitra nomeny. Manao hoatran’i Paoly isika, ka tsy manary an’izay mpiara-manompo lasa malemy finoana. Manampy an-dry zareo kosa isika ka mampiseho hoe tena miahy azy. Porofointsika amin’izany fa tia azy isika. Tadidio koa hoe tsy izay lazaintsika ihany no mampahery, fa ny toe-peontsika sy ny fomba ilazantsika an’ilay izy koa.

16 Nanome toky ny mpiara-manompo taminy koa i Paoly hoe fantatr’i Jehovah ny asa tsara ataon-dry zareo. (Heb. 10:32-34) Afaka manao hoatr’izany koa isika rehefa manampy mpiara-manompo lasa malemy finoana. Maninona raha asaina tantarainy ny fomba nahitany ny fahamarinana? Na ampirisiho izy mba hisaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah azy taloha. Afaka manararaotra an’izany isika mba hanomezana toky azy hoe tsy hadinon’i Jehovah ireny porofom-pitiavana nasehony ireny, ary tsy hanary azy mihitsy Izy. (Heb. 6:10; 13:5, 6) Ny resadresaka hoatr’izany no mety hahatonga an’ireny rahalahy sy anabavy malalantsika ireny hanompo an’i Jehovah indray.

‘MIEZAHA FOANA HIFAMPAHERY’

17. Inona no fahaizana azontsika hatsaraina foana?

17 Mihamahay ny mpanao trano rehefa mandeha ny fotoana. Hoatr’izany koa fa vao mainka hahay hanampy ny hafa isika arakaraka ny anaovantsika an’izany. Afaka manampy ny hafa hahazo hery hiaretana fitsapana isika, rehefa mitantara aminy ny modely nomen’ny olona niaritra taloha. Manao izay hisian’ny fihavanana koa isika raha miresaka momba ny toetra tsaran’ny olon-kafa, sy mitandro fihavanana rehefa mitady ho rava izy io, ary mamitram-pihavanana rehefa misy tsy ifanarahana. Afaka manatanjaka ny finoan’ny mpiara-manompo foana koa isika, rehefa manazava fahamarinana lehibe ao amin’ny Baiboly, sy manampy ny sahirana, ary manatanjaka an’izay lasa tsy mifandray tsara amin’i Jehovah intsony.

18. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

18 Faly sy afa-po izay manorina trano ampiasain’ny fandaminana. Afaka ny hahatsapa hoatr’izany koa isika, raha manampy ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonana mba hanana finoana matanjaka. Mety ho simba ihany ny trano rehefa mandeha ny fotoana, fa ny vokatr’ilay fanorenana ara-panahy ataontsika kosa haharitra mandrakizay! Enga anie àry isika ho tapa-kevitra ny “hifampahery sy hifanampy foana.”​—1 Tes. 5:11.

HIRA 100 Aoka Isika ho Tia Mandray Vahiny

a Tsy mora ny fiainana eto amin’izao tontolo izao. Be dia be ny olana mianjady amin’ny mpiara-manompo. Tena afaka ny hanampy an-dry zareo anefa isika, raha mitady fomba hampaherezana azy. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Andao isika handinika ny modely nomen’ny apostoly Paoly.

b SARY: Lehilahy iray manoro ny zanany vavy hoe ahoana no azony ampiasana ny soso-kevitra ao amin’ny boky sy gazetintsika, mba tsy hanaiky hotaomin’ny olona hankalaza Krismasy izy.

c SARY: Mpivady mankany amin’ny faritra hafa ao amin’ny fireneny mba hanampy tra-boina.

d SARY: Anti-panahy mitsidika rahalahy iray lasa nalemy finoana. Asehon’ilay anti-panahy azy ny sarin-dry zareo tamin’izy roa lahy niara-nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, taona maro lasa izay. Mahatsiaro an’ireny fotoana mamy ireny ilay rahalahy. Lasa tiany ho tsapa indray izao ilay fifaliana tsapany rehefa manompo an’i Jehovah. Miverina amin’ny fiangonana ihany izy atỳ aoriana.